Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Helama

Helama

(Helàma).

Toerana nandresen’i Davida ny tafika syrianina notarihin’i Sobaka. I Hadadezera no mpanjakan’i Syria tamin’izay. (2Sa 10:15-19) Misy manam-pahaizana milaza an’i Helama ho ilay “Alima” resahin’ny boky apokrifa (1 Makabeo 5:26, Kat.). Mety ho io ihany àry ilay tanàna antsoina hoe ʽAlma ankehitriny, tokony ho 55 km any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia.