Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hely

Hely

(Hèly) [avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Avo (Misandratra)”].

Azo inoana fa rain’i Maria izy, ka noho izany dia raiben’i Jesosy Kristy avy amin’ny reniny. (Lk 3:23) Lazaina hoe “zanak’i Hely” i Josefa. Ny tiana holazaina amin’izany anefa dia hoe vinantolahin’i Hely izy. Na dia tsy manonona ny anaran’i Maria renin’i Jesosy aza i Lioka, dia mazava fa mitanisa ny razamben’i Maria manomboka any amin’i Davida izy.​—Lk 3:31; jereo RAZAMBEN’I JESOSY KRISTY.