Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Herinandro

Herinandro

Midika ara-bakiteny hoe fotoana mandeha tsifitofito ny teny hebreo hoe shavoaʽ (“herinandro”). Avy amin’ny teny hebreo hoe shabbat (Sabata) kosa ny teny grika hoe sabbatôn.

Efa hatry ny ela no nisaina tsifitofito ny andro. I Jehovah Andriamanitra no voalohany nanao izany: Enina andro izy no namorona, ary nataony andro fitsaharana ny andro fahafito. (Ge 2:2, 3) Misy resaka fito andro koa ny fitantarana momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa (nefa tsy voalaza ao hoe andro fitsaharana ny andro fahafito) (Ge 7:4, 10; 8:10, 12), sy ny fitantarana momba ny fampakaram-bady tany Padana-arama sy Filistia. (Ge 29:27, 28; Mpts 14:12, 17) Nisaona fito andro ireo nandevina an’i Jakoba. (Ge 50:10) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe toy ny herinandro mahazatra ireny fito andro ireny, ka hoe misy andro fiandohana izay mitsingerina isaky ny fito andro. Nanaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany ny volana nampiasain’ny firenena fahiny sasany, ary natombony isaky ny maizim-bolana ny fanisany ny andro nandeha tsifitofito. Nisy 29 na 30 andro anefa ny volana toy izany, ka nisy andro tsy nandeha tsifitofito.

Miresaka fotoana nisy folo andro ny Genesisy 24:55. Nisain’ny Ejipsianina fahiny tsifolofolo ny andro (nitsingerina intelo isam-bolana). Lasa nahazatra ny Israelita koa izany tamin’izy ireo nonina ela tany Ejipta.

Teo ambanin’ny Lalàna. Nandidy voalohany ny hankalazana fety maharitra fito andro Andriamanitra, rehefa nanome toromarika momba ny Paska. Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ilay fety, ary natao isan-taona sy nankalazaina taorian’ny Paska. Andro fitsaharana kosa ny andro voalohany sy fahafito.​—Ek 12:14-20; 13:6-10.

Andro sabata. Tsy voalaza anefa hoe nanisa ny andro ho herinandro ny Israelita taorian’izay ary niala sasatra ny andro fahafito, nandritra ny diany naharitra iray volana teo ho eo taorian’ny nialany tany Ejipta. Taorian’ny faha-15-n’ny volana faharoa nialan’izy ireo tany i Jehovah vao nanome azy ireo ny mana, sy nandidy voalohany ny hitandremana ny Sabata isaky ny andro fahafito. (Ek 16:1, 4, 5, 22-30) Nisaina tsifitofito àry ireo andro, ary nisesy foana izany fa tsy nanaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Lasa anisan’ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely ny fitandremana ny Sabata avy eo.​—Ek 20:8-11; De 5:12-15.

Fotoanan’ny fety. Nisy fety hafa naharitra fito andro notakin’ny Lalàna, nefa mety ho tsy nitovy tamin’ny an’ny herinandro nifarana tamin’ny Sabata ny fiandohany sy ny fiafarany. Daty iray voafaritra tao anatin’ny volana (nanaraka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany) mantsy no nanombohany, ka niova isan-taona ilay andro. Toy izany, ohatra, ny fiandohan’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (15-21 Nisana) taorian’ny Paska, sy ny Fetin’ny Trano Rantsankazo (15-21 Etanima). Ny Fetin’ny Herinandro na Pentekosta kosa nankalazaina rehefa avy nanisa fito herinandro niampy iray andro, nanomboka ny 16 Nisana. Tsy voatery ho nitovy tamin’ny herinandro nahazatra nifarana tamin’ny Sabata àry ireo herinandro ireo.​—Ek 12:2, 6, 14-20; Le 23:5-7, 15, 16; De 16:9, 10, 13.

Tsy nomena anarana ireo andro amin’ny herinandro fa natao hoe andro voalohany, faharoa, sns, afa-tsy ny fahafito izay natao hoe “sabata.” (Ek 20:8) Toy izany koa tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly, na dia lasa nantsoina hoe “Andro Fiomanana” aza ny andro talohan’ny Sabata.​—Mt 28:1; As 20:7; Mr 15:42; Jn 19:31.

Fito andro sy fito taona. Tena zava-dehibe ny Sabata, na ny andro fahafito, ka lasa nantsoina hoe “sabata” ny herinandro manontolo nisy fito andro (Le 23:15, 16), sy ny taona fahafito izay taona sabata fialan-tsasatra ho an’ny tany, ary ny herinandron-taona fito (7 taona impito) nifarana tamin’ny taona sabata (Le 25:2-8). Mampiasa imbetsaka ny hoe “herinandron-taona” ny Mishnah jiosy.​—Sheviit 4:7-9; Synedriona 5:1; jereo FITOPOLO HERINANDRO (Faminaniana momba ny Mesia).