Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hefera

Hefera

(Hefèra).

[1-3: Nitady Izy]

1. Zanakalahin’i Gileada ary zafiafin’i Manase. I Hefera no razamben’ireo Heferita. (No 26:29, 30, 32; 27:1) Izy no rain’i Zelofada izay tsy nitera-dahy fa vavy dimy. Namoaka didy i Jehovah hoe tokony homena an’ireo zanany vavy ireo ny lova avy amin’ny rainy. Lasa lalàna nipetraka sy nampiharina tamin’izay tsy nitera-dahy io didy io.​—No 26:33; 27:1-11; Js 17:2, 3.

2. Taranak’i Joda ary zanakalahin’i Asora tamin’i Nara vadiny.​—1Ta 4:1, 5, 6.

3. Mekeratita ary anisan’ireo lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida.​—1Ta 11:26, 36.

4. [Lavaka [izany hoe, lavaka fanangonan-drano]]. Azo inoana fa tanàna sady faritra tany andrefan’i Jordana. Tanàna kananita i Hefera, ary anisan’ireo mpanjaka resin’i Josoa ny mpanjakan’izy io. (Js 12:7, 8, 17) Nisy lehibem-paritra notendrena hiandraikitra ny faritr’i Hefera sy Soko, tamin’ny andron’i Solomona. (1Mp 4:7, 10) Misy mihevitra fa i Tell el-Ifshar (Tel Hefer) ankehitriny, 40 km eo ho eo any avaratra avaratratsinanan’i Tel Aviv-Yafo, i Hefera. Tsy tena fantatra anefa hoe taiza no nisy azy io.