Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hermona

Hermona

(Hermôna) [Zavatra Natokana; Zavatra Voarara].

Voalaza fa i Hermona ilay tendrombohitra avo indrindra eny amin’ny manodidina an’i Palestina, izay antsoin’ny Arabo hoe Jebel esh-Sheikh (mety hidika hoe “Tendrombohitr’ilay Anti-dahy”) na Jebel eth-Thalj (midika hoe “Tendrombohitry ny Lanezy”). Azo inoana fa noho io tendrombohitra io rakotra lanezy saiky mandavantaona no nahatonga an’ireo anarana ireo. Toy ny lohan’ny anti-dahy iray fotsy volo mantsy ilay tendrony rakotra lanezy. Nantsoin’ny Sidonianina hoe “Siriona” izy io fahiny, fa ny Amorita kosa niantso azy hoe “Senira.” (De 3:8, 9) Toa Senira koa no niantsoana ny ampahany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban ankehitriny). (1Ta 5:23) Nantsoina koa hoe “Siona” (tsy i Ziona) ny Tendrombohitra Hermona. (De 4:47, 48) Nilaza ny mpanao salamo fa nihoby sy nidera ny anaran’i Jehovah i Hermona sy Tabara.​—Sl 89:12.

Manova ny etona amin’ny alina ho lasa ranonando be ny lanezin’ny Tendrombohitra Hermona

Eo amin’ny sisiny atsimo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban) no misy ny Tendrombohitra Hermona izay 2814 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ary tokotokony ho 30 km eo ho eo ny halavany avy any avaratra mianatsimo. Lembalemba sy tendrony maromaro no eo an-tampon’i Hermona. (Sl 42:6) Vatosokay ny Tendrombohitra Hermona, na dia ahitana vatovy (bazalta) ihany aza tsindraindray eny amin’ny tehezany atsinanana sy andrefana. Mangadihady ny tapany ambony, fa misy kirihitra botry kely ihany eny amin’ny toerana sasany. Ahitana hazo kesika sy hazo fihinam-boa ary kirihitra eny ambanimbany. Feno tanimboaloboka kosa ny tehezan-tendrombohitra ambany kokoa eo amin’ny ilany andrefana sy atsimo.

Tazana tsara eny an-tampon’i Hermona ny faritra maro any Palestina, rehefa tsara ny andro. Ny tendrombohitr’i Libanona sy ny Lemak’i Tyro, ary ny Ranomasina Mediterane no tazana eny andrefana. Ny Tendrombohitra Karmela no tazana eny atsimoandrefana. Ny Lohasahan’i Jordana sy ny Debok’i Hola ary ny Ranomasin’i Galilia no tazana eny atsimo. Ny Lemak’i Damaskosy kosa no tazana eny atsinanana.

Manova ny etona amin’ny alina ho lasa ranonando ny lanezy mandrakotra ny tendron’i Hermona. Hoy i H. Tristram, mpandinika ny zavaboary tamin’ny taonjato faha-19: “Ranonando izany! Mbola tsy nahita hoatr’izany mihitsy izahay. Kotsa tanteraka ny zava-drehetra, ary tsy niaro mihitsy ny tranolay.” (Ny Tanin’ny Israely, Londres, 1866, p. 608, 609) Maharitra ela ny fotoana tsy misy orana ka tena mamelombelona ny zavamaniry ny andon’i Hermona. (Sl 133:3; jereo ANDO.) Ny lanezy miempo avy eny amin’i Hermona no tena iavian’ny loharanon’ny Reniranon’i Jordana.

Toerana falehan’ny bibidia toy ny liona sy leopara ny Tendrombohitra Hermona taloha. (To 4:8) Nahitana fosa, amboadia, leopara, ary orsa tany vao haingana.

Ny Tendrombohitra Hermona no namaritra ny sisiny avaratra tamin’ny Tany Nampanantenaina. (Js 12:1; 13:2, 5, 8, 11) Resin’i Josoa ireo Hivita nonina teo am-pototr’io tendrombohitra io. (Js 11:1-3, 8, 16, 17) Mety ho teo amin’io tendrombohitra io i Jesosy Kristy no niova tarehy. (Mt 17:1; Mr 9:2; Lk 9:28; 2Pe 1:18) Tany Kaisaria-Filipo, izay any akaikin’i Hermona, mantsy izy taloha kelin’izay.​—Mr 8:27; jereo BALA-HERMONA; FIOVAN-TAREHY.