Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Heloka sy Sazy

Heloka sy Sazy

Natao araka ny endrik’ilay Andriamanitra tia rariny ny olona (Ge 1:26; Sl 37:28; Ml 2:17), ka efa hatramin’ny voalohany no tia rariny. (Is 58:2; Ro 2:13-15) Rehefa nanonona ny didim-pitsarany voalohany i Jehovah, dia ilay mpivady voalohany sy ny menarana (ny Devoly) no nampiharany izany, ho fanajana ny rariny. Fahafatesana no sazin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra, satria nitovy ihany ny tsy nankatò sy ny nikomy tamin’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao. (Ge 2:17; jereo OTA.) Tatỳ aoriana, dia namono an’i Abela rahalahiny i Kaina, ka nanahy sao hisy hamaly faty azy. Fantany mantsy fa tia rariny ny olona. Tsy nanendry na nanome alalana an’iza na iza hamono an’i Kaina anefa i Jehovah, satria Izy ihany no mpamaly ny ratsy natao. Izany no nahatonga azy hamongotra ny taranak’i Kaina tamin’ny Safodrano. (Ge 4:14, 15) Nilaza i Enoka, 700 taona teo ho eo talohan’ny Safodrano, fa ho avy hampihatra didim-pitsarana amin’izay nanao asa ratsy Andriamanitra.​—Ge 5:21-24; Jd 14, 15.

Taorian’ny Safodrano. Nanome lalàna hafa koa Andriamanitra taorian’ny Safodrano, anisan’izany ny lalàna voalohany hoe azo atao ny manasazy an’izay meloka ho namono olona. (Ge 9:3-6) Hoy izy tatỳ aoriana momba an’i Abrahama: “Efa fantatro tsara izy izao. Koa handidy ny ankohonany sy ny zanany handimby azy izy, mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.” (Ge 18:19) Hita amin’izany fa nomen’Andriamanitra lalàna ny loham-pianakaviana fahiny, ary fantatr’izy ireo sy ny ankohonany ireny lalàna ireny.

Nampahafantatra ny fiheverany ny fanitsakitsaham-bady sy ny sazy vokatr’izany i Jehovah, tamin’izy niteny fa ho faty i Abimeleka satria naka an’i Saraha sy nikasa hanambady azy (tsy fantatr’i Abimeleka anefa hoe vadin’i Abrahama i Saraha). (Ge 20:2-7) Nilaza koa i Joda fa tokony ho faty i Tamara noho izy nivaro-tena.​—Ge 38:24.

Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Andriamanitra no lasa Mpanjakan’ny Israely sy Mpanome Lalàna ary Mpitsara azy, rehefa lasa firenena izy io. (Is 33:22) Nomen’Andriamanitra azy ny “Teny Folo” na “Didy Folo”, izay toro lalana niavian’ireo lalàna hafa 600 eo ho eo. Izao no nanombohan’Andriamanitra ny “Teny Folo”: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta.” (Ek 20:2) Izany no antony lehibe tokony hankatoavana ny Lalàna manontolo. Izay tsy nankatò àry dia nandika ny lalàn’ilay Filoham-panjakana, sady naniratsira an’ilay Filoha ara-pivavahana, izany hoe ilay Andriamanitr’izy ireo. Nivadika taminy koa izay nanevateva azy.

Ny toro lalana narahin’ireo loham-pianakaviana fahiny ihany no tao amin’ny Lalàna, saingy nisy tsipiriany kokoa ny Lalàna sady nahakasika ny zava-drehetra fanaon’ny olona. Hita ao amin’ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly ny Lalàna manontolo. Tena tsara ny fitondran-tena notakin’izy io, ka nomelohiny ho mpanota sy tsy lavorary ny olona na dia niezaka hanaraka azy io an-tsakany sy an-davany aza, satria tsy nisy nahatandrina azy io. “Masina ny didy, sady ara-drariny no tsara”, hoy ny apostoly Paoly. “Avy amin’Andriamanitra ny Lalàna”, ary ‘nomena mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna.’ (Ro 7:12, 14; Ga 3:19) Izy io no fitambaran’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Tsy fitanisana toe-javatra mety hitranga na efa nitranga fotsiny izy io, fa fototra iorenan’ny toro lalan’i Jehovah sy ny didim-pitsarany kosa.

Ny sazy nampiharina tamin’izay tsy nankatò ny Lalàna àry no ahitana hoe “tena ratsy tokoa” ny ota. (Ro 7:13) Nisy koa ny atao hoe lalàn’ny valifaty, ka izay nataon’ilay olona ihany no avaly azy, ho fampiharana ara-bakiteny ny rariny. Natao mba hisian’ny fihavanana sy filaminana teo anivon’ny firenen’Israely kosa ny Lalàna, sady niaro azy rehefa nankatoaviny. Niaro ny fananan’ny tsirairay koa izy io, satria voaonitra izany raha nisy nangalatra na nanimba.

Tsy voalazan’ny Didy Folo ao amin’ny Eksodosy 20 sy Deoteronomia 5 ny sazin’ny fandikana ny didy tsirairay, fa voalaza tsara any amin’ny andininy hafa kosa. Fahafatesana, ohatra, no sazin’izay nandika ny didy fito voalohany. Famerenana ny zavatra nangalarina, miampy onitra, ny sazin’izay nangalatra. Nosazina koa ny vavolombelona mandainga, ka izay saika hataony amin’ilay nendrikendrehiny ihany no natao taminy. Mandrara ny fitsiriritana (na fanirian-dratsy) ny didy farany, ary tsy nisy sazy natao hampiharin’ny mpitsara amin’ny olona nandika azy io. Tsara noho ny lalàna nataon’olombelona izy io, satria ny tsirairay ihany no mpitsara ny tenany, ary voasoroka hatrany am-potony ny fandikan-dalàna rehetra. Tsy maintsy handika ny iray tamin’ireo didy sivy hafa mantsy izay tsy nifehy ny fanirian-dratsiny.

Heloka lehibe voararan’ny Lalàna. Heloka nahafaty. Nomelohin’ny Lalàna ho faty izay 1) nanevateva an’Andriamanitra (Le 24:14, 16, 23); 2) nanompo andriamani-kafa ankoatra an’i Jehovah, nanompo sampy (Le 20:2; De 13:6, 10, 13-15; 17:2-7; No 25:1-9); 3) nilalao ody, nifandray tamin’ny fanahy ratsy (Ek 22:18; Le 20:27); 4) nilaza faminaniana sandoka (De 13:5; 18:20); 5) nandika ny Sabata (No 15:32-36; Ek 31:14; 35:2); 6) namono olona (No 35:30, 31); 7) nanitsakitsa-bady (Le 20:10; De 22:22); 8) vehivavy nandainga hoe mbola virjiny tamin’izy nanambady (De 22:21); 9) lehilahy nanao firaisana tamin’ny zazavavy efa fofombadin’olona (De 22:23-27); 10) nanao firaisana tamin’olom-pady (Le 18:6-17, 29; 20:11, 12, 14); 11) lehilahy nanao firaisana tamin-dehilahy (Le 18:22; 20:13); 12) olona nanao firaisana tamin’ny biby (Le 18:23; 20:15, 16); 13) naka olona an-keriny (Ek 21:16; De 24:7); 14) namely na nanozona ray na reny (Ek 21:15, 17); 15) nijoro ho vavolombelona mandainga mba hahafaty olona (De 19:16-21); ary 16) nanatona teo akaikin’ny tranolay nefa tsy nahazo alalana (No 17:13; 18:7).

Matetika no ‘naringana’ ny olona voaheloka, ary notoraham-bato ho faty izy ireny mazàna. Natao toy izany izay ninia nanota na niteny ratsy an’i Jehovah sy nanevateva azy (No 15:30, 31), na nanao zavatra hafa toy ny hoe tsy nety noforana (Ge 17:14; Ek 4:24), ninia tsy niraharaha ny Paska (No 9:13), tsy nanaja ny Andro Fandrakofam-pahotana (Le 23:29, 30), nanamboatra menaka masina fanosorana mba hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro (Ek 30:31-33, 38), nihinan-dra (Le 17:10, 14), nihinana tamin’ny sorona nefa mbola tsy nidio (Le 7:20, 21; 22:3, 4, 9), nihinana mofo misy lalivay nandritra ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (Ek 12:15, 19), nanolotra sorona nefa tsy tao amin’ny tranolay masina (Le 17:8, 9), nihinana sorona iombonana rehefa afaka telo andro taorian’ny namonoana azy (Le 19:7, 8), tsy nanaraka ireo fombafomba fidiovana (No 19:13-20), nikasika zava-masina nefa tsy tokony hanao izany (No 4:15, 18, 20), nanao firaisana tamim-behivavy tonga fotoana (Le 20:18), ary nihinana tamin’ny tavin’ny sorona.​—Le 7:25; jereo ADY ANY AMIN’NY FITSARANA; FANDRINGANANA.

Sazy notakin’ny Lalàna. Natao hiarovana ny tany mba hadio foana teo imason’Andriamanitra ny sazy notakin’ilay Lalàna nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Naringana tsy ho eo amin’ny vahoaka mantsy izay nanao zavatra tena ratsy. Nisoroka ny heloka bevava koa ny sazy, ary nanampy ny olona hihevitra foana ny aina ho masina, hankatò ny lalàn’ilay tany, hanaja an’ilay Andriamanitra Mpanome Lalàna, ary hanaja ny hafa. Tsy lasa nahantra be ilay firenena raha nankatò ny Lalàna, ary tsy niharatsy ny fitondran-tenan’ny olona ka tsy voan’ny aretina maharikoriko sy manimba izy ireo.

Tsy nisy habibiana ny sazy notakin’ny Lalàna. Tsy nisy olona nosazina noho ny fahadisoan’ny hafa. Natao nazava tsara ny toro lalana. Afaka namotopototra ny zava-nisy tsirairay ny mpitsara, ka namantatra hoe inona no nitranga, nahoana ilay voampanga no nandika lalàna, ary nanao ahoana ny toe-tsainy. Tsy maintsy nampiharina an-tsakany sy an-davany ny rariny. (He 2:2) Tsy maintsy novonoina ho faty izay ninia namono olona, na dia nanome vola aza. (No 35:31) Afaka nandositra tany amin’ny iray tamin’ireo tanàna fialokalofana kosa izay namono olona tsy nahy. Tsy nahazo nivoaka tao izy, ary izany no nanampy azy hahatakatra fa masina ny aina ka tsy vitavita fotsiny amin’izao ny vonoan’olona na dia tsy nahy aza, fa tsy maintsy misy valiny. Tsy enta-mavesatra ho an’ny fiaraha-monina anefa ilay namono olona, satria niasa izy tao.​—No 35:26-28.

Niharan’ny sazy ireo nangalatra na nanimba fananan’olona. Natao mba hitsinjovana an’ilay tompon-javatra izany, ary mba hanonerana ny fananany. Raha tsy nahaloa ny tokom-bidin’izay nangalariny ny mpangalatra, dia azo namidy ho andevon’ilay tompon-javatra, na andevon’olon-kafa. Afaka nanome ilay onitra izy amin’izay, ary izy ihany no niasa hamelomana ny tenany fa tsy ny fanjakana no niantoka azy, toy ny amin’ny fonja ankehitriny. Ara-drariny ireny lalàna ireny, ary natao hanarenana an’izay nanao ratsy.​—Ek 22:1-6.

Voalazan’ny Lalàna fa hotoraham-bato izay voaheloka ho faty. (Le 20:2, 27) Novonoina tamin’ny sabatra koa izy ireny indraindray, indrindra raha maro be no indray naripaka. (Ek 32:27; 1Mp 2:25, 31, 32, 34) Naringana tanteraka tamin’ny sabatra ny iray tanàna, raha nivadi-pinoana ny mponina tao. (De 13:15) Mety ho famonoana tamin’ny lefona, na angamba zana-tsipìka, no resahin’ny Eksodosy 19:13. (Jereo No 25:7, 8.) Voaresaka koa ny fanapahan-doha, angamba novonoina aloha ilay olona vao notapahina ny lohany. (2Sa 20:21, 22; 2Mp 10:6-8) Nodorana na nahantona ny olona nanao heloka ratsy kokoa. (Le 20:14; 21:9; Js 7:25; No 25:4, 5; De 21:22, 23) Hita mazava amin’ireo andininy ireo anefa fa olona efa maty no natao an’izany.

Matetika no novonoina tamin’ny sabatra ny babo an’ady, raha efa nasain’Andriamanitra naringana. (1Sa 15:2, 3, 33) Noterena hanao fanompoana kosa izay nitolo-batana. (De 20:10, 11) Misy Baiboly taloha kokoa nandika ny 2 Samoela 12:31 toy ny hoe nampijalijalin’i Davida ireo mponin’i Raban’ny taranak’i Amona. Ny Baiboly maoderina sasany kosa milaza fa nasainy nanao fanompoana fotsiny izy ireo.​—Jereo Prot.

Tsy nisy lalàna namela na iza na iza hanipy olona tany amin’ny hantsana na avy teny amin’ny toerana avo. Izany anefa no nataon’i Amazia mpanjakan’ny Joda tamin’ireo 10 000 lahy taranak’i Seira, (2Ta 25:12), ary saika nataon’ny mponin’i Nazareta tamin’i Jesosy.​—Lk 4:29.

Fampiharana ara-bakiteny ny rariny ny lalàn’ny valifaty, satria izay nataon’ilay olona ihany no avaly azy, raha niniana natao ilay heloka. (De 19:21) Indray mandeha, fara fahakeliny, io sazy io no nampiharina, raha ny Baiboly no jerena. (Mpts 1:6, 7) Tsy maintsy nitady porofo anefa ny mpitsara mba hamantarana raha niniana natao ilay heloka, na vokatry ny fanaovana tsirambina na loza sendra nitranga, na ny toy izany. Nisy toe-javatra naningana ihany anefa: Tsy nampiharina io lalàn’ny valifaty io rehefa nisy vehivavy nandray lehilahy iray teo amin’ny filahiany, noho izy te hanampy ny vadiny niady tamin’ilay lehilahy. Tsy natao na inona na inona ny taovam-pananahan’ilay vehivavy fa ny tanany kosa no notapahina. (De 25:11, 12) Hita amin’io lalàna io fa manaja ny taovam-pananahana Andriamanitra. Ahitana taratry ny famindram-po koa io lalàna io, satria manan-jo hiteraka amin’ny vadiny ny lehilahy noho izy tompon’ny vadiny.

Milaza fomba efatra famonoana an’izay voaheloka ho faty ny Mishnah: Tora-bato, fandoroana, fanapahan-doha, ary fanakendana. Tsy nandidy na nanome alalana ny hampiasana an’ireo fomba telo farany ireo mihitsy anefa ny Lalàna. Anisan’ny lovantsofina nampiana tatỳ aoriana ireo fomba voalazan’ny Mishnah ireo, ary mifanipaka amin’ny didin’Andriamanitra. (Mt 15:3, 9) Nanjary nanaraka fomba feno habibiana ny Jiosy noho izany, ka nandoro olona ho faty. “Toy izao no hatao rehefa misy voaheloka hodorana: Atao ao anaty taim-biby hatreo an-dohaliny izy, ary ahodidina eo amin’ny vozony ny lamba lavalava roa sosona, vita amin’ny lamba marokoroko ilay ao anatiny fa amin’ny lamba malefaka kosa ilay eo ivelany. Misintona ny tendrony iray ny vavolombelona iray, ary ny iray koa misintona ny tendrony ilany, mandra-pisokatry ny vavan’ilay olona. Ampirehetina ny lahin-jiro [firaka lavalava, araka ny Gemara (52a)] ka atsipy ao anaty vavany, ary midina any an-kibony ka mandoro ny tsinainy.”​—Synedriona 7:2, nadikan’i H. Danby.

Efa hatrany am-boalohany ny olona no fehezin’ny lalàna, na lalàn’Andriamanitra izany na lalàn’ny feon’ny fieritreretana izay efa voajanahary ao aminy. Rehefa nanaraka tsara ny fivavahana marina izy ireo, dia nanaja ny maha olona ny sazy notakin’ny lalàny, sady tsy henjana loatra. Nivaona tamin’ny tokony ho izy kosa ny fiheverany ny atao hoe rariny rehefa nihataka tamin’ny fivavahana marina izy ireo. Hita tokoa izany rehefa ampitahaina amin’ny lalàn’ireo firenena fahiny ny lalàn’ny Israely.

Ejipsianina. Tsy dia fantatra loatra ny sazy nampiharin’ny Ejipsianina. Nisy noveleziny ny olona nosaziny. (Ek 5:14, 16) Nisy koa natao maty an-drano (Ek 1:22), na notapahan-doha ary avy eo nahantona teo amin’ny tsato-kazo. (Ge 40:19, 22) Nisy novonoina tamin’ny sabatra, ary nisy natao am-ponja.​—Ge 39:20.

Asyrianina. Tena henjana ny sazy nampiharin’ny Asyrianina. Nisy novonoina ho faty ireo voaheloka, notapahina rantsambatana (sofina, orona, molotra), novosirina, nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo, nokapohina tamin’ny tsorakazo. Nisy koa tsy navela halevina ny fatiny. Ny hafa indray nasaina nanome firaka araka izay lanjany notakina, fa ny sasany kosa noterena hanao fanompoana ho an’ny mpanjaka. Raha nisy namono olona, dia notakin’ny lalàn’ny Asyrianina ny hanolorana azy tamin’ny havana akaikin’ny maty, ka io no nifidy na hovonoiny ilay namono olona na halainy ny fananany. Nety ho nahatonga fifandrafiana naharitra sy fandatsahan-dra anefa izany. Tsy nisy tanàna fialokalofana toy ny tany Israely rahateo koa tany. Raha nisy vehivavy nanitsakitsa-bady, dia ny vadiny no masi-mandidy tamin’izay sazy natao taminy. Azon’ilay lehilahy novonoina ho faty ilay vehivavy, na notapahina ny rantsambatany, na nosazina araka izay nitiavany azy, na koa navelany handeha amin’izao. Izay sazy nampihariny tamin’ilay vehivavy ihany no tokony hataony amin’ilay lehilahy naka ny vadiny. Maro tamin’ireo mpigadra an’ady no nesorina ny hodiny, nopotsirina ny masony, na nesorina ny lelany. Nisy nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo koa izy ireny, na nodorana, na novonoina tamin’ny fomba hafa.

Babylonianina. Lalàna efa nisy talohany no niavian’ny fehezan-dalàn’i Hammourabi (tsy fehezan-dalàna araka ny ahalalan’ny mpahay lalàna ankehitriny azy izy io). Lisitra didim-pitsarana nosoratana tamin’ny takelaka tanimanga izy io, ary nadika (angamba nampiasana fomba fanoratra hafa) teo amin’ny tsangambato iray tatỳ aoriana, ary napetraka tao amin’ny tempolin’i Mardoka tany Babylona. Angamba nisy dika mitovy tamin’izy io napetraka tany amin’ny tanàna hafa. Resy i Babylona tatỳ aoriana, ka nentin’izay nandresy azy tany Sosa io tsangambato io, ary tany no hita tamin’ny 1902.

Ny fehezan-dalàn’i Hammourabi ve no niavian’ny Lalàn’i Mosesy?

Manome toro lalana azo arahina ny Lalàn’i Mosesy, fa tsy toy izany kosa ny fehezan-dalàn’i Hammourabi, satria toa natao hanampiana ny mpitsara hanapa-kevitra. Didim-pitsarana efa navoaka na didim-pitsarana nasiam-panovana mantsy no nomeny ny mpitsara mba hahalalana ny tokony hatao amin’ny hoavy. Tsy milaza ny sazin’izay namono olona, ohatra, ilay fehezan-dalàna, satria efa nisy sazy ho an’izay nahavita izany sy ho an’izay nanao heloka hafa fahita matetika. Tsy niezaka hanisy lalàna momba ny toe-javatra rehetra mety hitranga i Hammourabi. Ireto no teny voalohany ao amin’ny lalàna tsirairay: ‘Raha misy manao an’izao.’ Toe-javatra voafaritra tsara àry no resahin’izy io, fa tsy toro lalana ankapobeny. Milaza fotsiny an’izay didim-pitsarana tsy maintsy ampiharina amin’ny toe-javatra iray izy io, ary avy amin’ny lalàna efa nisy, saingy ahitana tsipiriany nifanaraka tamin’ny toe-javatra sarotra tany Babylona.

Tsy avy amin’ny fehezan-dalàn’i Hammourabi mihitsy ny Lalàn’i Mosesy. Hoy, ohatra, ilay fehezan-dalàna: “Raha nanao tranon’olona [ny lehilahy iray], nefa [nisy tsy nety ilay trano ka nianjera] ary nahafaty ny zanakalahin’ny tompon-trano, dia hovonoina ho faty ny zanak’ilay mpanao trano.” Hoy kosa ny lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy: “Ny ray tsy tokony hovonoina ho faty noho ny fahotan’ny zanaka, ary ny zanaka tsy hovonoina ho faty noho ny fahotan’ny ray.” (De 24:16) Novonoina ho faty izay nangalatra zava-tsarobidy, araka ny fehezan-dalàn’i Hammourabi, fa nasaina nanonitra kosa ilay nangalatra, araka ny Lalàn’i Mosesy. Nasaina nandoa onitra hatramin’ny 30 heny izy indraindray, ary novonoina ho faty raha tsy nahaloa. Nasain’i Nebokadnezara notapahina ny rantsambatan’ny voaheloka sasany. Nisy koa nasainy nodorana, anisan’izany ireo Hebreo tanora telo lahy izay natsipiny velona tao amin’ny lafaoro nivaivay.​—Da 2:5; 3:19, 21, 29; Je 29:22.

Persianina. Tamin’ny andron’i Dariosy Medianina, dia voaheloka hatsipy tao an-davaky ny liona i Daniela, kanjo ireo nanendrikendrika azy sy ny vady aman-janak’izy ireo indray no natsipy tao ho solony. (Da 6:24) Nasain’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa nampihatra didim-pitsarana i Ezra, tatỳ aoriana. Nasainy nosazina izay rehetra tsy nankatò ny lalàn’ny Andriamanitr’i Ezra na ny lalàn’ny mpanjaka. “Novonoina ho faty” àry izy ireny “na noroahina, na nampandoavina sazy na nogadraina.” (Ezr 7:26) Nampiasa tsato-kazo 22 m i Ahasoerosy mba hanantonana an’i Hamana. Nahantony teo amin’ny tsato-kazo koa ireo roa lahy mpiandry varavarana saika hamono azy.​—Es 7:9, 10; 2:21-23.

Nisy takela-bato vitsivitsy hita, ary ny lalàna nataon’i Dariosy I no voasoratra teo. Voalaza tao fa novelezina karavasy in-5 ka hatramin’ny in-200 izay namely ny hafa tamin’ny fitaovam-piadiana ka nandratra na nahafaty azy. Indraindray koa nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo ireo nosazina. Nisy Grika mpanoratra momba ny lalàna persianina nilaza fa matetika no voaheloka ho faty izay nanao zavatra tsy nety tamin’ny firenena, na tamin’ny mpanjaka sy ny fianakaviany, na tamin’ny fananany. Nahatsiravina izany sazy izany matetika. Tsy dia fantatra loatra ny sazy nampiharina tamin’izay nanao heloka mahazatra, fa toa notapahina ny tanany na ny tongony, na nopotsirina ny masony.

Firenena hafa tany Palestina. Nampihatra sazy koa ireo firenena hafa tao amin’ny Tany Nampanantenaina sy teny amin’ny manodidina: Nampidirina am-ponja ireo voaheloka, notapahina ny rantsambatany, nopotsirina ny masony, novonoina tamin’ny sabatra ireo babo an’ady, notatahana ny kibon’ny bevohoka, ary notorotoroina ny zanak’ireo voaheloka satria natonta tamin’ny vato na tamin’ny rindrina. Tsy mba nanao toy izany anefa ny Israely.​—Mpts 1:7; 16:21; 1Sa 11:1, 2; 2Mp 8:12.

Romanina. Sazy nampiharin’ny Romanina ny famonoana tamin’ny sabatra, anisan’izany ny fanapahan-doha. (Mt 14:10) Matetika kokoa anefa ireo voaheloka no nokapohina tamin’ny karavasy nisy taolana na nisy vy kely mavesatra na nisy faraingo teo amin’ny tendrony, na koa nokapohina tamin’ny zavatra hafa; nahantona teo amin’ny tsato-kazo; nazera avy teny amin’ny harambato; natao maty an-drano; natsipy tao amin’ny kianja nisy bibidia; noterena hiady tamin’ny gladiatera; ary nodorana. Matetika koa no nogejaina tao amin’ny boloky hazo ireo voafonja (As 16:24), na nofatorana rojo vy niaraka tamin’ny miaramila mpiambina. (As 12:6; 28:20) Tsy azo natao ny nikapoka Romanina, araka ny Lalàna Valeria sy ny Lalàna Porcia. Araka ny Lalàna Valeria, dia tsy azo nokapohina ilay olom-pirenena, raha nangataka ny hotsarain’ny vahoaka. Ny Lalàna Porcia kosa nilaza fa tsy azo nokapohina izy, na dia tsy nangataka izany aza.

Grika. Nitovy tamin’ny sazy nampiharin’ny Romanina ny an’ny Grika, tamin’ny ankapobeny. Nazera tany amin’ny hantsana na lava-bato lalina ny mpanao heloka bevava. Nisy koa novelezina ho faty, natao maty an-drano, nomena poizina, ary novonoina tamin’ny sabatra.

Raha mila tsipiriany fanampiny, dia jereo ny lahatsoratra manazava ny heloka sy ny sazy tsirairay.