Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Helday

Helday

(Heldày) [mety hidika hoe Voalavo Mpihady Tany].

1. Lehiben’ny antoko-mpanompo faha-12 tamin’ireo antoko nifandimby isam-bolana, araka ny fizarana nataon’i Davida. Taranak’i Otniela i Helday. (1Ta 27:1, 15) Netofatita izy, ka azo inoana fa izy ihany ilay lehilahy mahery nantsoina hoe Haleba na Heleda zanak’i Bana Netofatita.​—2Sa 23:8, 29; 1Ta 11:26, 30.

2. Lehilahy iray niverina avy tany Babylona, ary anisan’ireo nanome volafotsy sy volamena mba hanaovana satroboninahitra ho an’i Josoa Mpisoronabe. (Za 6:10, 11) Antsoina hoe Helema izy, eo amin’ny andininy faha-14.