Hazobe
[Heb.: ʼelah; ʼelôhn], Hazo Goavam-be [Heb.: ʼallah, ʼallôhn].
Nadika hoe “hazo ôka” sy “terebinta” ireo teny hebreo ireo ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta sy Fandikan-teny Katolika. Mety ho anarana iombonan’ny hazobe fotsiny anefa izy ireo fahiny, hoy ny manam-pahaizana maro.
Lava ranjanana toy ny hazo sedera sady matanjaka toy ny “hazo goavam-be” ny Amorita. (Am 2:9) Tany Basana, tany atsinanan’i Jordana, no tena maro “hazo goavam-be”, ary niara-voatonona tao amin’ny fampitahana izy io sy ny sederan’i Libanona. (Is 2:13; Za 11:1, 2) Nanaovana fivoy izy io. (Ezk 27:6) Nalevina teo am-pototry ny hazo toy izany i Debora tao Betela, ka lasa hoe Alona-bakota (“Hazo Goavam-be Fitomaniana”) ny anaran’izy io. (Ge 35:8) Naniry teny an-kavoana ny hazo toy ireny, ka matetika no teny ambany alokalony ny olona no nanompo sampy.—Ho 4:13.
Anisan’ny hazo goavam-be tany Basana ny oaka. Hazo mafy tsara izy io, ka ela be vao maty. Mbola misy oaka isan-karazany any Basana, sy any amin’ny faritra avo any Haorana, Gileada, Galilia, ary Libanona. Misy maitsoririnina, ary misy mihintsan-dravina isaky ny fararano. Toy ny ao anaty kaopy kely ny voany, izay be zavatra simika atao hoe tanin. Mety ho ny bibikely misy akorany fahita eny amin’ny sampan’ny karazana oaka iray no nahazoana ny loko “mena midorehitra” nampiasaina tao amin’ny toerana masina.—Ek 25:4; 26:1; jereo FANDOKOANA LAMBA.
Azo inoana fa anisan’ny ‘hazobe’ resahin’ny Baiboly ny terebinta (Pistacia palaestina na Pistacia atlantica). (Ge 12:6; 14:13) Fahita any Palestina izy io, matevina ny vatabeny, ary misandrahaka ny sampany. Misy mahatratra 15 m ny haavony, ka manome alokaloka tsara erỳ! Ahazoana ditin-kazo manitra anamboarana menaka terebinta ilay hazo, rehefa tatahana ny hodiny.