Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Heresa

Heresa

(Herèsa) [Masoandro].

1. Tendrombohitra (heb.: har) nonenan’ny Amorita foana na dia efa azon’ny Israely aza i Kanana. Tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Dana no nisy azy io. (Mpts 1:34, 35) Maro ny manam-pahaizana mihevitra azy io ho ilay Ira-semesy voalazan’ny Josoa 19:41. Azo inoana fa i Ira-semesy ihany ilay Beti-semesy teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Joda sy Dana.​—Jereo BETI-SEMESY No. 1.

2. Nihazo “ny lalana niakatra tany Heresa” i Gideona rehefa avy niady tamin’ny Midianita. Tsy voaresaka na aiza na aiza io toerana io ankoatra ny ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Mpitsara 8:13. Misy manam-pahaizana àry milaza hoe mety ho toy izao ny teny hebreo teo tany am-boalohany: “Talohan’ny hiakaran’ny masoandro [haheres]” na “avy eny ambony tendrombohitra”, fa tsy hoe “ny lalana niakatra tany Heresa.”