Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Herim-po

Herim-po

Toetran’olona tsy matahotra na dia misy loza aza, sahy manao zavatra sarotra tanterahina, mahery fo. Mifanohitra amin’ny hoe matahotahotra, tsy matoky tena, ary kanosa ny hoe be herim-po.​—Mr 6:49, 50; 2Ti 1:7.

Hazak no matoanteny hebreo fampiasa matetika mba hilazana ny hoe manana herim-po. Midika hoe “mahereza” izy io amin’ny ankapobeny, amin’ny endriny mandidy. (2Sa 13:28; 2Ta 19:11; Ezk 3:14) Matetika ny hazak no ampiasaina miaraka amin’ny hoe ʼamats, izay midika koa hoe “mahereza”, amin’ny endriny mandidy. Ireo matoanteny roa ireo no ampiasaina ao amin’ilay hoe “mahereza sy matanjaha” (Js 10:25) sy ilay hoe “manàna herim-po ary hatanjaho ny fonareo.”​—Sl 31:24.

Rafah kosa no teny hebreo manana heviny hoe manakivy na manaketraka. Mety hidika hoe “tsy manana herim-po intsony” na “kivy” izy io indraindray. (Je 49:24; Oh 24:10) Ampiasaina ao amin’ny hoe “aza miraviravy tanana” koa izy io, ary manana heviny hoe “tsy manana herim-po intsony, kely aina ka tsy mahavita zavatra.”​—Ze 3:16; Is 13:7; Ezk 7:17.

Ny matoanteny hoe tarreô (2Ko 5:8) sy hoe tarseô (Mt 9:2) kosa no ilazana ny hoe be herim-po, amin’ny teny grika. Nadika hoe “sahy” ilay matoanteny hoe tôlmaô. (Jd 9; Mr 12:34; Ro 15:18; 2Ko 11:21), ka herim-po manao zavatra no tena asongadina amin’izany.

Mila herim-po foana ny mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra mba tsy hivadihana aminy. Rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry ny Israelita, dia hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Mahereza sy matanjaha.” Naveriny tamin’i Josoa izay handimby azy koa izany. (De 31:6, 7) Nanamafy ny tenin’i Mosesy i Jehovah ka hoy izy tamin’i Josoa, tatỳ aoriana: “Mahereza sy matanjaha ... Mahereza sy matanjaha fotsiny ianao.” (Js 1:6, 7, 9) Nila nihaino sy nianatra ary nankatò ny lalàn’i Jehovah ny firenen’Israely raha te ho be herim-po. (De 31:9-12) Nasaina namaky foana ny lalàn’Andriamanitra sy niezaka hampihatra izany koa i Josoa mba hananany herim-po sy tanjaka.​—Js 1:8.

Imbetsaka ny Soratra Masina no mandidy mba hananana herim-po, ary asehony koa hoe inona no atao mba ho be herim-po. (Sl 31:24) Tena manampy ny miaraka amin’ny mpiara-mpanompo. (As 28:15) Be herim-po i Davida izay niteny hoe: “Manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao.” (Sl 27:14) Nohazavainy aloha izay nanampy azy ho be herim-po: Nataony “manda” niaro ny ainy i Jehovah (and. 1), notadidiny izay efa nataon’i Jehovah tamin’ireo fahavalony (and. 2, 3), nankasitrahany ny tempoly izay toerana nivavahana tamin’i Jehovah (and. 4), natoky izy fa hiaro azy i Jehovah sady hanampy sy hanafaka azy (and. 5-10), nianatra ny fitsipik’Andriamanitra foana izy (and. 11), ary niezaka hanana finoana sy fanantenana (and. 13, 14).

Mila herim-po ny Kristianina mba tsy hanahafana ny toe-tsaina sy ny fanaon’izao tontolo izao, sy mba tsy hivadihana mihitsy na dia mankahala azy aza io tontolo fahavalon’i Jehovah Andriamanitra io. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jn 16:33) Tsy nanaiky ho voataonan’ity tontolo ity mihitsy ilay Zanak’Andriamanitra. Nandresy an’izao tontolo izao kosa izy satria tsy nanahaka azy io mihitsy na tamin’inona na tamin’inona. I Jesosy Kristy àry no mpandresy azo tahafina. Novalian-tsoa izy satria tsy nivadika mihitsy. Ny fahalalana an’izany rehetra izany no manome ny herim-po ilaina mba hanahafana azy, ka hiezahana tsy ho anisan’ity tontolo ity mihitsy sady tsy ho voalotony.​—Jn 17:16.