Hermogena
(Hermôgèna) [Naterak’i Hermesy].
Kristianina tany amin’ny faritr’i Azia, ary iray tamin’ireo Kristianina roa voatonona anarana hoe anisan’ireo niala tamin’i Paoly. Nanao izany angamba izy ireo noho ny fanenjehana nivaivay nataon’i Néron tamin’ny Kristianina, rehefa may i Roma tamin’ny taona 64.—2Ti 1:15.