Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hebrona

Hebrona

(Hebrôna).

1. Zafikelin’i Levy, ary zanak’i Kehata. Izy no razamben’ny Hebronita izany hoe ny “taranak’i Hebrona.”​—Ek 6:16, 18; No 3:19, 27; 26:58; 1Ta 6:2, 18; 15:4, 9; 23:12, 19; 26:30-32.

2. Zanakalahin’i Maresa, ary rain’i Kora sy Tapoa sy Rekema ary Sema. Taranak’i Kaleba avy amin’ny fokon’i Joda koa izy.​—1Ta 2:42, 43.

3. [Toeran’ny Fiaraha-miasa]. Tanàna tranainy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda, izay naorina fito taona talohan’i Zoana any Ejipta. (No 13:22) Tokotokony ho 30 km any atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema i Hebrona, ary maherin’ny 900 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy azy io. Miavaka io tanàna io any Israely sy ny firenena manodidina, satria anisan’ny tanàna tranainy indrindra mbola misy mponina. “Kiriata-arba” (Tanànan’i Arba) no anaran’i Hebrona fahiny, izay azo inoana fa avy amin’ny anaran’i Arba, ilay Anakita nanorina azy io. (Ge 23:2; Js 14:15) Efa hatramin’izay io tanàna io sy ireo havoana manodidina no nalaza noho ny tanimboaloboka, ampongabendanitra, aviavy, oliva, paiso abrikô, paoma, ary voanjombazaha isan-karazany. Maitso maivana ny manodidina an’i Hebrona noho ireo loharano sy lavadrano maro any.

Lalana ao Hebrona, tanàna fialokalofana tany Israely fahiny

Anisan’ny toerana nivahinian’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba i Hebrona. (Ge 13:18; 35:27; 37:13, 14) Tao Hebrona i Saraha no maty, ary tsy lavitra teo izy no nalevina, tao amin’ny lava-bato iray tany Makpela. Novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita io lava-bato io sy ny tany manodidina azy, ka lasa toeram-pandevenan’ny fianakaviany. Tao i Abrahama, Isaka, Rebeka, Lea, ary Jakoba no nalevina.​—Ge 23:2-20; 49:29-33; 50:13.

Ireo goavam-be taranak’i Anàka no nonina tao Hebrona, tamin’i Mosesy naniraka an’ireo mpitsikilo 12 hijery taratra ny Tany Nampanantenaina. (No 13:22, 28, 33) Efapolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia notafihin’i Hohama mpanjakan’i Hebrona sy ny mpanjaka efatra hafa i Gibeona (tanàna nanaiky hihavana tamin’i Josoa). Niantso vonjy ny tao Gibeona, ka tonga namaly ny antso ny Israelita. Nanampy i Jehovah, ka resy ireo mpanjaka dimy niady tamin’i Gibeona. Niafina tao anaty lava-bato ireo mpanjaka dimy ireo, ary novonoina ho faty sy nahantona teo amin’ny tsato-kazo mandra-paharivan’ny andro.​—Js 10:1-27.

Mbola nanafika ny faritra atsimon’i Kanana ny Israely, ka naringan’izy ireo tanteraka ny mponin’i Hebrona sy ny mpanjakany (azo inoana fa ilay nandimby an’i Hohama). (Js 10:36, 37) Marina fa resy ny Kananita, kanefa toa tsy namela toby miaramila tao amin’izay tanàna azony ireo Israelita notarihin’i Josoa. Rehefa lasa niady tany an-toeran-kafa ny Israely, dia azo inoana fa niverina nipetraka tao Hebrona ny Anakita. Tsy maintsy mbola niady àry i Kaleba (na ny taranak’i Joda notarihin’i Kaleba) mba hahazoana an’ilay tanàna tatỳ aoriana. (Js 11:21-23; 14:12-15; 15:13, 14; Mpts 1:10) Tany am-boalohany, dia nomena an’i Kaleba anisan’ny fokon’i Joda i Hebrona, fa lasa tanàna fialokalofana izy io avy eo. Tanànan’ny mpisorona koa izy io. Mbola lovan’i Kaleba foana anefa ‘ny faritra ambanivohitr’ilay tanànan’i Hebrona’ sy ny tanàna keliny.​—Js 14:13, 14; 20:7; 21:9-13.

Nanosotra an’i Davida ho mpanjaka tao Hebrona ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, 400 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanjaka tao fito taona sy tapany izy, ary niteraka enin-dahy: I Amnona, Kileaba (Daniela), Absaloma, Adonia, Sefatia, ary Jitreama. (2Sa 2:1-4, 11; 3:2-5; 1Ta 3:1-4) Azo inoana fa nanampy an’i Davida ny mponina tao Hebrona, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 30:26, 31) Rehefa hifarana ny fitondran’i Davida tao Hebrona, dia lasa nanohana azy indray ilay Abnera mpanohana an’i Isboseta zanak’i Saoly, izay fahavalo. (2Sa 2:8, 9) Ren’i Joaba, tamin’izy niverina avy nanafika, fa nalefan’i Davida soa aman-tsara i Abnera. Nandefa iraka àry i Joaba mba hampaka an’i Abnera. Novonoin’i Joaba tao Hebrona i Abnera, ary tao no nalevina. (2Sa 3:12-27, 32) Novonoin’i Rekaba sy Bana i Isboseta tatỳ aoriana, ary nentin’izy ireo tany amin’i Davida tany Hebrona ny lohany. Nanantena valisoa izy ireo, kanjo nasain’i Davida novonoina noho ny asa ratsiny. (2Sa 4:5-12) Voahosotra ho mpanjakan’ny Israely iray manontolo i Davida taorian’izay, ary i Jerosalema indray no nataony renivohitry ny fanjakany fa tsy i Hebrona intsony.​—2Sa 5:1-9.

Niverina tany Hebrona i Absaloma zanak’i Davida rehefa afaka taona maromaro, ary nikotrika fikomiana mba handrombahana ny fanjakan-drainy, saingy tsy nahomby. (2Sa 15:7-10) Nifidy an’i Hebrona ho toerana hanombohana ny fanonganam-panjakana i Absaloma, angamba noho izy io renivohitr’i Joda taloha, na noho izy io tanàna nahaterahany. Tatỳ aoriana, dia nanorina an’i Hebrona indray i Rehoboama Mpanjaka, zafikelin’i Davida. (2Ta 11:5-10) Nonina indray tao Hebrona (Kiriata-arba) ny Jiosy sasany avy tany an-tsesitany, rehefa avy navelan’ny Babylonianina ho lao ela ny tanin’i Joda.​—Ne 11:25.