Hebreo, II
Ny teny hebreo no nanoratana ny ampahany lehibe amin’ny Soratra Masina, izany hoe boky 39, araka ny fomba nizaran’ny Baiboly maro azy. Eo amin’ny telo ampahefatry ny Baiboly àry no natao tamin’ny teny hebreo, na dia nisy ampahany kely tamin’ny teny aramianina aza.—Jereo ARAMIANINA.
Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia tsy ny fiteny hebreo no tiana holazaina amin’ny hoe “hebreo”, fa olona na ny vahoakan’Israely. Voaresaka ao ihany anefa ny hoe “fitenin’ny Jiosy” (2Mp 18:26, 28), sy “fiteny jiosy” (Ne 13:24), ary “fitenin’i Kanana” (Is 19:18), izay samy ilazana ny teny hebreo nampiasaina tamin’izany fotoana izany (taonjato fahavalo T.K.). Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina kosa, dia manondro foana ny fitenin’ny Jiosy ny hoe “hebreo.”—Jereo HEBREO, I.
Ny niandohan’ny teny hebreo. Tsy voalazan’ny tantara ny niandohan’ny teny hebreo sy ny teny hafa taloha ela be, toy ny somerianina, akadianina (asyrianina-babylonianina), aramianina, ary ejipsianina. Toa efa nanana voambolana maro be mantsy ireo fiteny ireo, ao amin’ny soratra tranainy indrindra hitan’ny olombelona. (Jereo FITENY.) Manombantombana fotsiny àry ireo manam-pahaizana rehefa manazava ny niandohan’ny teny hebreo sy ny nivelaran’izy io. Eo, ohatra, ireo milaza fa avy tamin’ny teny aramianina na avy tamin’ny tenim-paritra kananita, hono, ny teny hebreo. Tombantombana toy izany koa ny fanandramana manazava ny niandohan’ny voambolana maro ao amin’ny Soratra Hebreo. Matetika ireo manam-pahaizana no milaza fa avy tamin’ny voambolana akadianina na aramianina ny voambolana maro ao. Hoy anefa ny Pr. Edward Horowitz: “Rehefa fakafakaina ny niavian’ny voambolana iray, dia hita fa samy hafa be ny hevitr’ireo manam-pahaizana, eny fa na dia ireo tena kalaza aza.” Manam-pahaizana malaza maro no nanazava ny niavian’ny voambolana hebreo sasany. Noraisin’i Horowitz tsirairay ny teny nohazavain’izy ireny ka nasehony fa tsy neken’ny manam-pahaizana malaza hafa ireny fanazavana ireny. Hoy i Horowitz, avy eo: “Tsy hitovy hevitra mihitsy àry izy ireo, na dia samy manam-pahaizana malaza aza.”—Ahoana no Niroboroboan’ny Fiteny Hebreo?, 1960, p. xix, xx.
Ny Baiboly ihany no boky ara-tantara manome porofo azo antoka momba ny niandohan’ilay fiteny fantatsika amin’ny hoe hebreo. Azo antoka fa ny fitenin’ireo Israelita taranak’i “Abrama Hebreo”, izay taranak’i Sema zanak’i Noa (Ge 14:13), izy io. (Ge 11:10-26) Hotahina i Sema, araka ny faminaniana nambaran’Andriamanitra (Ge 9:26), ka tsy tokony ho voakasika ny teny nampiasainy, rehefa nasafotofoton’Andriamanitra ny fitenin’ireo olona tsy nankasitrahany tao Babela. (Ge 11:5-9) Tsy niova ny teny nampiasain’i Sema fa mbola ilay “fiteny iray” efa hatramin’ny andron’i Adama ihany. (Ge 11:1) Midika izany fa ilay teny nantsoina hoe hebreo no fitenin’ny olombelona tany am-boalohany. Efa voalaza tetsy ambony fa tsy misy fiteny hafa voalazan’ny tantara hoe fiteny tany am-boalohany.
Tsy tena niova ny teny hebreo. Voaporofon’ny tantara fa maro ny teny niova rehefa ela ny ela. Lasa toy ny teny vahiny amin’ny olona maoderina ny tenin’ny olona taloha. Mety hisy àry hieritreritra hoe efa niova be ilay fiteny nampiasain’i Adama rehefa nanomboka nanoratra ny Soratra Hebreo i Mosesy. Azo antoka fa tsy izany anefa no nitranga, satria ela velona ny olona nandritra io 2 500 taona io, ka olona iray monja (Metosela) no nilaina mba hampita ny fitenin’i Adama tamin’ireo olona tsy maty tamin’ny Safodrano. Velona hatramin’ny andron’i Isaka koa i Sema, izay efa niara-belona tamin’i Metosela nandritra ny taona maro talohan’ny Safodrano. Tsy ampy 150 taona no nanelanelana ny nahafatesan’i Isaka (1738 T.K.) sy ny nahaterahan’i Mosesy (1593 T.K.). Olona maro àry no niara-belona nefa taranaka maro nifandimby no nanelanelana ny fotoana niainan’izy ireo. Niaro ny fitenin’izy ireo tsy hiova izany. Ela velona ny olona tamin’izany ka mbola nahita ny taranaka maro tatỳ aoriany, anisan’izany i Sema sy Abrahama. Matetika anefa no tsy fantatra hoe nifanakaiky ve ny toerana nonenan’izy ireny sa tsia. Tena ilaina mantsy ny mampiasa tsy tapaka an’ilay fiteny, raha tsy tiana hiova izy io.
Tsy ny taranak’i Sema rehetra no mbola nampiasa an’ilay “fiteny iray” tsy nisy fangarony nampiasain’ny olona talohan’ny Safodrano. Manaporofo izany ny fahasamihafan’ireo fiteny semitika, anisan’izany ny hebreo, aramianina, akadianina, ary ireo tenim-paritra arabo. Tamin’ny taonjato faha-18 T.K. (t. 1761), ohatra, dia efa nampiasa teny samy hafa i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, sy Labana, zafikelin’ny rahalahiny, rehefa nanome anarana an’ilay antontam-bato natsangan’izy ireo ho fahatsiarovana na vavolombelona. Niantso azy io hoe “Galeda” i Jakoba razamben’ny Israelita, fa nampiasa an’ilay teny aramianina hoe “Jegara-sahadota” kosa i Labana izay nonina tany Syria na Arama (na dia tsy taranak’i Arama aza). (Ge 31:47) Samy hafa ireo teny roa ireo, nefa tsy voatery hidika izany fa samy hafa be ny teny aramianina sy hebreo tamin’izany fotoana izany. Toa afaka niresaka tsara tamin’olona mantsy i Jakoba tany Syria. Nivoatra ny fiainana rehefa nandeha ny fotoana ary nisy asa tanana vaovao koa namboarin’ny olona, ka nisy voambolana noforonina mba hilazana azy ireny. Mety ho samy hafa arakaraka ny faritra nonenan’ny olona ireny voambolana ireny, na dia fiteny iray ihany aza no nampiasainy ary nitovy be ny firafitry ny fehezanteny amin’ny fiteniny.
Lasa nisy fahasamihafana kely ny fanononan’ny Israelita ny teny sasany. Hafa, ohatra, ny nanononan’ny Efraimita an’ilay teny hoe “Shiboleta”, tamin’ny andron’ny Mpitsara (1473-1117 T.K.). (Mpts 12:4-6) Izany anefa tsy midika hoe nampiasa tenim-paritra samihafa ny Israelita, na dia misy milaza izany aza.
Lasa samy hafa be ny teny hebreo sy aramianina, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., ka nanjary fiteny roa nahaleo tena. Hita izany rehefa niangavy an’ireo mpitondra tenin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria ny solontenan’i Hezekia Mpanjaka hoe: “Fiteny syrianina [izany hoe aramianina] re, azafady, no iteneno amin’ny mpanomponao, fa azonay ihany izany e! Aza manao fitenin’ny Jiosy aminay fa ren’ny olona etsy ambony manda.” (2Mp 18:17, 18, 26) Aramianina no fiteny niombonana tany Israely sy ny manodidina, ary fampiasa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’izany fotoana izany. Tsy azon’ny ankamaroan’ny Jodianina anefa izy io. Tokotokony ho tamin’izany fotoana izany koa no nanoratana an’ireo antontan-taratasy aramianina tranainy indrindra fantatra, ary hita tamin’ireo fa tsy nitovy ny aramianina sy ny hebreo.
Samy avy tamin’ilay “fiteny iray” tany am-boalohany ve ny hebreo sy ny aramianina, sa ny iray taminy mihitsy ilay fiteny tany am-boalohany? Tsy mamaly mivantana an’izany ny Baiboly, nefa hita ao ihany hoe ilay fiteny nampiasan’ilay lehilahy voalohany ihany no fiteny nanoratan’i Mosesy ny Soratra Masina.
Raha toa ny tantaran’olombelona ka natao an-tsoratra talohan’ny Safodrano, dia ho niaro an’ilay fiteny tany am-boalohany mba tsy hiova izany. Mbola tsy hiova koa anefa io fiteny io, na dia nampitampitaina am-bava fotsiny aza ilay tantara. Hita fa nitandrina mafy ny Jiosy, tatỳ aoriana, mba tsy hiova ny Soratra Masina. Midika izany fa nisy ezaka mafy natao koa talohan’ny andron’i Mosesy mba ho marina tsara ny fitantarana tany am-boalohany momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona.
Tsy niova ny teny hebreo nandritra ny arivo taona teo ho eo nanoratana ny Soratra Hebreo. Mbola porofo koa izany fa ny teny hebreo ampiasaina ao amin’ny Baiboly ihany no ilay “fiteny iray” nampiasaina talohan’ny nanorenana ny Tilikambon’i Babela. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena: “Anisan’ny tena mampiavaka ny teny hebreo ampiasaina ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] ny hoe tsy dia niova ny teny nampiasaina (fitsipi-pitenenana sy voambolana) tao amin’ireo boky efa taloha be sy ireo tatỳ aoriana be, na dia arivo taona mahery aza no nanoratana azy ireo.”—Nataon’i G. Bromiley, 1982, Boky Faha-2, p. 659.
Mbola misy zavatra tsy fantatra. Mbola misy zavatra tsy fantatra momba ny teny hebreo tranainy. Hoy ny Pr. Burton Goddard: “Ny fiteny hebreo ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] ihany no tsy maintsy manazava ny mombamomba an’io fiteny io, amin’ny ankapobeny.” (Ny Diksionera Ara-baiboly An-tsary, nataon’i M. Tenney, 1963, p. 345) Vitsy kely mantsy ireo asa soratra hafa tamin’ny teny hebreo nampiasaina tamin’izany. Mety hanampy mba hahazoana ny fomba fampiasa ny voambolana hebreo anefa izany. Anisan’ireny asa soratra ireny ny Kalandrien’i Gazera (lisitra tsotra mitanisa ny asa fambolena; noheverina ho tamin’ny taonjato fahafolo T.K.; SARY, Boky 1, p. 960); ireo vakin-tanimanga hita tany Samaria (fanafarana sy rosia tamin’ny nividianana divay sy menaka ary vary orza; heverin’ny maro ho tany am-piandohan’ny taonjato fahavalo T.K.); ny soratra any Siloama (hita ao amin’ny tionelin-drano any Jerosalema, ary inoana fa natao tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia Mpanjaka [745-717 T.K.]); ary ireo vakin-tanimanga hita tany Lakisy (angamba tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K.).
Nisy soratra fenisianina koa teo amin’ny vatam-paty vaton’i Ahirama Mpanjaka tany Byblos (Gebala). Mitovy be amin’ny hebreo ilay fiteny ary noheverina ho tany am-piandohan’ny arivo taona voalohany T.K. Nisy koa ilay atao hoe Vato Moabita, izay toa tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafolo na fiandohan’ny taonjato fahasivy T.K. Mitovy be amin’ny hebreo ny fiteny teo amin’ilay Vato Moabita, ary izany no tokony ho izy satria taranak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama ny Moabita.—Ge 19:30-37.
Kely monja anefa ny fanazavana eo amin’ireo soratra rehetra ireo, raha oharina amin’ny ao amin’ny Soratra Hebreo.
Marina fa ahitana loha hevitra sy voambolana maro ao amin’ny Soratra Hebreo, nefa tsy ny teny hebreo tranainy rehetra no hita ao. Ahitana voambolana sy firafitra fehezanteny mbola tsy hita mihitsy ao amin’ny Soratra Hebreo, ohatra, ao amin’ilay soratra any Siloama sy ireo vakin-tanimanga hita tany Lakisy, nefa tena firafitra fehezanteny hebreo izy ireny. Azo inoana fa tsy ireo fantatra ankehitriny ihany ny voambolana hebreo tranainy, satria mbola eo koa ireo “fototeny” sy teny an’arivony avy amin’ireny fototeny ireny.
Azo antoka fa nisy ampahany kely tamin’ny Baiboly nosoratana tamin’ny teny aramianina. Teny maro ao amin’ny Soratra Hebreo anefa no tsy fantatra hoe avy tamin’ny fiteny inona ny “fototeny” niaviany. Misy mpanao diksionera milaza fa maro amin’izy ireny no teny nindramin’ny Hebreo avy tamin’ny teny semitika hafa, toy ny aramianina, akadianina, na arabo. Tombantombana fotsiny anefa izany. Hoy i Edward Horowitz: “Teny nindramina efa ela be anefa izy ireny indraindray, ka tsy fantatry ny manam-pahaizana intsony hoe ny teny hebreo ve no nindrana teny, sa ny teny hafa no nindrana tamin’ny hebreo.” (Ahoana no Niroboroboan’ny Fiteny Hebreo?, p. 3, 5) Toa azo inoana anefa hoe teny hebreo mihitsy ireny teny tsy fanta-piaviana ireny. Porofo koa izy ireny fa mbola misy zavatra tsy fantatra ankehitriny ny momba an’io fiteny tranainy io.
Ireo asa soratra natao tamin’ny taonjato voalohany tany ho any no anisan’ny porofo hoe be voambolana ny teny hebreo tranainy. Teo, ohatra, ireo asa soratra tsy ara-baiboly anisan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Teo koa ny Mishnah, izay asa soratr’ireo raby tamin’ny teny hebreo ary manazava ny lovantsofina jiosy. Hoy ny Pr. Meyer Waxman, ao amin’ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky Faha-14, p. 57a): “Tsy ny voambolana hebreo rehetra no ao amin’ny Baiboly hebreo. Mampiasa voambolana hebreo an-jatony tsy hita ao amin’ny Baiboly mantsy ny Mishnah.” Marina fa mety ho voambolana vaovao na noforonina tatỳ aoriana ny sasany, nefa maro amin’izy ireny no voambolana fampiasa tamin’ny fotoana nanoratana ny Soratra Hebreo.
Oviana no nanomboka nihalefy ny teny hebreo? Maro no mihevitra fa nanjary nampiasa teny aramianina ny Jiosy, tamin’izy ireo natao sesitany tany Babylona. Tsy tena voaporofo anefa izany. Hita ankehitriny fa mbola afaka mampiasa ny fitenin-drazany ny firenena voazanaka sy ny mpifindra monina, ary matetika no mbola mampiasa ny fiteniny na dia 70 taona mahery atỳ aoriana aza. Efa nampanantena Andriamanitra fa hiverina an-tanindrazana ny Jiosy, ka azo inoana fa tsy tian’izy ireo ny hoe hamela ny teny hebreo ka hampiasa ny teny akadianina (asyrianina-babylonianina) na aramianina, izay fiteny niombonana tamin’izany. Marina fa misy teny sy andalan-teny aramianina ao amin’ireo boky nosoratana tany an-tsesitany sy taorian’ny sesitany, toy ny Daniela sy Ezra ary Estera. Ara-dalàna anefa izany, satria ahitana taratasy
sy tantaran’ny zava-nitranga tany amin’ny tany miteny aramianina ireo boky ireo, sady miresaka momba ny olona nozanahin’ny fanjakana nampiasa ny teny aramianina ho fiteny iraisam-pirenena.Milaza ny Nehemia 8:8 fa rehefa namaky ny Lalàna ny Levita, dia “nanazava ny heviny”, ary “nataon’izy ireo azon’ny olona tsara” izany. Misy àry milaza fa tsy tena azon’ny olona avy tany an-tsesitany ny teny hebreo, ka voatery nohazavaina tamin’ny teny aramianina ny zavatra sasany. Na marina izany na tsia, dia ny fanazavana ny hevitry ny Lalàna sy ny fomba nampiharana azy io no tena asongadin’io andinin-teny io.—Ampit. Mt 13:14, 51, 52; Lk 24:27; As 8:30, 31.
Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy niteny hebreo intsony ny olona, teo amin’ny fiainany andavanandro. Ekena fa nitantara i Nehemia hoe nisy Jiosy nanambady vehivavy asdodita sy amonita ary moabita, ka “tsy nisy nahay fiteny jiosy” ny zanak’izy ireo. Nilaza izany anefa izy noho izy tezitra tamin’ireo Jiosy nanambady vehivavy tsy israelita. Midika izany fa tena tsy nahafaly azy izany fanaovana tsinontsinona ny teny hebreo izany. (Ne 13:23-27) Tsy mahagaga izany satria noraisina ho zava-dehibe ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra, ary saika tamin’ny teny hebreo daholo izy io tamin’izany fotoana izany.
Tsy resahina firy ao amin’ny Baiboly ny zava-nitranga hatramin’ny nahavitan’ny Soratra Hebreo (azo inoana fa tamin’ny andron’i Ezra sy Malakia; taonjato fahadimy T.K.) ka hatramin’ny nanombohan’ny andro kristianina. Vitsy koa ny boky tsy ara-baiboly miresaka momba izany. Na ireo aza anefa tsy ahitana taratra hoe nialan’ny Jiosy ny teny hebreo, fa naleony nampiasa teny aramianina. Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny boky tsy anisan’ny Baiboly, toy ny Jodita, Eklesiastika, Baroka, ary Makabeo Voalohany. Maro no mihevitra hoe nosoratana nandritra ireo taonjato telo farany talohan’i Kristy izy ireo. Efa voalaza fa tamin’ny teny hebreo ny asa soratra sasany tsy ara-baiboly anisan’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ary amin’ny teny hebreo koa ny Mishnah jiosy, izay natao teo am-piandohan’ny andro kristianina.
Noho izany sy noho ny antony hafa, dia nilaza ny Pr. William Chomsky fa tsy mitombina mihitsy ny filazan’ny manam-pahaizana sasany (jiosy sy tsy jiosy) hoe nisolo tanteraka ny teny hebreo ny teny aramianina. Azo inoana kosa fa nanjary nampiasa fiteny roa ny Jiosy, nefa ny hebreo no tena nampiasainy sy tiany kokoa. Hoy i Chomsky momba ny teny hebreo ao amin’ny Mishnah: “Hita mihitsy hoe fiteny fampiasan’ny tantsaha sy ny mpivarotra ary ny mpanao asa tanana ilay izy. ... Asehon’ny porofo eo am-pelatanana fa toa ara-dalàna ny hiheverana hoe nahay fiteny roa [hebreo sy aramianina] ny Jiosy hatramin’ny niverenany avy tany Babylona ka hatramin’ny nandravana ny tempoly tamin’ny taona 70. ... Indraindray izy ireo niteny hebreo, indraindray niteny aramianina.”—Fiteny Hebreo Tsy Mety Lefy, 1969, p. 207, 210.
Miresaka momba ny teny hebreo ny Soratra Grika Kristianina, ary io no porofo mavesa-danja indrindra hoe mbola nampiasaina io fiteny io tamin’ny taonjato voalohany. (Jn 5:2; 19:13, 17, 20; 20:16; Ap 9:11; 16:16) Manam-pahaizana maro anefa no manizingizina fa tokony horaisina hoe “aramianina” ilay hoe “hebreo” ao amin’ireo andinin-teny ireo. Tena ny teny hebreo anefa no resahina ao, araka ny hazavain’ny lahatsoratra hoe ARAMIANINA. Toa sarotra inoana koa hoe ny teny aramianina na syrianina no tian’i Lioka holazaina rehefa nitantara izy hoe niteny tamin’ny mponin’i Jerosalema “tamin’ny teny hebreo” i Paoly. (As 21:40; 22:2; ampit. 26:14.) Fiteny roa samy hafa ny aramianina (syrianina) sy ny “fitenin’ny Jiosy”, ao amin’ny Soratra Hebreo. (2Mp 18:26) Niresaka momba an’io andininy io koa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, ka nilaza fa fiteny samy hafa ny “aramianina” sy ny “hebreo.” (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 8 [i, 2]) Tsy misy antony àry tokony hilazan’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina hoe “hebreo”, raha aramianina na syrianina no tiany holazaina.
Be mpampiasa eran’i Palestina tokoa ny teny aramianina, tamin’ny taonjato voalohany. Manaporofo izany ny fampiasana ny teny aramianina hoe “Bar” (zanakalahy) fa tsy ny teny hebreo hoe “Ben” ao amin’ny anarana maromaro, toy ny Bartolomeo sy Simona Bar-jona. Nisy koa Jiosy nanana anarana grika, toa an’i Andrea sy Filipo, nefa tsy midika izany hoe grika no fitenin’izy ireo. Anarana latinina koa ny hoe Marka, nefa tsy hoe latinina no fitenin’ny fianakavian’i Marka. Azo inoana fa fiteny efatra no nampiasaina tany Palestina tamin’ny taonjato voalohany. Resahin’ny Baiboly ny telo aminy, izay hita teo amin’ilay soratra teo ambony lohan’i Jesosy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana (hebreo, latinina, ary grika [Jn 19:19, 20]). Ny aramianina kosa no fahefatra. Ny latinina no tsy be mpampiasa indrindra.
Mety ho niteny aramianina i Jesosy indraindray, ohatra hoe tamin’izy niresaka tamin’ilay vehivavy syrianina-fenisianina. (Mr 7:24-30) Misy mihevitra fa avy tamin’ny teny aramianina ny tenin’i Jesosy sasany. Mila mitandrina anefa, satria tsy azo antoka izany. Nilaza, ohatra, i Jesosy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?” (Mt 27:46; Mr 15:34) Maro no mihevitra hoe teny aramianina izy io, angamba tenim-paritra galilianina. Hoy anefa Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny: “Samy manana ny heviny ny olona momba ny fiteny niavian’io tenin’i Jesosy io, ary toy izany koa ny hoe fiteny hebreo sa aramianina no fampiasan’i Jesosy. ... Misy asa soratra milaza fa mety ho nampiasa fiteny hebreo nifangaro kely aramianina ny olona tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany.” (Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 86) Raha ny marina, dia nadika tamin’ny litera grika io tenin’i Jesosy io, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka, ka tsy fantatra marina hoe avy tamin’ny fiteny inona izy io.
Nosoratan’i Matio tamin’ny teny hebreo ny filazantsarany tamin’ny voalohany, ary porofo koa izany fa mbola nampiasaina tamin’ny andron’ny apostoly ny teny hebreo.
Toa taorian’ny taona 70 àry no tena nanomboka nihalefy ny teny hebreo, rehefa rava i Jerosalema sy ny tempoliny ka niparitaka ny mponina sisa tao. Mbola nampiasa teny hebreo foana anefa ny Jiosy tany amin’ireo synagoga, na taiza na taiza nielezany. Nanomboka tamin’ny taonjato fahenina teo ho eo, dia niezaka mafy ireo manam-pahaizana jiosy atao hoe Masoreta mba tsy hisy hiova ny teny hebreo ampiasaina ao amin’ny Soratra Masina. Liana indray tamin’ny teny hebreo tranainy ny olona nanomboka tamin’ny taonjato faha-16. Maro koa no nandalina an’ireo teny semitika hafa, nanomboka tamin’ny taonjato faha-17. Nanjary nazava kokoa ny hevitr’io fiteny tranainy io, ka lasa marina kokoa ny fomba nandikana ny Soratra Hebreo.
Abidy sy litera hebreo. Renisoratra 22 no tao amin’ny abidy hebreo. Nisy roa samy hafa ny fomba namakiana ny litera sasany, ka nahatratra 28 teo ho eo ny renifeo. Ny mpamaky ihany no nanampy zanatsoratra, ka ny teny manodidina no nahalalany izay zanatsoratra tokony hotononiny. Ny mpamaky malagasy, ohatra, no manisy zanatsoratra amin’ny hoe “fkt” (fokontany) sy ny hoe “sns” (sy ny sisa). Tena nahay namaky ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo ny olona sasany nampianatra ny vahoaka, ka misy mihevitra fa izy ireo no nanao izay tsy hahavery ny fanononana ny Soratra Hebreo, sy nampita izany tamin’ny taranaka nanaraka. Nanomboka tamin’ny taona 500 tany ho any ny Masoreta no namorona fomba vaovao nisy teboka sy tsipika kely. Antsoina hoe teboka solon’ny zanatsoratra izy ireny, ary natao teo amin’ny teny tsy nisy afa-tsy renisoratra. Nasiana mari-tsindrimpeo koa ireny teny ireny mba hahalalana hoe iza no vaninteny mila tsindriana, aiza no miato kely, aiza no misy teny na fehezan-kevitra mifampitohy, ary aiza no misy naotina mozika.
Nosoratana tamin’ny litera tranainy ny soratra hebreo tranainy indrindra fantatra. Hafa be ny bikany fa tsy miendrika efamira toy ny litera hebreo tatỳ aoriana, anisan’izany ireo hita tamin’ireo taonjato voalohandohany tamin’ny andro kristianina. Matetika no antsoina hoe “aramianina” na “asyrianina” ny litera miendrika efamira. Misy mihevitra fa nandritra ny sesitany tany Babylona no naka endrika efamira ny litera hebreo, fa tsy ilay endriny tranainy intsony. Hoy anefa i Ernst Würthwein: “Natao teo anilan’ny litera miendrika efamira ny litera hebreo tranainy, nandritra ny fotoana ela. Nisy litera hebreo tranainy ny vola madinika tamin’ny fotoana nikomian’i Bar Kokhba (taona 132-135). Nosoratana tamin’ny litera hebreo tranainy ny soratra sasany hita tao amin’ireo lava-baton’ny Ranomasina Maty.”—Ny Soratra ao Amin’ny Testamenta Taloha, 1979, p. 5.
Nilaza i Origène, Kristianina mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo, fa nosoratana tamin’ny litera hebreo tranainy ny anarana masin’i Jehovah (Litera Efatra), tao amin’ireo dikan-teny marina kokoa amin’ny Soratra Hebreo izay nadika tamin’ny teny grika. Manaporofo izany ny soratra hita tao amin’ireo sombina horonam-boky hoditra, izay natao tamin’ny taonjato voalohany. Ireo boky nosoratan’ireo mpaminany lazaina fa madinika no tao amin’ireo horonam-boky ireo, ary tamin’ny teny grika. Nosoratana tamin’ny litera hebreo tranainy ny Litera Efatra tao amin’ireo horonam-boky ireo. (Jereo Fanazavana Fanampiny [TV], p. 1855-1856, No. 2-4.) Ahitana ny anaran’Andriamanitra voasoratra amin’ny litera hebreo tranainy koa ny sombin’ny fandikan-teny grika nataon’i Aquila tamin’ny faramparan’ny taonjato fahadimy na voalohandohan’ny taonjato fahenina.—Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1856, No 7, 8.
Hoy ny Pr. Horowitz: “Ny abidy hebreo tranainy no nalain’ny Grika ary nampitainy tamin’ny Latinina. Ny abidy hebreo tranainy no mitovy be amin’ny abidy grika.”—Ahoana no Niroboroboan’ny Fiteny Hebreo?, p. 18.
Ny mampiavaka azy. Mahalaza tsara ny fihetseham-po sy ny hevitra tiana hambara ny teny hebreo, ary toy ny hitan’ny maso mihitsy ny zavatra lazaina. Fohy ny fehezanteny ary tsotra ny teny mpampitohy, ka mifampitohy sy mirindra ny hevitra. Izany koa no mampiavaka ny tononkalo hebreo, izay misy hevitra mifanitsy sy mifandraika. Tena mahalaza ny fihetseham-po ny tononkalo hebreo, ary tena mampihetsi-po.
Misy teny an’ohatra be dia be ny teny hebreo. Midika ara-bakiteny hoe “molotry ny ranomasina”, ohatra, ny teny hebreo hoe “amoron-dranomasina” ao amin’ny Genesisy 22:17. Fahita koa ny hoe “tarehin’ny tany”, “lohan’ny” tendrombohitra, “vavan’ny lava-bato”, sy ny toy izany. Hita eo fa toy ny hoe olona no ilazan’ny teny hebreo ny zavatra sasany. Tsy midika anefa izany hoe nivavaka tamin’ny natiora ny Hebreo. Lazain’ny Soratra Masina ho tena maharikoriko mantsy ny olona mivavaka amin’ny hazo sy zavatra hafa.—Ampit. Is 44:14-17; Je 10:3-8; Ha 2:19.
Milaza zavatra hita maso ny voambolana hebreo, izany hoe milaza zavatra tazan’ny maso, na ren’ny sofina, na kasihin’ny tanana, na andraman’ny lela, na ren’ny orona. Mahatonga ny mpihaino na ny mpamaky hahita sary an-tsaina an’izay zavatra resahina àry izy io. Noho izany, dia misy manam-pahaizana milaza fa tsy manana voambolana ilazana zavatra tsy hita maso ny teny hebreo. Tena manana anefa izy io, raha ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly no jerena. Ireto misy ohatra: Ny anarana hoe mahashavah (avy amin’ny fototeny hoe hashav [“mieritreritra”]) dia adika hoe “eritreritra, fikasana, tetika”, izay samy milaza zavatra tsy hita maso. Batah (matoanteny midika hoe “matoky”) no niavian’ny anarana hoe betah (tsy fananana ahiahy). Matetika no teny milaza zavatra hita maso no ilazana zavatra tsy hita maso. Midika hoe “mavesatra”, ohatra, ny matoanteny fototeny hoe kaved (toy ilay ao amin’ny Ge 18:20). Io matoanteny io ihany no nadika hoe ‘voninahitra’ (a.b.t.: manjary mavesatra) ao amin’ny Ezekiela 27:25. Io fototeny io ihany no niavian’ny anarana hoe kaved, izay manondro ny aty (anisan’ny taova mavesatra), sy niavian’ny anarana hoe kavôhd, midika hoe ‘voninahitra.’ (Le 3:4; Is 66:12) Ohatra iray hafa koa ny hoe yad, izay midika hoe ‘tanana’, nefa koa midika hoe ‘alalana’ na ‘fiandraiketana’ (Ge 3:22; Ek 35:29; 38:21). Eo koa ny ʼaf izay midika hoe ‘orona’ sy ‘fahatezerana’ (Ge 24:47; 27:45), ary ny zerôhaʽ (“sandry”), izay midika koa hoe ‘hery’ (zavatra tsy hita maso) (Jb 22:8, 9).
Milaza zavatra hita maso ny voambolana hebreo, ka izany no mahatonga ny Soratra Hebreo ho sarotra adika amin’ny fiteny hafa. Rehefa adika ara-bakiteny ny teny hebreo, dia matetika no hafa mihitsy ny dikany amin’ny fiteny hafa. Tsy mitovy koa ny fitsipi-pitenenana dia sarotra ny mamoaka ny dikan’ny teny hebreo. Sarotra koa ny mamoaka ny filazana hevitra sy ny fanamafisan-kevitra amin’ny teny hebreo, indrindra raha matoanteny ilay izy.
Mampiavaka ny teny hebreo ny fehezanteny fohy sy mivantana. Ny firafitry ny fehezanteny mihitsy no mahatonga izany. Teny semitika akaiky indrindran’ny hebreo ny aramianina, saingy mavesatra sy miolakolaka ny fehezanteny, ary mila teny maro hamoahana hevitra. Toy ny hitan’ny maso, sy azo alaina sary an-tsaina, ary manaitra fihetseham-po kosa ny matoanteny hebreo, ka matetika no mila manampy teny kely ny mpandika teny mba hivoaka tsara ny hevitra fonosin’izy ireny. Marina fa lasa lava ny fehezanteny, nefa mivoaka kokoa ny hakanton’ny soratra hebreo ary marina tsara ny fandikan-teny.
Tononkalo hebreo. Noho ireo lafiny mampiavaka ny teny hebreo ireo, anisan’izany ireo sarin-teny avy amin’ny fiainana andavanandro, dia tena mety tsara hanaovana tononkalo izy io. Andalana maro amin’ny tononkalo hebreo no tsy misy afa-tsy teny roa na telo, ka tafalatsaka lalina any am-po ny heviny. Nanazava izany ny Pr. James Muilenburg, anisan’ireo nandika ny Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina. Hoy izy: “Fohy nefa mafonja ny fehezanteny [ao amin’ny tononkalo hebreo], ary asongadina be ireo teny manan-danja. Teny hebreo 55 monja no ao amin’ny Salamo 23, nefa avo roa heny noho izany ny ao amin’ny dikan-teny maoderina. Mbola hita taratra ihany hoe fohy ny fehezanteny hebreo, na dia nadika tamin’ny fiteny hafa aza. ... Voaravaka hain-teny ny tononkalo hebreo. ... Toy ny hita maso sy re ary tsapa mihitsy ny asa soratry ny poety. Toy ny hoe miaina an’ilay tononkalo mihitsy ny mpamaky ... Sarin-teny mifandray amin’ny fiainana andavanandro no anehoan’ny poety ny aingam-panahiny.”—Sasin-tenin’ny Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina, Testamenta Taloha, 1952, p. 63, 64.
Mba hanampiana anao hahita hoe fohy ny fehezanteny ao amin’ny tononkalo hebreo, dia diniho ny Salamo 23:1, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nasiana tsipika (/) manasaraka ireo teny malagasy nandikana ny teny hebreo tsirairay:
I Jehovah/ [no] Mpiandry ahy./
Tsy ho ory [aho]/ na inona na inona./
Teny malagasy telo ambin’ny folo àry no ilaina handikana teny hebreo efatra. Nampiana hoe “no” ny teny malagasy mba hisy dikany, fa tsy mila an’io kosa ny teny hebreo.
Fifanitsiana fahita matetika. Lafiny lehibe iray mampiavaka ny tononkalo hebreo ny fampiasana hevitra mifanitsy. Tsy atao miady rima toy ny tononkalo malagasy izy io, fa ny hevitra kosa no mifandraika sy mirindra. Diniho ireto andalana roa ao amin’ny Salamo 24:1 ireto:
An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,
Eny, ny tany lonaka sy izay monina eo aminy.
Misy hevitra mifanitsy eo, izany hoe mitovy hevitra. Mamerina ampahany amin’ny andalana voalohany ny andalana faharoa, saingy amin’ny teny hafa fotsiny. Ilay hoe “An’i Jehovah” no iraisan’ireo andalana roa ireo. Mitovy hevitra kosa ny hoe “tany” sy ny hoe “tany lonaka.” Toy izany koa ny hoe “izay rehetra eo aminy” sy ny hoe “izay monina eo aminy.”
Manam-pahaizana maro ankehitriny no milaza fa mbola misy an’ireto roa ireto ny karazana hevitra mifanitsy:
Hevitra mifanohitra: Milaza hevitra mifanohitra ny andalana tsirairay. Diniho, ohatra, ny Salamo 37:9:
Ny mpanao ratsy horinganina,
Fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.
Hevitra mifameno: Mety hilaza hevitra mitovy na mifanohitra ny tapany voalohany sy ny faharoa, nefa sady mbola manazava bebe kokoa sy mampiditra hevitra vaovao. Ahitana izany nyTonga lafatra ny lalàn’i Jehovah
sady mamelombelona.
Azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah,
mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.
Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah,
mahafaly ny fo.
Madio ny didin’i Jehovah,
mampahiratra ny maso.
Madio ny fahatahorana an’i Jehovah,
maharitra mandrakizay.
Marina ny didim-pitsaran’i Jehovah,
ara-drariny avokoa.
Mariho fa ny tapany faharoa amin’ny fehezanteny tsirairay no mameno ny hevitra. Milaza hevitra mifameno àry ilay fehezanteny manontolo. Ilay tapany faharoa (“mamelombelona” sy “mampahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiainana”) no milaza amin’ny mpamaky hoe nahoana no ‘tonga lafatra ny lalàna’ ary “azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah.” Hita amin’izany fa mizara roa ny fehezanteny tsirairay mba hiavahan’ireo hevitra mifameno. Voatazona foana àry ny firafitry ny fehezanteny sy ny endrika isehoany, na dia miampy tsikelikely aza ny hevitra. Izany no antony niantsoana azy io indraindray hoe fifanitsiana ara-drafitra.
Fifanitsiana karazany hafa. Misy milaza fa mbola misy fifanitsiana karazany hafa. Toa tsy karazany hafa anefa izy ireny, fa endriny hafa fotsiny na fifangaroan’ireo fifanitsiana telo teo aloha. Ireto avy izany:
Fifanitsiana misy hevitra an’ohatra na fampitahana: Mampiasa fampitoviana na fanoharana izy io. Diniho ny Salamo 103:12:
Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,
No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.
Fifanitsiana manao ambaratonga: Ny hevitra ao amin’ny andalana voalohany no averina na velabelarin’ny andalana faharoa na fahatelo na mihoatra an’izay. Ahitana izany ny Salamo 29:1, 2:
Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry zanaky ny mahery ô!
Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.
Ekeo fa be voninahitra ny anaran’i Jehovah.
Fifanitsiana misy hevitra mifamaly: Sarotra kokoa io fifanitsiana io ary mety hahafaoka andininy maromaro. Diniho ny Salamo 135:15-18:
1) Volafotsy sy volamena ny sampin’ireo firenena
2) Sady asa tanan’olombelona.
3) Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny.
4) Mana-maso, fa tsy mahita.
5) Manan-tsofina, fa tsy mandre,
6) Ary tsy misy fofonaina eo am-bavany.
7) Ho sahala amin’ireny ny olona manao azy
8) Sy izay rehetra matoky azy.
Manazava an’io fifanitsiana io i W. Trail ao amin’ny boky iray nosoratany. Hoy izy: “Ny andalana voalohany (ny sary ivavahan’ireo mpanompo sampy) no mifamaly amin’ny andalana fahavalo (ny olona matoky an’ireny sampy ireny). Ny andalana faharoa (ny asa tanan’olombelona) no mifamaly amin’ny andalana fahafito (ny olona manao azy ireny). Ny andalana fahatelo (manam-bava fa tsy miteny) no mifamaly amin’ny andalana fahenina (tsy misy fofonaina eo am-bavany). Ny andalana fahefatra (mana-maso fa tsy mahita) no mifamaly amin’ny andalana fahadimy (manan-tsofina fa tsy mandre), ary azo lazaina hoe fifanitsiana mifameno ny tapany voalohany sy faharoa ao amin’ireo andalana ireo.”
Misy fifanitsiana mitovitovy amin’io saingy tsotra kokoa, ary mifamadika ny teny ao amin’ny Isaia 11:13b:
andalana mifanarakaraka, toy ny ao amin’nyI Efraima tsy hialona an’i Joda,
ary i Joda tsy hankahala an’i Efraima.
Fitsipi-pitenenana
I. Matoanteny. Ny matoanteny no manan-danja indrindra ao amin’ny fehezanteny hebreo. Ny endrika matoanteny tsotra indrindra dia ny matoanteny milaza asa efa vita, ka lehilahy tokana no manao ilay asa. Io no endriny fampiasan’ny diksionera. Misy renisoratra telo ny matoanteny toy izany, ary matetika no fototeny. Misy renisoratra telo matetika ny fototeny amin’ny teny semitika. Ny fototeny toy ireny no niavian’ny ankamaroan’ny voambolana hafa rehetra.
Ny matoanteny fototeny no endrika matoanteny tsotra indrindra. Matetika izy io no antsoina hoe “matoanteny fototra.” Mbola misy endriny enina avy amin’io matoanteny fototra io, rehefa ampiana tovona, na averina indroa ny litera sasany, na ovana ny zanatsoratra sasany. Misy endriny fito àry ny matoanteny hebreo, ary ireo no ahafantarana raha matoanteny tsotra fotsiny ilay izy, na matoanteny manamafy hevitra, na matoantenin’ny mpampanao.
Ampiana tovona sy tovana ny matoanteny rehefa tiana haseho hoe iza ary firy no manao ilay asa, lahy sa vavy.
Toetoetry ny matoanteny. Milaza ny fotoana ny matoanteny, amin’ny teny malagasy: Ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy. Tsy ny fotoana kosa no zava-dehibe amin’ny teny hebreo, fa ny fiheverana an’ilay asa hoe efa vita sa mbola tsy vita.
Milaza asa efa vita, ohatra, ny matoanteny ao amin’ny Genesisy 1:1. Izao no voalaza ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Efa vita io asa io, satria efa vitan’Andriamanitra ny famoronana ny lanitra sy ny tany.
Milaza asa mbola tsy vita fa mitohy kosa ny Genesisy 2:2b hoe: “Nanomboka nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.” Hita eo fa “nanomboka” nitsahatra izy tamin’izay, ary mbola tsy nifarana ilay fitsaharana, izany hoe mbola tsy vita.
Matetika àry no manondro ny lasa ny matoanteny hebreo milaza asa efa vita. Midika hoe ‘nanoratra [izy]’ ny hoe katav (matoantenin’ny mpanao, milaza asa efa vita), ary izany koa no nandikana azy io matetika. (2Mp 10:1; 2Ta 30:1; 32:17; Ezr 4:7) Milaza asa efa vita tamin’ny lasa koa ny hoe ‘nosoratana’ na dia tsy matoantenin’ny mpanao aza. (2Ta 26:22; Es 9:23; Je 36:27) Ampiasaina koa ny matoanteny milaza asa efa vita, rehefa tiana haseho fa tsy maintsy ho tanteraka ilay izy. Ampiasaina ao amin’ny Nomery 5:23, ohatra, ilay matoanteny hoe ‘hosoratana’ mba hilazana fa tsy maintsy ho tanteraka izany. Matoanteny milaza asa efa vita anefa izy io, amin’ny teny hebreo.Tsy manondro ny fotoana itrangan’ilay asa àry raha ilay matoanteny hebreo fotsiny. Mety hanondro ny lasa, na ny ankehitriny, na ny hoavy ny matoanteny hebreo milaza asa efa vita. Mety hanondro ny lasa, na ny ankehitriny, na ny hoavy koa ny matoanteny hebreo milaza asa mbola tsy vita, fa heverina foana hoe mbola mitohy.
Azon’ny Hebreo hoe inona no fotoana tondroin’ny matoanteny (ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy), saingy tsy izay no zava-dehibe indrindra amin’ny fitenin’izy ireo. Hoy i K. Yates ao amin’ny boky iray manazava momba ny teny hebreo: “Tsy mitovy fijery momba ny fotoana ny olona mampiasa teny semitika sy ny olona mampiasa ny ankamaroan’ny fiteny maoderina. Tsy tena zava-dehibe amin’ny fomba fisainan’ny Hebreo ny mamantatra ny fotoana nanaovana zavatra iray. Ny fitenin’ny olona tany Inde sy Eoropa fahiny no mila milaza ny fotoana nanaovana zavatra iray sy manasongadina be an’izany. Ampy ho an’ny olona mampiasa teny semitika kosa ny mahalala hoe vita sa mbola mitohy ny zavatra iray. Rehefa tsy mazava izany vao nanisy teny milaza ny fotoana nanaovana na nitrangan’ny zavatra iray izy, ka ireny teny ireny no manasongadina ny fotoana.” (Nohavaozin’i J. Owens, 1954, p. 129) Toa te hilaza ny Baiboly hoe ny hebreo no fiteny voalohany nampiasaina tany Edena. Tsy manasongadina ny fotoana nanaovana ny zavatra iray anefa ny matoanteny hebreo, ka mety hidika izany fa tsy nifantoka tamin’ny resaka fotoana i Adama, tamin’izy mbola lavorary sy afaka niaina mandrakizay. Mbola tsy nihena ho 70 na 80 taona ny androm-piainan’ny olona tamin’izany. Fanomezana avy tamin’i Jehovah ny teny hebreo, ary tena azon’Andriamanitra sy ny olona nifampiresahana tsara izy io, ary afaka nifampiresaka tsara tamin’izy io koa ny olona samy olona.
Ny teny manodidina no ahalalana ny fotoana nanaovana zavatra iray, ao amin’ny dikan-teny malagasy, satria hita ao raha tamin’ny lasa na ankehitriny na amin’ny hoavy no anaovana ilay izy.
II. Anarana. Efa voalaza tany aloha fa saika avy tamin’ny matoanteny fototeny daholo ny voambolana hafa rehetra, anisan’izany ny anarana. Hita miavaka eo amin’ny fomba fanoratra an’ilay anarana sy ny dikan’izy io ilay fototeny.
Hita amin’ny anarana hebreo raha lahy na vavy no tiana holazaina. Mifarana amin’ny ah (mr.: ôht) matetika ny anarana milaza vavy, ohatra hoe ʼish·shah (vehivavy [tkn.]), ary sosôht (soavalivavy [mr.]).
Milaza maro na milaza tokana na milaza roa ny anarana hebreo. Misy tovana ayim ny anarana
milaza roa, ary matetika no ampiasaina amin-javatra mandeha tsiroaroa toy ny tanana (yadayim) sy ny sofina (ʼôznayim).Mety hitambatra amin’ny anarana koa ny mpisolo tena. Sos, ohatra, ny soavaly, fa sosi kosa ny hoe “soavaliko”, ary soseyka ny “soavalinao.”
III. Mpamari-toetra. Avy tamin’ny matoanteny fototeny koa ny mpamari-toetra. Ny matoanteny hoe gadal (mihalehibe, misandratra) àry no fototeny niavian’ny mpamari-toetra hoe gadôhl (lehibe). (Ha [ny, ilay] no mpanoritra voafaritra amin’ny teny hebreo, fa tsy misy kosa ny mpanoritra tsy voafaritra.)
Misy fomba roa ampiasana ny mpamari-toetra:
1) Mety hisy matoanteny milaza toetoetran-javatra ampiarahina aminy. Eo alohan’ny anarana no misy azy io matetika, ary miovaova endrika izy io, arakaraka ny hoe milaza lahy sa vavy ilay anarana, ary milaza maro sa tokana. Adika hoe “ny feo dia tsara” ny hoe tôhv hakkôhl (a.b.t.: tsara ny feo). Teny nampidirina ny hoe “dia.”
2) Mety hampiasaina mba hilazana toetoetran-javatra izy io. Eo aorian’ny anarana no misy azy, ary miovaova endrika izy io, arakaraka ny hoe milaza lahy sa vavy ilay anarana, ary milaza maro sa tokana, na koa misy mpanoritra na tsy misy. Midika hoe “ny feo tsara” àry ny hoe hakkôhl hattôhv (a.b.t.: ny feo ny tsara).
Fandikana litera. Soloana litera malagasy mifanitsy aminy ny litera hebreo. Avy any ankavanana mankany ankavia no fanoratra ny hebreo, fa avy any ankavia mankany ankavanana kosa ny fandikana litera mba ho azon’ny Malagasy vakina. Hanazava ny fitsipika narahina tamin’izany ilay tabilao momba ny litera hebreo sy ny fanazavana eto ambany.
Ny renisoratra. Misy renisoratra dimy miova endrika rehefa izy no litera mamarana teny iray. Manana feo malefaka na mafy koa ny renisoratra sasany (ב, ג, ד, פ כ, ת). Misy teboka eo afovoan’ilay litera rehefa mafy ny feony (בּ, גּ, דּ, כּ, פּ, תּ). Midika koa ilay teboka eo afovoany hoe tokony haverina indroa ilay renisoratra misy azy, raha zanatsoratra no eo alohany. Adika hoe gabbai, ohatra, ny hoe גַּבַּי. Averina indroa koa ny ankamaroan’ny litera hafa rehefa misy teboka eo afovoany (zz, ohatra, ny זּ), na dia iray ihany aza ny feony. Ny litera he (ה) ihany no tsy averina indroa mihitsy, na dia misy teboka aza indraindray eo afovoany (הּ) rehefa mamarana teny izy.
Azo ampiasaina ho toy ny zanatsoratra ny renisoratra vao sy yôda. Misy an’ilay zanatsoratra hoe hôlema (·) eo ambonin’ny vao (ו) amin’izay, ka lasa hôlema feno (וֹ), izay adika hoe ô ato amin’ity boky ity. Ny hoe וּ no nadika hoe o, ary vaninteny
mahaleo tena foana izy io eo am-piandohan’ny teny iray. Tokony haverina indroa kosa ilay vao, raha misy teboka solon’ny zanatsoratra eo ambanin’io litera io (וַּ). Adika hoe bavvai, ohatra, ny בַּוַּי, fa boz kosa ny בּוּז.Rehefa kafa ny litera mamarana teny iray, dia eo afovoany ny sheoa ( ְ) na ny kametsa ( ָ), fa tsy eo ambanin’ilay litera ךָ ,ךְ.
Ny zanatsoratra. Eo ambanin’ny efajoro kely daholo ny zanatsoratra ao amin’ny tabilao, afa-tsy ny hôlema (·) izay eo amboniny, sy ny shoreka ( ִ) izay eo afovoan’ny vao, araka ny voalaza tetsy aloha (וּ = o).
Ny zanatsoratra tsy feno. Mitovitovy amin’ny fanononan’ny Hebreo azy fotsiny ny nandikana azy amin’ny litera malagasy. Zara raha tononina mantsy ny zanatsoratra tsy feno, amin’ny teny hebreo.
Tononina ny sheoa indraindray, ary e no feo mifanitsy aminy. Tsy tononina kosa izy io, amin’ny ankapobeny, rehefa manarakaraka zanatsoratra tsy tononina maharitra, na rehefa eo ambanin’ny renisoratra iray mamarana vaninteny. Mampisaraka vaninteny ny sheoa amin’izay. Adika hoe yiktôl, ohatra, ny יִקְטֹל.
Vaninteny. Manomboka amin’ny renisoratra ny vaninteny rehetra amin’ny teny hebreo, ary misy 1) zanatsoratra feno iray na 2) zanatsoratra tsy feno iray sy zanatsoratra feno iray. Misy vaninteny roa àry ny קָטַל, ka ny iray קָ (ka), ary ny iray טַל (tal). Samy misy zanatsoratra feno ireo vaninteny roa ireo, ary samy manomboka amin’ny renisoratra. Vaninteny iray kosa ny בְּרִית (berit), satria tsy misy afa-tsy zanatsoratra feno iray (.=i). Zanatsoratra tsy feno kosa ny sheoa na e ( ְ).
Voalaza teo fa manomboka amin’ny renisoratra ny vaninteny. Toa misy toe-javatra roa maningana ihany anefa: 1) Raha manomboka amin’ny וּ (o) ny teny iray. Vaninteny mitokana ny o amin’izay. Adika hoe oven, ohatra, ny וּבֵן, ary oshemi ny 2 .וּשְׁמִי) Raha misy zanatsoratra “pataha miafina”, izay tsy inona fa pataha ( ַ) eo ambanin’ny renisoratra ע, ח, הּ, mamarana teny. Tononina alohan’ilay renisoratra ny pataha amin’izay. Adika hoe roah àry ny רוּחַ fa tsy roha.
Indraindray dia misy tsipika kely mitsivalana (־) atao hoe makefa, eo anelanelan’ny teny roa na maromaro. Mitovitovy amin’ny tsipi-panohizana izy io, ary natao hanakambanana teny roa na mihoatra mba ho toy ny teny iray, ka ilay teny farany ihany no mbola misy tsindrimpeo. Adika hoe kôl-ʼasher, ohatra, ny כָּל־אֲשֶׁר.
Tsindrimpeo. Ny vaninteny farany na alohan’ny farany no misy ny tsindrimpeo, amin’ny voambolana hebreo. Matetika izy io no eo amin’ny vaninteny farany.
Tsy nasiana mari-tsindrimpeo ny litera malagasy nandikana ny litera hebreo, ato amin’ity boky ity.
[Tabilao, pejy 1110]
Tsotra
Manamafy Hevitra
Mpampanao
1) Mpanao (kal) )
3) Mpanao (pi‛el)
6) Mpanao (hif‛il)
2) Iharana (nif‛al)
4) Iharana (po‛al)
7) Iharana (hôf‛al)
—
5) Atao amin’ny tena ihany (hitpa‛el)
—
[Tabilao, pejy 1110]
—
Tsotra
Manamafy Hevitra
Mpampanao
Mpanao
טִיל
katal
namono izy
להִקְ
kittel
namono izy (tamin-kabibiana)
קָטַלקִטֵּ
hiktil
nampamono izy
Iharana
הָקְטַל
niktal
novonoina izy
קֻטַּל
kottal
novonoina izy (tamin-kabibiana)
נִקְטַל
hôktal
nisy nampamono izy
Atao amin’ny tena ihany
—
הִתְקַטֵּל
hitkattel
namono tena izy
—
[Tabilao, pejy 1112]
Litera
Renisoratra
Mifanitsy Aminy
א
Alefa
’
בּ
Beta
b
ב
—
v
גּ
Gimela
g
ג
—
g
דּ
Daleta
d
ד
—
d
ה
He
h
ו
Vao
v
ז
Zaina
z
ח
Heta
h
ט
Teta
t
י
Yôda
y
כּ
Kafa
k
כ Litera farany: ך
—
k
ל
Lameda
l
מ Litera farany: ם
Mema
m
נ Litera farany: ן
Nona
n
ס
Sameka
s
ע
Aina
‛
פּ
Pe
p
פ Litera farany: ף
—
f
צ Litera farany: ץ
Tsade
ts
ק
Kôfa
k
ר
Resa
r
שׂ
Sina
s
שׁ
Shina
sh
תּ
Tao
t
ת
—
t
Zanatsoratra Feno
ָ (tononina maharitra)
Kametsa
a (oh.: alina)
ַ
Pataha
a (oh.: faly)
ֵ (tononina maharitra)
Tsere
e (oh.: very)
ֶ
Segôla
e (oh.: mena)
ִ
Hireka
i (oh.: ankizy)
ֹ(tononina maharitra)
Hôlema
ô (oh.: baolina, tononina hoe bôlina)
ָ
Kametsa Hatofa
ô (oh.: sôva)
ֻ
Kibotsa
o (oh.: moka)
ִ
Shoreka
o (oh.: roa)
Zanatsoratra Tsy Feno
ְ
Sheoa
e tsy misy tsindrimpeo, na tsy tononina
ֲ
Hatefa Pataha
a (oh.: tady)
ֱ
Hatefa Segôla
e (oh.: mety)
ֳ
Hatefa Kametsa
ô (oh.: naoty, tononina hoe nôty)
Zanapeo Sosona
י ָ = ay
י ִ = i
י ַ = ay
וֹ = ôh
י ֵ = e
וּ = o
י ֶ = ey
יו ָ = av