Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazora

Hazora

(Hazòra) [Tokotany; Tanàna Kely].

1. Tanàna lehibe indrindra tany amin’ny faritra avaratr’i Kanana, tamin’ny fotoana nitarihan’i Josoa ny Israelita mba haka ilay tany. (Js 11:10) Misy mihevitra azy io ho i Tell el-Kedah (Tel Hazor), tokotokony ho 11 km any atsimo atsimoatsinanan’ilay toerana voalaza fa nisy an’i Kedesy. Nohadina iny faritra iny tamin’ny 1955-1958 sy tamin’ny 1968-1969, ka nilaza i Yigael Yadin, ilay nitarika an’io fikarohana io, fa tokotokony ho 60 ha ny velaran-tanin’i Hazora, ary mety ho nahazaka mponina 25 000 ka hatramin’ny 30 000 izy io.

I Jabina mpanjakan’i Hazora no nitarika ny vondron’ireo tafika tany amin’ny faritra avaratr’i Kanana, mba hiady tamin’i Josoa. Resy tanteraka anefa izy ireo, ary nodorana i Hazora. Io ihany no tanàna teny an-kavoana nodorana. (Js 11:1-13) Nomena ho an’ny fokon’i Naftaly i Hazora tatỳ aoriana. (Js 19:32, 35, 36) Tamin’ny andron’i Debora sy Baraka anefa dia nisy mpanjaka kananita mahery hafa iray tao. Jabina koa no anaran’izy io.​—Mpts 4:2, 17; 1Sa 12:9.

Tatỳ aoriana, dia nohamafisin’i Solomona Mpanjaka ny tanànan’i Hazora sy Gazera ary Megido. (1Mp 9:15) Nitovy tanteraka ny nanorenana ny vavahadin’ireo tanàna telo ireo, rehefa jerena ireo zavatra nofongarina tany ambanin’ny tany. Hoy i Yigael Yadin momba ny fikarohana tao Hazora: “Raha vao nipoitra kely fotsiny ny vavahadin’io manda io, rehefa nailika tsikelikely ny vovoka sy ny tany teo aminy, dia tena gaga izahay fa nitovy be tamin’ilay ‘Vavahadin’i Solomona’ hita tany Megido izy io. Mbola tsy lasa lalina akory ilay fangadiana dia efa nandramanay natao sarisary teo amin’ny tany ny mety ho planin’io vavahady io, ka nataonay nitovy tamin’ny vavahadin’i Megido ilay sary. Nasainay nanohy ny asany amin’izay ireo mpangady tany. Rehefa vitan’izy ireo ny asany, dia talanjona izy ireo ka nijery anay toy ny hoe mpanao mazia izahay na olona nahay naminany. Nitovy be tamin’ny sary nataonay mantsy ilay vavahady teo anatrehanay, sady tahaka an’ilay vavahadin’i Megido mihitsy. Porofo izany fa samy naorin’i Solomona ireo vavahady ireo, sady iray ihany ny planina narahina tamin’ny fanamboarana azy ireo.”​—Haiady Tany Amin’ireo Tany Voalazan’ny Baiboly, 1963, Boky II, p. 288.

Sisa tavela tamin’ny vavahady tao Hazora, izay azo inoana fa efa tamin’ny andron’i Solomona

Roanjato taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Solomona, izany hoe tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely, dia nanafika an’i Hazora sy nanao sesitany ny mponina tao i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria.​—2Mp 15:29.

2. Tanàna tany amin’ny faritr’i Joda tany Negeba. Angamba izy io ihany ilay el-Jebariyeh, tokotokony ho 24 km any atsinanana avaratratsinanan’ilay toerana heverina fa nisy an’i Kadesi-barnea (azo inoana fa i Kedesy ihany io).​—Js 15:21, 23.

3. Anarana hafa iantsoana an’i Keriota-hezrona, tanàna iray tany Joda. Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet el-Karyatein (Tel Keriyyot), tokotokony ho 20 km any atsimon’i Hebrona.​—Js 15:21, 25.

4. Tanàna tao amin’ny faritanin’i Benjamina. (Ne 11:31, 33) Misy milaza azy io ho tao Kirbet Hazzora, tokotokony ho 7 km any avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema.

5. Faritra iray tany amin’ny Tany Efitr’i Arabia, tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Lazain’ny faminanian’i Jeremia fa tsy maintsy handroba azy io i Nebokadrezara (Nebokadnezara) mpanjakan’i Babylona.​—Jer 49:28-33.