Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hebreo, I

Hebreo, I

I Abrama no voalohany nantsoina hoe “Hebreo.” Nanavahana azy tamin’ny Amorita mpiara-monina taminy izany. (Ge 14:13) Matetika no ampiasaina hanavahana ny Israelita ny hoe “Hebreo”, rehefa tsy Israelita no miteny (Ge 39:13, 14, 17; 41:12; Ek 1:16; 1Sa 4:6, 9), rehefa Israelita ilay miresaka amin’ny hafa firenena (Ge 40:15; Ek 1:19; 2:7; Jo 1:9), na rehefa misy hafa firenena koa miara-voatonona aminy (Ge 43:32; Ek 1:15; 2:11-13; 1Sa 13:3-7).

Hita amin’ireo andininy ireo fa efa fantatry ny Ejipsianina ny “Hebreo”, tamin’ny taonjato faha-18 T.K. Toa efa nalaza hatraiza hatraiza àry i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka fantatry ny olona hoe ry zareo no nantsoina hoe “Hebreo.” Nitoby elaela tany amin’ny faritra nanodidina an’i Hebrona ny rain’i Josefa sy ny razambeny. Nantsoin’i Josefa hoe “tanin’ny Hebreo” (Ge 40:15) àry ilay faritra, tamin’izy niresaka tamin’ny mpanompon’i Farao anankiroa. Mbola “Hebreo” ihany no niantsoan’ny Filistinina ny Israelita, 600 taona teo ho teo tatỳ aoriana. Ny “Israely” ihany no “Hebreo”, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 13:3-7; 14:11; 29:3) Nilaza tamin’ny tantsambo (angamba Fenisianina) koa i Jona mpaminany, tamin’ny taonjato fahasivy T.K., fa Hebreo izy. Nandeha sambo niala tao Jopa izy tamin’izay. (Jo 1:9) Nilaza ny Lalàna fa tsy tokony hampitovina amin’ny mpanompo hafa firenena ny mpanompo “hebreo.” (Ek 21:2; De 15:12) Miresaka momba izany koa ny bokin’i Jeremia (tamin’ny taonjato fahafito T.K.), ary asehony fa ny “Jiosy” ihany no “Hebreo.”​—Je 34:8, 9, 13, 14.

“Hebreo” na “Jiosy”, fa tsy hoe “Israelita”, no fiantsoan’ny mpanoratra grika sy romanina tatỳ aoriana ny Israelita.

Ny niandohan’ilay teny sy ny heviny. Azo fintinina toy izao ireo fiheverana samy hafa momba ny niandohan’ny teny hoe “Hebreo” sy ny hevitr’izy io:

Voalohany, misy milaza fa avy amin’ny fototeny hoe ʽavar, midika hoe “mandalo; miserana; miampita” izy io. Nantsoina hoe “Hebreo” àry, hono, i Abrahama, satria nalain’Andriamanitra “avy tany ampitan’ny Renirano [Eofrata].” (Js 24:3) Izany no nahatonga ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hilaza an’i Abrahama hoe “ilay mpiampita” ao amin’ny Genesisy 14:13, fa tsy hoe “Hebreo.” Maro no mitovy hevitra amin’izany. Izao anefa no olana: Miafara amin’ny ‘i’ ilay teny hebreo hoe ʽIvri (Hebreo), mitovy amin’ireo anarana ray na razambe nampiana tovona na tovana mba hilazana ny zanany na ny taranany. Antsoina hoe Môhʼavi (Moabita), ohatra, ny olona iray, noho izy taranak’i Moaba (Môhʼav), fa tsy noho izy nipetraka tany Moaba. Toy izany koa ny hoe ʽAmmôhni (Amonita), Dani (Danita), ary ny maro hafa.

Raha noho i Abrahama ‘niampita’ an’i Eofrata fotsiny àry no niantsoana azy hoe “Hebreo”, dia tokony hantsoina hoe “Hebreo” koa izay niampita an’i Eofrata toa azy nandritra ny taonjato maro. Azo inoana anefa fa betsaka izy ireny. Ho nampiavaka an’i Abrahama ny hoe “Hebreo”, raha ekena fa noho ny baikon’Andriamanitra no niampitany an’i Eofrata. Tsy azo inoana anefa hoe niaiky an’izany daholo ny mpanompo sampy niantso azy hoe “Hebreo.”

Faharoa, misy manam-pahaizana milaza fa ireo mpivahiny ‘nandalo’, fa tsy ireo tompon-tany no nantsoina hoe “Hebreo.” (Ampitahao amin’ny fampiasana ny hoe ʽavar ao amin’ny Ge 18:5; Ek 32:27; 2Ta 30:10.) Marina fa nifindrafindra monina ny Israelita talohan’ny nidirany tao Kanana. Mbola nantsoina hoe Hebreo foana anefa izy ireo rehefa nonina tao. Raha izay nifindrafindra monina no nantsoina hoe “Hebreo”, dia tokony ho nantsoina toy izany koa izay nifindrafindra monina rehetra. Antsoin’ny Baiboly hoe “Andriamanitry ny Hebreo” koa i Jehovah. Tsy Andriamanitry ny ‘mpifindrafindra monina rehetra’ anefa izy, satria maro tamin’ireny no mpanompo sampy.​—Ek 3:18; 5:3; 7:16; 9:1, 13; 10:3.

Fahatelo, misy indray milaza fa avy amin’ilay anarana hoe Ebera (ʽEver) ny hoe “Hebreo” (ʽIvri), ary mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. Zafiafin’i Sema i Ebera, sady razamben’i Abrahama. (Ge 11:10-26) Marina fa tsy misy zavatra hafa fantatra momba an’i Ebera ankoatra izany. Tsy milaza mantsy ny Baiboly hoe nisy zava-bitany na zavatra nampiavaka azy, ka nahatonga ny taranany hitondra ny anarany. Voaresaka ao amin’ny Genesisy 10:21 anefa izy, satria voalaza ao hoe “razamben’ny zanakalahin’i Ebera rehetra” i Sema. Mbola nampiasaina ela be taorian’ny nahafatesany ny anaran’i Ebera. Firenena na faritra iray no nantsoin’i Balama hoe Ebera, tamin’izy naminany tamin’ny taonjato faha-15 T.K. (No 24:24) Ny fampiasana ilay anarana hoe Ebera koa dia mampiseho fa razamben’ny Israelita ny ‘taranaka’ iray avy amin’i Noa, araka ilay tetirazana ao amin’ny Genesisy 10:1-32.

Raha avy amin’ny hoe Ebera anefa ny hoe “Hebreo”, nahoana ny Israelita irery no antsoina hoe “Hebreo”? Nanana taranaka hafa avy tamin’i Joktana zanany lahy mantsy i Ebera, ary tsy razamben’i Abrahama (sy Israely) izy ireny. (Ge 10:25-30; 11:16-26) Tokony ho azo antsoina hoe ʽIvri (Hebreo) daholo àry ny taranak’i Ebera rehetra. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa mety ho toy izany tokoa tamin’ny voalohany, saingy ny Israelita irery no lasa nantsoina hoe ʽIvri tatỳ aoriana, satria ry zareo no nalaza indrindra tamin’ny Eberita na Hebreo. Maro koa, ohatra, ny firenena hafa tsy israelita anisan’ny taranak’i Abrahama, toy ny Edomita sy ny Ismaelita ary ny taranany avy tamin’i Ketora vadiny, nefa ny Israelita ihany no lazaina hoe “taranak’i Abrahama.” (Sl 105:6; Is 41:8; ampit. Mt 3:9; 2Ko 11:22.) Nifidy azy ireo mantsy Andriamanitra, noho ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Lasa firenena voatokana ho an’Andriamanitra izy ireo, nomeny ny tany Kanana, ary nampiany handresy firenena mahery maro. Niavaka àry izy ireo raha oharina amin’ny taranak’i Abrahama sy ny taranak’i Ebera hafa rehetra. Mety ho tsy tena “Eberita” intsony koa ny maro tamin’ireny taranaka ireny, rehefa nifanambady tamin’ny firenen-kafa.

Voatonona manokana tao amin’ilay tetirazana i Ebera, satria tian’Andriamanitra haseho angamba fa ho tanteraka amin’ny taranany ilay tsodrano nomen’i Noa an’i Sema. Tanteraka tamin’ny Israelita tokoa ilay tsodrano. Asehon’ilay tetirazana koa fa taranak’i Sema i Ebera sady razamben’i Abrahama, ka anisan’ny razamben’ilay Taranaka nampanantenain’i Jehovah ao amin’ilay faminanian’ny Genesisy 3:15. Mety tsara koa àry ny iantsoana an’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny Hebreo.”

Faminanian’i Balama. Naminany momba an’i Ebera i Balama ao amin’ny Nomery 24:24. ‘Tany (na firenena) eny ampita’ ve izy io, sa ny Hebreo (Israelita)? Milaza ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa i Sipra no ilay Kitima voalaza fa nandefa sambo hampahory an’i Asyria sy Ebera. Nanjary nanaraka ny kolontsaina grika anefa i Sipra, araka ny hazavain’ireo lahatsoratra hoe SIPRA sy KITIMA. Mety ho tsy i Sipra irery koa no nantsoina hoe Kitima, fa i Gresy koa. Mihevitra àry ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ny fanafihan’ny Grika na Makedonianina an’ireo firenena tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, anisan’izany i Asyria, no resahin’ilay faminaniana. Misy mihevitra fa tany ilay Ebera eto, ka nampahorina i Ebera rehefa nofehezin’ny Tandrefana ny firenena rehetra tany Mezopotamia (ireo firenena ‘teny ampita’), fa tsy ny Asyrianina fotsiny. Misy kosa mihevitra fa ny firenena hebreo no Ebera, ka nampahorina izy ireo rehefa nofehezin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus, indrindra fa i Antiokosa Epifana, taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra Lehibe. I Asyra raha ny marina no nadika hoe Asyria ao amin’ilay andininy. Toy izany koa fa ny Hebreo, fa tsy tany, no tiana holazaina amin’ny hoe “Ebera.”

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny fitenin’ny Jiosy (Jn 5:2; 19:13, 17, 20; As 21:40; 22:2; Ap 9:11; 16:16), sy ny fiteny niresahan’i Jesosy tamin’i Saoly avy any Tarsosy (As 26:14, 15), no lazain’ny Soratra Grika Kristianina hoe “hebreo.” Avahan’ny Asan’ny Apostoly 6:1 koa ny Jiosy miteny hebreo sy ny Jiosy miteny grika.​—Jereo GRESY, GRIKA (Helenista).

Nilaza i Paoly fa Hebreo izy sady Israelita, ary taranak’i Abrahama. (2Ko 11:22) “Hebreo” izy angamba noho ny firazanany (ampit. Fi 3:4, 5) sy ny fiteniny. “Israelita” koa izy noho izy anisan’ilay firenena nofidin’Andriamanitra hitondra ny anarany. (Ampit. Ro 9:3-5.) “Taranak’i Abrahama” koa izy satria anisan’ireo hahazo fitahiana noho ilay fifanekena tamin’i Abrahama.

Ny “Habiro.” Ahitana an’ilay teny akadianina (asyrianina-babylonianina) hoe habiro na hapiro ny soratra miendri-pantsika maromaro natao teo am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K. Tany amin’ny faritra atsimon’i Mezopotamia sy tany Azia Minora ary tany amin’ny faritr’i Harana sy Mari ireo Habiro. Tokony ho 60 amin’ny Takelaka Hita tao Amarna koa no miresaka momba ny “Habiro.” Nandefa fitarainana tany amin’i Faraon’i Ejipta nifehy azy ireo mantsy ny mpitondra kananita, satria nanafika ny tanànany ny mpitondra sasany niray dina tamin’ny “Habiro.”

Nisy mpamboly, mpikarama an’ady, mpandroba, andevo sy ny toy izany ireo “Habiro” tany Mezopotamia. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny Israelita nanafika an’i Kanana no Habiro. Tsy misy porofon’izany anefa. Hoy Ny Diksionera Vaovao Iraisam-pirenena Momba ny Arkeolojia sy ny Baiboly: “Hita tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo ireo takelaka tao Amarna izay nahitana voalohany ny teny hoe Habiro. Misy manam-pahaizana àry nilaza hoe ireo Habiro ireo no ʽibrim na ‘Hebreo’ resahin’ny Baiboly. Miverina inefatra amby telopolo ao amin’ny Test[amenta] T[aloha] ny teny hoe ‘Hebreo.’ Matetika no hafa firenena no mampiasa an’io teny io, na ampiasaina izy io mba hanavahana azy ireo amin’ny hafa firenena. ... Tsy eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana anefa ny hoe ny Hebreo no Habiro, noho ireto antony ireto: 1) Tsy hita izay ifandraisan’ny fitenin’izy ireo; 2) mety ho nilazana saranga ny hoe Habiro, fa ilazana firazanana kosa ny ʽibri; 3) tena samy hafa izy ireo, ary samy hafa ny toerana nisy azy sy ny zavatra nataony.”​—Nataon’i E. Blaiklock sy R. Harrison, 1983, p. 223, 224.

ʽApiro kosa no ilazan’ny soratra ejipsianina ny “Habiro.” Mpipai-bato sy mpiasa amin’ny famiazam-boaloboka ary mpitari-bato no asan’izy ireo. Tsy misy ifandraisany ilay teny ejipsianina hoe ʽapiro sy ilay teny hebreo hoe ʽIvri. Resahin’ireo soratra koa fa efa niala ela be tany Ejipta ny Hebreo, tamin’ny fotoana nipetrahan’ny “Habiro” tany.