Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Heroda

Heroda

(Herôda)

Anarana niantsoana an’ireo mpitondra fanjakana nifehy ny Jiosy. Mpihavana daholo izy ireo ary Idomeanina, izany hoe Edomita. Nihevi-tena ho Jiosy izy ireo satria nifora. Milaza i Josèphe fa noteren’i Joany Hirkana I (mpitondra makabeo) hoforana ny Idomeanina, tamin’ny 125 T.K.

Miresaka kely momba an’ireo lehilahy samy nantsoina hoe Heroda ny Baiboly. I Josèphe mpahay tantara anefa no manazava betsaka momba azy ireo. I Antipater (Antipasy) I no razamben’izy ireo. Notendren’i Aleksandra Janay (mpanjaka hasmonianina na makabeo) ho governoran’i Idomea i Antipater I. Nantsoina koa hoe Antipater na Antipasy ny zanakalahin’i Antipater I, ary io zanany io no niteraka an’i Heroda Lehibe. Namerina ny tenin’ilay mpahay tantara hoe Nicolas avy any Damaskosy i Josèphe, ka nilaza fa taranak’ireo olona ambony jiosy niala tany Babylona sy nody tany Joda i Antipater (II). Nilaza anefa i Josèphe hoe te handoka an’i Heroda fotsiny i Nicolas, fa Edomita i Heroda raha ny marina, na avy amin’ny rainy na avy amin’ny reniny.

Mpanankarem-be i Antipater II, ary mpanao politika sy nikotrika teti-dratsy maro. Tiany hahazo fahefana koa ireo zanany lahy. I Joany Hirkana II (zanak’i Aleksandra Janay sy Salomé Alexandra), fa tsy i Aristobolo rahalahin’i Hirkana, no tiany ho mpisoronabe sady mpanjaka teo amin’ny Jiosy. Nitady seza anefa i Antipater, rehefa nanao izany. Nahazo ny zom-pirenena romanina izy tamin’ny farany, ary nataon’i Jules César governoran’i Jodia. Notendren’i Antipater ho governoran’i Jerosalema i Fazaela lahimatoany, ary nataony governoran’i Galilia i Heroda zanany iray hafa. Nisy nanapoizina anefa i Antipater, ary vita hatreo ny aminy.

1. Heroda Lehibe, zanakalahy faharoa naterak’i Antipater (Antipasy) II tamin’i Siprosy vadiny. Fohy ny fitantaran’ny Baiboly momba azy, nefa ahitana fa maty eritreritra izy, fetsy, mora miahiahy olona, ratsy fitondran-tena, lozabe, ary mpamono olona. Marina mihitsy izany, rehefa jerena ny tantara. Nahay nifandray tamin’ny firenen-kafa izy sady mpanararaotra, toa an-drainy ihany. Nahay nandamin-javatra anefa izy, sady mpitari-tafika kinga. Nilaza i Josèphe fa natanjaka be koa i Heroda Lehibe sady mpitaingin-tsoavaly nikoizana, ary tena nahay nitoraka lefom-pohy sy nandefa tsipìka. (Ny Adin’ny Jiosy, I, 429, 430 [xxi, 13]) Hainy tsara koa ny asa fanorenana, ary izay angamba no zavatra tsara nampiavaka azy.

Naripany daholo ny mpandroba eran’i Galilia, ary izay no nampahalaza azy voalohany rehefa lasa governora izy. Nialona azy anefa ny Jiosy sasany, ary niray tetika tamin’ny renin’ireo mpandroba ireo ka nampirisika an’i Hirkana II (mpisoronabe tamin’izany) mba hampiantso an’i Heroda hotsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy. Tsy niera akory, hono, mantsy i Heroda fa tonga dia nandripaka an’ireo mpandroba ireo ary tsy nitondra azy ireo hotsaraina. Niseho teo anatrehan’ilay fitsarana tokoa i Heroda, izay nilaza hoe niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Tena sahy sy tsy nanaja an’ilay fitsarana anefa izy, satria nentiny teo koa ny mpiambina azy. Tezitra taminy àry ireo mpitsara. Nitsangana ny mpitsara iray nantsoina hoe Samaias (Simeona), hoy i Josèphe, ka nilaza fa hovonoin’i Heroda ireo mpitsara rehetra teo, any aoriana any, raha avela amin’izao izy fa tsy sazina. Tsy nanana hazondamosina anefa i Hirkana. Natahotra an’i Heroda sy Sextus Kaisara (havan’i Jules César sady filohan’i Syria tamin’izany) izy, ka tsy nahatohitra. Nanoratra ho azy mantsy i Sextus Kaisara mba hanery azy hanafoana an’ireo fiampangana an’i Heroda.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 168-176 (ix, 4).

Mpanjakan’i Jodia. Nandimby an-drainy i Heroda. Notendren’ny Antenimieran-doholona Romanina izy, tamin’ny 39 T.K. tany ho any, mba ho mpanjakan’i Jodia, izay lasa nitatra kokoa. Telo taona tatỳ aoriana anefa izy vao tena afaka nanjaka, rehefa resiny i Jerosalema ka naongany i Antigonus, zanak’i Aristobolo. Tian’i Heroda tsy hihozongozona ny toerany, ka noreseny lahatra ilay Romanina atao hoe Marc Antoine mba hamono an’i Antigonus. Notadiavin’i Heroda sy novonoiny koa ireo lohandohany 45 lahy tao amin’ny antokon’i Antigonus. I Samaias sy Pollio ihany no tsy novonoiny tamin’ireo lohandohan’ny Fariseo. Na i Joany Hirkana II koa aza novonoiny, taona maro tatỳ aoriana. Naripany ireo nitsara azy, ka tanteraka tamin’izany ny tenin’i Samaias.

Tena mpanao politika fetsy i Heroda. Nihevitra izy fa nila nanohana an’i Roma raha te hahomby. Tsy maintsy malina anefa izy tamin’ny fifandraisany tamin’ireo mpitondra romanina. Matetika izy no namadika palitao ka nila ranondranony tamin’ireo mpitondra nifandimby. Mpinamana be, ohatra, izy sy Sextus ka nanohana an’i Jules César aloha izy. Nanohana an’i Cassius, ilay namono an’i César, indray anefa izy avy eo. Namaly faty i Marc Antoine fahavalon’i Cassius, noho ny namonoana an’i César. Hain’i Heroda koa ny naka ny fon’i Marc Antoine. Anisan’ny fomba nampiasainy tamin’izany ny tsolotra be dia be. Resin’i Octave (Aogosto Kaisara) anefa i Antoine rehefa niady taminy tany Aktioma. Mailaka indray i Heroda nangata-pamelana tamin’i Aogosto noho izy nanohana an’i Antoine. Lasa naman’i Aogosto àry izy tatỳ aoriana. Tsy nisy nahavoa an’i Heroda mihitsy izay nitory azy tany amin’ny fitsarana tany Roma, na Jiosy izany na olon-kafa ary na ny anisan’ny ankohonany ihany aza indraindray. Izy mantsy nanohana an’i Roma, sady nalala-tanana tamin’ireo Kaisara nifandimby, ary nahay niresaka.

Governoran’i Galilia i Heroda tamin’ny voalohany. Notendren’i Cassius ho governoran’i Cœlésyrie izy avy eo. Nasain’i Antoine nanendry an’i Heroda ho mpanjakan’i Jodia ny Antenimieran-doholona Romanina, tatỳ aoriana. Nampian’i Aogosto Mpanjaka ny faritanin’i Heroda, ka lasany koa i Samaria, Gadara, Gaza, Jopa, ary avy eo Trakonitisy, Batane, Aoranitida, ary Pere, izay faritra iray tany atsinanan’i Jordana. Angamba i Gileada io Pere io. Faritra nanjakany koa i Idomea.

Nanorina ny tempoly sy zavatra hafa. Nanorina zavatra maro i Heroda, fa ny nanorenany indray an’ilay tempolin’i Jerosalema no tena niavaka, satria resahin’ny Baiboly io tempoly io. (Efa nanorina indray an’io tempoly io i Zerobabela taloha.) Nandany vola tsy toko tsy forohana i Heroda ary nataony tena kanto ilay izy, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 395, 396 [xi, 3]) Tsy tia an’i Heroda ny Jiosy sady niahiahy azy, ka tsy navelan’izy ireo horavany ilay tempoly raha tsy efa voangona sy tonga teo amin’ilay toerana ny fitaovam-panorenana. Nila herintaona sy tapany ny nanorenana indray azy io, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 421 [xi, 6]) Nanorina zavatra hafa koa izy nandritra ny valo taona. Nilaza anefa ny Jiosy, tamin’ny taona 30, fa 46 taona no nanorenana an’ilay tempoly. Nilaza izany izy ireo rehefa niresaka tamin’i Jesosy Kristy, taloha kelin’ny Paska voalohany nanaraka ny batisan’i Jesosy. (Jn 2:13-20) Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Heroda no nanomboka an’ilay asa izy, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 380 [xi, 1]) Mety ho teo anelanelan’ny taona 18 sy 17 T.K. izany, raha isaina araka ny fomba fanisan’ny Jiosy ny taona nanjakan’ny mpanjakan’izy ireo. Raha ny marina, dia nisy asa fanorenana fanampiny natao foana tamin’ilay tempoly, ary tsy nitsahatra izany raha tsy enin-taona talohan’ny nandravana azy io tamin’ny taona 70 A.K.

Sisa tavela tamin’ilay lapa nikitohatohatra naorin’i Heroda Lehibe teo an-tampon’i Masada

Nanorina zavatra maro hafa koa i Heroda, anisan’izany ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra, kianja be, toerana fanaovana hazakaza-tsoavaly, tilikambo, tanàna voaro mafy, lapa, zaridaina, ary tempoly ho fanomezam-boninahitra an’i Kaisara. Nanao lakandrano sy tsangambato koa izy, ary nanorina tanàna mihitsy aza. Nampitondrainy ny anarany na ny anaran’ny havany na ny anaran’ireo mpanjakan’i Roma ireny tanàna ireny. Nanorina seranan-tsambo nifanahantsahana tamin’ny seranan-tsambon’i Tyro koa i Heroda tany Kaisaria. Nilaza i Josèphe fa nisy vato goavana maro be nalatsaka tany amin’ny 36 m tany anaty rano mba hanaovana fefiloha goavana nirefy 60 m teo ho eo ny sakany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 334, 335 [ix, 6]) Naorin’i Heroda indray ny lapan’i Antonia sy Masada, ary faran’izay tsara ilay lapan’i Masada. Nanorina zavatra maro hatrany amin’ny tanàna nitokana toa an’i Antiokia (any Syria) sy Rodo (tao amin’ny nosy Rodo) izy.

Nandany vola be tamin’ny fialam-boly i Heroda, sady nalala-tanana, indrindra fa tamin’ireo olona ambony tany Roma. Nimenomenona ny Jiosy, indrindra fa noho ny nanorenan’i Heroda kianja be maro, toa an’ilay tao Kaisaria. Tao amin’io kianja io mantsy no nanaovana ny lalao fifaninanana noforonin’ny Grika sy ny Romanina, anisan’ireny ny hazakaza-tsoavaly, adin’ny gladiatera (lehilahy nifamono), adin’ny olona amin’ny bibidia, ary fety hafa fanaon’ny mpanompo sampy. Tena tian’i Heroda haresaka ny Lalao Olympika, ka izy mihitsy no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fifaninanana miady nandritra io lalao io, tamin’izy tany Gresy talohan’ny hankanesana tany Roma. Nanome vola be izy taorian’izay mba hisy foana io lalao io, ka halaza foana koa ny anarany. Milaza ny tenany ho Jiosy izy, ka nantsoiny hoe “ry mpiray tanindrazana amiko” ny Jiosy, ary “ry raiko” ireo Jiosy niverina avy tany Babylona mba hanorina ny tempoly niaraka tamin’i Zerobabela. Tsy nisy naha mpanompon’i Jehovah Andriamanitra azy mihitsy anefa, raha jerena ny fomba fiainany.

Nikorontana ny fianakaviany. Saika ny rehetra anisan’ny fianakavian’ireo lehilahy nantsoina hoe Heroda no tia fahefana, mora niahiahy olona, tena ratsy fitondran-tena, ary mpanakorontana. Teo anivon’ny fianakaviany no nahitan’i Heroda olana lehibe sy nampalahelo indrindra. Nanampy trotraka an’izany foana koa i Siprosy reniny sy Salome anabaviny. I Mariamne (I) no vadin’i Heroda tamin’izany. Zafikelin’i Hirkana II sady zanak’i Aleksandra i Mariamne, ary i Aleksandra kosa zanak’i Aristobolo. Tena tsara tarehy i Mariamne ary tena tia azy i Heroda, saingy nifankahala i Mariamne sy ny renin’i Heroda ary ny anabaviny. Be fialonana i Heroda, ary nahiahiny daholo ny havany, indrindra fa ny zanany lahy. Natahotra izy hoe haongan’ireo zanany ireo, ary nitombina ihany ny ahiahiny indraindray. Izany sy ny faniriany hahazo fahefana no nahatonga azy hampamono an’i Mariamne vadiny, ny zanany telo lahy, ny zaodahiny, ny raiben’ny vadiny (Hirkana), ny namany akaiky maromaro, ary olon-kafa maro. Nampijalijaliny izay olona tsy nety nanome azy ny fanazavana nilainy hanamarinany ny ahiahiny.

Ny fifandraisany tamin’ny Jiosy. Te hihavana tamin’ny Jiosy i Heroda ka naoriny indray ny tempoly, ary nomeny sakafo izy ireo rehefa nisy mosary. Nahenany ny hetra tokony ho naloan’ny sasany, indraindray. Nasainy nomen’i Aogosto tombontsoa mihitsy aza ny Jiosy tany amin’ny toerana samihafa eran’ny fanjakany. Na teo aza izany, dia mbola betsaka noho izany ny famoretana sy ny fampijaliana nataony. Niady tamin’ny Jiosy izy saika nandritra ny fotoana nanjakany manontolo.

Narary ary maty. Voan’ny aretina naharikoriko sy nampanavy i Heroda tatỳ aoriana, ary azo inoana fa noho izy ratsy fitondran-tena. Toy izao no nanazavan’i Josèphe an’ilay aretina: “Nangidihidy nila tsy ho zaka ny hodiny rehetra, nanaintaina tsy nisy farany ny tsinainy, [ary] nivonto toy ny nisy rano ny tongony. Nibontsina ny kibony ary nisy fery nandoaka ny filahiany, ka lasa nisy olitra. Sempotra be koa izy satria voan’ny asma. Nangovitra ny rantsambatany rehetra.”​—Ny Adin’ny Jiosy, I, 656 (xxxiii, 5).

Tamin’izany izy narary efa ho faty izany no nandidy ny hamonoana an’i Antipater zanany lahy, izay nitetika ny hanongam-panjakana. Fantany fa ho faly ny Jiosy rehefa maty izy. Nandidy àry izy mba hangonina sy hohidiana tao amin’ny toerana iray tany Jeriko ny olona ambony teo amin’izy ireo. Nomeny baiko ireo olona akaiky azy hoe tsy tokony hambara ny fahafatesany, raha tsy efa avy novonoina ireo Jiosy ireo. Amin’izay, hoy izy, dia hitomany ny fianakaviana rehetra eran’i Jodia rehefa halevina izy. Tsy narahina mihitsy anefa io baiko io. Nafahan’i Salome (anabavin’i Heroda) sy Aleksasy vadiny ireo Jiosy ireo, ary nalefa nody.

Tokotokony ho 70 taona i Heroda rehefa maty. Efa namoaka didy izy hoe i Antipasy zanany no handimby azy. Novany anefa izany, taloha kelin’ny nahafatesany, ka i Arkelaosy indray no notendreny hanjaka handimby azy. Nanaiky an’i Arkelaosy ny vahoaka sy ny tafika (lazain’ny Baiboly fa ren’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, fa “i Arkelaosy no mpanjakan’i Jodia nandimby an’i Heroda rainy”; Mt 2:22). Nanohitra an’ilay didy anefa i Antipasy. Nentina tany amin’ny fitsarana tany Roma ilay raharaha. Nanohana an’i Arkelaosy i Aogosto Kaisara, saingy nataony governora i Arkelaosy, ary nozarainy roa ny faritany nanjakan’i Heroda, ka ny antsasany nanjakan’i Arkelaosy, ary ny antsasany nozaraina nitovy tamin’i Antipasy sy Filipo, izay samy zanakalahin’i Heroda.

Nasainy novonoina ireo zazalahikely. Milaza ny Baiboly fa nampamono ny zazalahikely rehetra roa taona no ho midina i Heroda tany Betlehema sy ny faritany nanodidina, ary voaporofon’ny tantara izany. Tsy ela talohan’ny nahafatesan’i Heroda no nanaovany izany. Tsy novonoina anefa i Jesosy, fa nentin’ny ray aman-dreniny nandositra tany Ejipta. Rehefa maty i Heroda, dia niverina izy ireo ary nipetraka tany Galilia. Efa nanambara izany rehetra izany mialoha tamin’ny alalan’i Jeremia sy Hosea mpaminaniny i Jehovah.​—Mt 2:1-23; Je 31:15; Ho 11:1.

Daty nahafatesany. Oviana marina i Heroda no maty? Nilaza ny manam-pahaizana sasany fa maty tamin’ny taona 5 na 4 T.K. izy, ary ny fitantaran’i Josèphe no tena nahatonga azy ireo hilaza an’io daty io. Ahoana no fomba namaritan’i Josèphe ny daty nanendren’ny Romanina an’i Heroda ho mpanjaka? Ny fotoana nitondran’ireo mpitondra sasany tany Roma no namaritany izany, ka nahitany fa tamin’ny taona 40 T.K. i Heroda no lasa mpanjaka. I Appien, mpahay tantara, kosa nahita fa tamin’ny taona 39 T.K. izany no nitranga. Izany fomba namaritan’i Josèphe daty izany koa no nahitany hoe tamin’ny taona 37 T.K. no resin’i Heroda i Jerosalema. Nilaza koa anefa izy fa 27 taona taorian’ny nandresen’i Pompée an’io tanàna io (izany hoe tamin’ny taona 63 T.K.) izany no nitranga. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 487, 488 [xvi, 4]) Raha izay no jerena, dia tamin’ny taona 36 T.K. no resin’i Heroda i Jerosalema. Nilaza i Josèphe fa maty i Heroda, rehefa afaka 37 taona taorian’ny nanendren’ny Romanina azy ho mpanjaka, ary 34 taona taorian’ny nandreseny an’i Jerosalema. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 190, 191 [viii, 1]) Mety hidika izany fa tamin’ny taona 2 na angamba taona 1 T.K. i Heroda no maty.

Ary ahoana no nanisan’i Josèphe ny taona nanjakan’ireo mpanjaka tany Jodia? Mety ho nisainy nanomboka tamin’ny taona nahazoana fahefana izany, toy ny nanisana ny taona nanjakan’ireo mpanjaka taranak’i Davida. Araka izany, dia nanomboka tamin’ny Nisana 39 T.K. ka hatramin’ny Nisana 38 T.K. ny taona voalohany nanjakan’i Heroda, raha tamin’ny 40 T.K. izy no voatendry ho mpanjaka. Mety hoe nanomboka tamin’ny Nisana 36 (na 35) T.K. kosa io taona voalohany nanjakany io, raha nisaina nanomboka tamin’ny fotoana nandreseny an’i Jerosalema tamin’ny taona 37 (na 36) T.K. Mety ho tamin’ny taona 1 T.K. àry i Heroda no maty, raha toa izy ka maty 37 taona taorian’ny nanendren’ny Romanina azy ho mpanjaka sy 34 taona taorian’ny nandreseny an’i Jerosalema, araka ny tenin’i Josèphe, ary raha toa ka nisaina toy ny fomba nanisana ny taona nanjakan’ny mpanjaka ireo taona ireo. Manamarina izany i W. Filmer. Misy porofo avy amin’ny lovantsofina jiosy, hoy izy, milaza fa tamin’ny 2 Sebata i Heroda no maty. Mifanitsy amin’ny Janoary-Febroary, amin’ny kalandrientsika, ny volana Sebata.​—Gazetin’ny Fianarana Teolojia, nataon’i H. Chadwick sy H. Sparks, Oxford, 1966, Boky Faha-17, p. 284.

Nilaza i Josèphe fa nisy fanakonam-bolana taloha kelin’ny nahafatesan’i Heroda, ary nisy Paska taorian’ny nahafatesany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 167 [vi, 4]; 213 [ix, 3]) Nisy fanakonam-bolana tamin’ny 11 Martsa 4 T.K. (13 Martsa, kalandrie jolianina), ka nisy nihevitra fa io ilay nolazain’i Josèphe.

Nisy fanakonam-bolana koa anefa tamin’ny taona 1 T.K., telo volana teo ho eo talohan’ny Paska. Takona tanteraka ny volana tamin’izay, fa tsy toy izany kosa tamin’ny fanakonam-bolana tamin’ny 4 T.K. Tamin’ny 8 Janoary (10 Janoary, kalandrie jolianina) ilay fanakonam-bolana tamin’ny 1 T.K., izany hoe 18 andro talohan’ny 2 Sebata, ilay daty lazain’ny lovantsofina hoe nahafatesan’i Heroda. Nisy fanakonam-bolana koa tamin’ny 27 Desambra 1 T.K. (29 Desambra, kalandrie jolianina), ary tsy takona tanteraka ny volana tamin’io.​—Jereo FANISAN-TAONA (Fanakonam-bolana).

Fomba hafa azo amaritana ny taona nahafatesan’i Heroda koa ny taonany tamin’izy maty. Nilaza i Josèphe fa 70 taona teo ho eo izy tamin’izy maty, ary 15 taona izy tamin’izy voatendry ho governoran’i Galilia (eken’ny maro fa tamin’ny 47 T.K.). Nisy manam-pahaizana anefa nihevitra hoe diso izany, fa 25 taona no tiana holazaina. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 148 [vi, 1]; XIV, 158 [ix, 2]) Tamin’ny taona 2 na 1 T.K. àry i Heroda no maty, raha izany no izy. Mila tadidina anefa fa niovaova foana i Josèphe rehefa nanome daty, ka tsy azo antoka izay nolazainy. Ny Baiboly kosa no misy ny porofo azo antoka indrindra.

Asehon’ny porofo fa azo inoana hoe tamin’ny taona 1 T.K. i Heroda no maty. Milaza mantsy i Lioka mpanoratra Baiboly fa tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara i Jaona no nanao batisa. (Lk 3:1-3) Maty tamin’ny 17 Aogositra 14 A.K. i Aogosto. Tamin’ny 15 Septambra i Tiberio no notendren’ny Antenimieran-doholona Romanina ho mpanjaka. Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 28 ka hatramin’ny faramparan’ny 29 àry io taona faha-15 io, raha ny fomba fanisan’ny Romanina no arahina. Zokin’i Jesosy enim-bolana i Jaona. Nanomboka ny fanompoany (azo inoana fa tamin’ny voalohandohan’ny taona 29) talohan’i Jesosy izy, satria izy no mpialoha lalana azy na nanomana ny lalana. (Lk 1:35, 36) Raha ny Baiboly no jerena, dia teraka tamin’ny faramparan’ny taona i Jesosy, ary 30 taona teo ho eo izy rehefa nanao batisa azy i Jaona. (Lk 3:21-23) Azo inoana àry fa tamin’ny faramparan’ny taona 29, tamin’ny Oktobra tany ho any, izy no natao batisa. Raha avy eo no manisa 30 taona miverina, dia tonga any amin’ny faramparan’ny taona 2 T.K. Io àry no taona nahaterahan’ilay Zanak’Andriamanitra. (Ampitahao Lk 3:1, 23 sy Da 9:24-27.)​—Jereo FITOPOLO HERINANDRO.

Nisy mpanandro nitsidika an’i Jesosy. Milaza i Matio fa “tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka” i Jesosy no teraka tany Betlehema, ary nisy mpanandro avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema sady nilaza fa hitan’izy ireo ny kintan’i Jesosy tamin’izy ireo tany atsinanana. Natahotra be i Heroda sady velon’ahiahy, raha vao nandre izany. Nanontaniany ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka fantany hoe any Betlehema i Kristy no tokony ho teraka. Nantsoiny àry ireo mpanandro, ary nofotopotorany momba ny fotoana nisehoan’ilay kintana.​—Mt 2:1-7.

Tsara homarihina fa efa elaela taorian’ny nahaterahan’i Jesosy izany no nitranga. Voalaza mantsy fa tao amin’ny trano niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Jesosy, fa tsy tao amin’ny fihinanam-bilona intsony. (Mt 2:11; ampit. Lk 2:4-7.) Nasain’i Heroda niverina tany aminy ireo mpanandro ireo mba hilaza hoe aiza ilay zaza. Tsy niverina anefa izy ireo. Nandidy ny hamonoana ny zazalahikely rehetra, roa taona no ho midina, eran’i Betlehema sy ny faritra nanodidina àry i Heroda. Efa nentin’ny ray aman-dreniny tany Ejipta anefa i Jesosy tamin’izay, satria efa nampitandrina azy ireo Andriamanitra. (Mt 2:12-18) Sarotra inoana hoe maty talohan’ny taona 1 T.K. i Heroda, satria raha izany no izy dia vao telo volana latsaka i Jesosy (teraka tamin’ny 1 Oktobra 2 T.K. tany ho any) tamin’izay.

Tsy voatery hoe efa roa taona koa anefa i Jesosy rehefa naripaka ny zazalahikely rehetra. Mety ho tsy ampy herintaona akory aza izy, satria ny fotoana nisehoan’ilay kintana tamin’ireo mpanandro, tamin’izy ireo tany atsinanana, no nanisan’i Heroda ny taonan’ilay zaza. (Mt 2:1, 2, 7-9) Tena mety ho naharitra volana maromaro izany fotoana izany, satria lavitra be ny dian’ireo mpanandro ireo raha avy tany Babylona na Mezopotamia izy ireo. Azo inoana mantsy fa tany no niandohan’ny fanandroana. Efa-bolana, fara fahakeliny, no nanaovan’ny Israelita ny dia rehefa niverina avy tany Babylona izy ireo, tamin’ny 537 T.K. Nieritreritra angamba i Heroda fa tsy maintsy ho faty ilay zaza nateraka ho “mpanjakan’ny Jiosy”, raha ny zaza rehetra roa taona no ho midina no haripaka. (Mt 2:2) Tsy ela taorian’izay anefa dia maty i Heroda, satria toa tsy nijanona ela tany Ejipta i Jesosy.​—Mt 2:19-21.

Azo lazaina àry hoe mety ho tamin’ny taona 1 T.K., na angamba teo am-piandohan’ny taona 1 A.K. mihitsy aza, i Heroda no maty. Samy milaza izany na ny fanisan-taonan’ny Baiboly, na ny fanazavana omen’ny manam-pahaizana momba ny kintana, na ny tantara.

2. Heroda Antipasy: Zanak’i Heroda Lehibe sy Maltasy, vehivavy samaritanina. Lehibe tany Roma izy sy Arkelaosy rahalahiny. I Antipasy no notendren’i Heroda ho mpanjaka, rehefa namoaka didy momba izay handimby azy izy. Niova hevitra anefa izy taloha kelin’ny nahafatesany, ka i Arkelaosy indray no notendreny. Nitsipaka an’izany teo anatrehan’i Aogosto Kaisara i Antipasy. Nanohana an’i Arkelaosy i Aogosto Kaisara, ka nomeny an’i Arkelaosy ny antsasaky ny fanjakana, ary nomeny faritra kelikely i Antipasy ka lasa lehibem-paritr’i Galilia sy Pere. Nantsoin’ny olona hoe Mpanjaka koa anefa izy, toa an’i Arkelaosy.​—Mt 14:9; Mr 6:14, 22, 25-27.

Nalain’i Antipasy ho vady ny zanakavavin’i Areta, mpanjakan’i Arabia (tany Petra ny renivohitr’i Arabia). Nankany Roma i Antipasy, indray mandeha, mba hitsidika an’i Heroda Filipo rahalahiny hafa reny, zanak’i Heroda Lehibe sy Mariamne II (tsy ilay Filipo lehibem-paritra). Nanjary raiki-pitia tamin’i Herodiasy, vadin’i Filipo, anefa izy tany. Nentiny tany Galilia io vehivavy tia fahefana io rehefa niverina tany izy, ary nalainy ho vady. Nisarahany sy nalefany nody ilay zanakavavin’i Areta. Sosotra be i Areta vokatr’izany ka lasa nanafika ny faritanin’i Antipasy, ary be dia be ny olon’i Antipasy no maty. Efa saika niongana mihitsy i Antipasy, raha tsy niangavy an’i Roma mba hamonjy azy. Niangaviany ny mpanjakan’i Roma, ka namoaka didy hoe tsy maintsy samborina i Areta, na maty na velona.

Lasa tena tian’i Tiberio Kaisara, ilay nandimby an’i Aogosto, i Antipasy. Nanorina zavatra maro toa an-drainy izy, saingy tsy tena nahavita ny vitan-drainy. Nanorina tanàna iray teo amoron’ny Farihin’i Genesareta (Ranomasin’i Galilia na Tiberiasy), ohatra, izy, ary nampitondrainy ny anaran’i Tiberiasy Mpanjaka ilay izy. (Jn 6:1, 23) Nanao tanàna iray hafa koa izy ary nampitondrainy ny anaran’i Jolia (Livie no tena fiantsoana azy), vadin’i Aogosto, ilay izy. Nanorina tanàna voaro mafy, lapa, ary kianja filalaovana tantara an-tsehatra koa izy.

Novonoiny i Jaona Mpanao Batisa. Notenenin’i Jaona Mpanao Batisa i Heroda Antipasy noho izy nangalatra vadin’olona, dia i Herodiasy. Mety ny nananaran’i Jaona azy, satria i Antipasy nihevi-tena ho Jiosy ka tokony hankatò ny Lalàna. Nampidirin’i Antipasy am-ponja anefa i Jaona, ary tiany hovonoina saingy natahotra ny vahoaka izy. Nihevitra mantsy ny vahoaka fa mpaminany i Jaona. Nankalaza ny andro nahaterahany i Antipasy, ary tena faly be tamin’ny zanakavavin’i Herodiasy ka nianiana fa hanome azy an’izay rehetra nangatahiny. Nasain’i Herodiasy nangataka ny hanapahana ny lohan’i Jaona ilay zanany vavy. Tsy nahafaly an’i Heroda izany, nefa kanosa izy ary tsy te ho vasoka teo anatrehan’ireo nasaina, ka nanaiky ihany satria efa nianiana. (Tsy takin’ny Lalàna anefa hoe tsy maintsy tanterahina ny fianianana raha toa ka zavatra tsy ara-dalàna ilay atao, ohatra hoe famonoana olona.)​—Mt 14:3-12; Mr 6:17-29.

Ren’i Antipasy, tatỳ aoriana, fa nitory sy nanasitrana ary namoaka demonia i Jesosy. Natahotra izy, ary nihevitra hoe i Jaona efa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy. Tena te hahita an’i Jesosy àry izy. Tsy hoe te handre ny fitoriany anefa izy, fa te hahalala hoe nitombina ve ny ahiahiny sa tsia.​—Mt 14:1, 2; Mr 6:14-16; Lk 9:7-9.

Nandalo tany Pere i Jesosy, indray mandeha, rehefa nankany Jerosalema. Azo inoana fa tamin’izay ny Fariseo no niteny taminy hoe: “Mandehana ka mialà eto, fa mitady hamono anao i Heroda.” Tsaho fotsiny anefa izany, ary mety ho i Heroda ihany no nanely izany. Nanantena izy hoe hatahotra i Jesosy ka hiala tao amin’ny faritaniny. Tsapan’i Heroda mantsy fa tsy ho vitany intsony ny hamono mpaminanin’Andriamanitra iray hafa. Fetsy ratsy i Heroda, ary azo antoka fa izany no niantsoan’i Jesosy azy hoe “amboadia fetsy”, rehefa namaly an’ireo Fariseo izy.​—Lk 13:31-33.

“Ny lalivain’i Heroda.” I Heroda Antipasy no nitondra, tamin’i Jesosy nampitandrina ny mpianany hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ka mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.” (Mr 8:15) Samy nanohitra an’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany na ny sektan’ny Fariseo na ny Herodianina (mpomba an’i Heroda). Mpifandrafy izy ireo nefa niray hina hanohitra an’i Kristy fahavalony. Mpanao politika no tena nahafantarana ny Herodianina, fa tsy mpivavaka. Nilaza ho nanaraka ny Lalàna izy ireo, nefa koa nanizingizina hoe mety raha manana mpanjaka hafa firenena ny Jiosy (tsy tena Jiosy mantsy ireo Heroda, fa Idomeanina). Tena tia tanindrazana ny Herodianina. Tsy neken’izy ireo ny hevitra hoe Andriamanitra no mitondra fa solontenany fotsiny ny mpanjaka jiosy. Tsy nanaiky ny fitondrana romanina koa izy ireo. Tian’izy ireo haverina ho fanjakana mahaleo tena eo ambany fitondran’ny taranak’i Heroda kosa ny Jiosy.

Nanontany an’i Jesosy ny Herodianina hoe: “Azo atao ve sa tsia ny mandoa ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara? Tokony handoa ve izahay sa tsia?” Hita amin’io fanontaniana fandrika io fa tena tia tanindrazana izy ireo, ary izany firehan-keviny izany no lazaina hoe ‘lalivain’izy ireo.’ (Mr 12:13-15) Nantsoin’i Jesosy hoe “mpihatsaravelatsihy” izy ireo, ary nasehony fa tsy voafandrika tamin’ny ‘lalivain’izy ireo’ izy. Valin-teny tsy nampoizina no nomeny azy ireo, ka tsy nahomby ny tetik’izy ireo. Saika hiampanga azy hoe mitaona olona hikomy mantsy izy ireo, na saika hampirisika ny vahoaka hanohitra azy.​—Mt 22:15-22.

Nanao an’i Jesosy ho fihomehezana. Nentina teo anatrehan’i Pontio Pilato i Jesosy, tamin’ilay andro farany niainany teto an-tany. Rehefa fantatr’i Pilato anefa fa Galilianina izy, dia nalefany tany amin’i Heroda Antipasy (lehibem-paritr’i Galilia), satria nisy nampifanolana an’i Pilato tamin’ny Galilianina. Sendra tany Jerosalema i Heroda tamin’izay. (Lk 13:1; 23:1-7) Faly izy rehefa nahita an’i Jesosy. Tsy hoe te hanampy an’i Jesosy anefa izy, na tena te hahalala raha nitombina na tsia ny fiampangan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna azy, fa te hahita an’i Jesosy hanao famantarana kosa. Tsy nanao izany anefa i Jesosy, ary tsy namaly akory rehefa ‘nametrahan’i Heroda fanontaniana maro.’ Fantany fa mba hanambaniana azy fotsiny no nanerena azy hiseho teo anatrehan’i Heroda. Diso fanantenana àry i Heroda, ary nanaraby azy sady nanao azy ho fihomehezana ka nampitafy azy lamba mangirana ary namerina azy tany amin’i Pilato, izay efa nomen’ny Romanina fahefana ambony. Mpifahavalo i Pilato sy Heroda taloha, angamba satria niampanga an’i Pilato i Heroda. Faly anefa i Heroda rehefa nalefan’i Pilato tany aminy i Jesosy, ka lasa mpinamana izy roa lahy.​—Lk 23:8-12.

Rehefa nafahana avy tany am-ponja i Petera sy Jaona, taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, dia nivavaka ny mpianatra hoe: “Efa nifamory teto amin’ity tanàna ity tokoa i Heroda [Antipasy] sy Pontio Pilato, mbamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’Israely, hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina ... Koa ankehitriny, Jehovah ô, henoy ny fandrahonany, ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be.”​—As 4:23, 27-29.

Voalaza fa niara-nianatra tamin’i Heroda lehibem-paritra ny Kristianina iray nantsoina hoe Menahema. (As 13:1) Mety hidika izany hoe nianatra tany Roma i Menahema. Fantatra mantsy fa nisy olon-tsotra iray niara-lehibe tamin’i Heroda Antipasy tany Roma.

Natao sesitany tany Gaule. Notendren’i Caius Kaisara (Caligula) ho mpanjakan’ilay faritra nofehezin’i Filipo lehibem-paritra i Agripa I. Tezitra tamin’i Antipasy i Herodiasy vadiny, ka nilaza fa tsy mba nihetsiketsika izy (izay efa lehibem-paritra) matoa i Agripa (izay tsinontsinona akory) no voatendry ho mpanjaka. Nampirisika an’i Antipasy àry izy mba hankany Roma ka hangataka tamin’i Kaisara mba hanome azy fanjakana. Tsy namelan’i Herodiasy mihitsy i Antipasy raha tsy nandeha. Tezitra anefa i Caligula, satria taminy dia tia fahefana i Antipasy matoa nangataka izany. I Agripa rahateo niampanga an’i Antipasy, ka nataon’i Caligula sesitany tany Gaule (Lyon, Frantsa) i Antipasy, ary maty tany Espaina izy tatỳ aoriana. Anabavin’i Agripa i Herodiasy ka tsy voatery natao sesitany koa. Niaraka tamin’ny vadiny ihany anefa izy, angamba noho ny hambo-po. Nomena an’i Agripa I ny faritra nofehezin’i Antipasy. Nomena azy koa ny volan’i Antipasy sy ny tanin’i Herodiasy, rehefa natao sesitany i Antipasy. I Herodiasy àry no tompon’antoka tamin’ny loza roa lehibe teo amin’ny fiainan’i Antipasy: Ilay izy saika resin’i Areta Mpanjaka, sy ilay izy natao sesitany.

3. Heroda Agripa I: Zafikelin’i Heroda Lehibe. Zanak’i Aristobolo izy, ary i Aristobolo kosa zanak’i Heroda Lehibe tamin’i Mariamne I, izay zafikelin’i Hirkana II Mpisoronabe. I Heroda Lehibe no namono an’i Aristobolo. I Agripa no Heroda farany nanjaka tamin’i Palestina manontolo toa an-draibeny.

Tamin’izy mbola tsy mpanjaka. Nantsoina hoe “Heroda Mpanjaka” i Agripa. Tsy nahazo izany toerana izany anefa izy, raha tsy nampiasa hafetsena imbetsaka sy nampian’ny namany maro tany Roma. (As 12:1) Niara-nianatra tamin’i Drusus (zanak’i Tiberio Mpanjaka) sy Klaodio (zana-drahalahin’i Tiberio) i Agripa, ka nahalala olona ambony maro. Tena tia nirobaroba be izy ary tsy nivaky loha. Bokan-trosa àry izy, ary nananan’ny fanjakana romanina vola. Niala tao Roma izy ary nandositra tany Idomea. Nialokaloka kely tany Tiberiasy izy tatỳ aoriana, noho ny fanampian’i Herodiasy anabaviny sy Siprosy vadiny (ny zanaky ny iray tam-po tamin’i Heroda Lehibe no rain’i Siprosy, ary vinantolahin’i Heroda Agripa izy io). Niala tany indray anefa i Agripa rehefa nisy tsy nifanarahany tamin’i Antipasy. Niverina tany Roma izy tamin’ny farany, ary nahazo sitraka tamin’i Tiberio Kaisara.

Nanao vava tsy ambina anefa i Agripa, ka nahatonga olana teo aminy sy Tiberio Mpanjaka. Tsy nieritreritra tsara mantsy izy, indray mandeha, ka voalazany tamin’i Caius (Caligula) hoe mba tiany raha i Caius no lasa mpanjaka tsy ho ela, satria lasa mpinamana izy roa lahy ireo. Sendra ren’ny mpanompon’i Agripa anefa izany, ka nolazainy tamin’i Tiberio. Nataon’i Tiberio am-ponja àry i Agripa. Notandindomin-doza ny ainy, nandritra ny volana maro. Maty anefa i Tiberio, volana maromaro taorian’izay, ary lasa mpanjaka tokoa i Caligula. Nafahany i Agripa ary nataony mpanjakan’ireo faritra nofehezin’i Filipo dadatoany, izay efa maty tamin’izay.

Tian’ireo mpanjaka romanina. Nialona an’i Agripa anadahiny i Herodiasy, satria lasa mpanjaka izy io. Notereny hankany Roma àry i Heroda Antipasy vadiny, izay lehibem-paritra fotsiny, ka nasainy niangavy an’ilay mpanjaka romanina vaovao mba hanao azy ho mpanjaka. Fetsy kokoa noho i Antipasy anefa i Agripa, ka nampangainy tany amin’i Caius (Caligula) i Antipasy hoe nanao fifanarahana tamin’ny Partianina sy tamin’i Séjan, ilay nikomy tamin’i Tiberio. Tsy afaka nanda an’izany i Antipasy, ka natao sesitany ary nomena an’i Agripa i Galilia sy Pere, izay faritany nofehezin’i Antipasy. Niovaova ny fitantaran’i Josèphe momba izany. Indray mandeha izy nilaza fa i Caligula no nanome an’ireo faritany ireo an’i Agripa. Indroa kosa izy no nilaza fa i Klaodio no nanome izany. Inona no marina? Azo inoana fa i Caligula no nampanantena ny hanome, ary nanamafy izany fotsiny i Klaodio.

Tany Roma i Agripa rehefa nisy namono i Caligula (lazain’ny manam-pahaizana hoe tamin’ny taona 41). Nanelanelana izy satria nisy olana teo amin’ny Antenimieran-doholona sy Klaodio namany izay vao nahazo fanjakana. Nankasitrahan’i Klaodio izany, ka nomeny hofehezin’i Agripa i Jodia sy Samaria ary ny faritra nofehezin’i Lysania. Efa nitovitovy habe tamin’ny faritra nanjakan’i Heroda Lehibe dadabeny ny fanjakan’i Agripa tamin’izay. Nangatahiny tamin’i Klaodio koa ny faritr’i Chalcis, mba homena an’i Heroda rahalahiny, ary nomena azy tokoa izany. Tsy resahin’ny tantara firy io Heroda io fa lazainy fotsiny hoe mpanjakan’i Chalcis, ilay faritra kely teo amin’ny tehezany andrefana amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban ankehitriny).

Nila sitraka tamin’ny Jiosy, ary nanenjika an’ireo Kristianina. Te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy i Agripa, ka niseho ho nafana fo tamin’ny Fivavahana Jiosy. Nihevi-tena ho andriamanitra i Caligula, ary tapa-kevitra hanao ny sarivongany sy hametraka izany tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Hain’i Agripa anefa ny nampiova hevitra azy. Nanomboka nanorina manda tany avarabaratr’i Jerosalema i Agripa, taorian’izay. Nihevitra i Klaodio fa matoa i Agripa nanao izany, dia te hanamafy an’ilay tanàna mba hiarovana azy io raha manafika azy ireo ny Romanina any aoriana. Nasain’i Klaodio najanony àry ilay fanorenana. Nikarakara sy nanohana ny lalaon’ireo gladiatera sy ny tantara an-tsehatra hafa fanaon’ny mpanompo sampy i Agripa, ary hita amin’izany fa tsy mpanompon’Andriamanitra araka ny voalazany izy.

Taranak’ireo Hasmonianina i Agripa, avy amin’i Mariamne renibeny, ka neken’ny Jiosy izy. Marina fa niaro an’ireo Jiosy nozanahin’ny Romanina izy, nefa koa nalaza ratsy satria nanenjika an’ireo Kristianina, izay nankahalain’ny Jiosy tsy Kristianina. “Novonoiny tamin’ny sabatra i Jakoba, rahalahin’i Jaona.” (As 12:1, 2) Hitany fa nahafaly ny Jiosy izany, ka nosamboriny sy nataony am-ponja koa i Petera. Nisy anjely anefa nanafaka an’i Petera. Nisomaritaka be ireo miaramilan’i Agripa vokatr’izany, ary voasazy ireo mpiambina an’i Petera.​—As 12:3-19.

Novonoin’ny anjelin’Andriamanitra. Nifarana tampoka ny fanjakan’i Agripa. Nanao akanjona mpanjaka izy tany Kaisaria, tamin’ny fety nankalazana an’i Kaisara, ary nikabary tamin’ny olona avy any Tyro sy Sidona. Nitady fihavanana taminy ireo olona ireo, ka niantsoantso mafy hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!” Nihatsaravelatsihy i Heroda ka nomelohin’Andriamanitra ary novonoiny tampoka. Hoy ny Baiboly: “Teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy. Ary lanin’ny kankana izy, ka tapitra ny ainy.”​—As 12:20-23.

Milaza ny manam-pahaizana fa tamin’ny taona 44 i Heroda Agripa I no maty, ary 54 taona izy tamin’izay sady efa nanjaka telo taona tamin’i Jodia manontolo. Ireto avy no zanaka navelany: Heroda Agripa II no zanany lahy, ary Berenika (As 25:13) sy Drosila (vadin’i Feliksa Governora) ary Mariamne III no zanany vavy.​—As 24:24.

4. Heroda Agripa II: Zafiafin’i Heroda Lehibe ary zanak’i Heroda Agripa I tamin’i Siprosy vadiny. Izy, hoy ny mpahay tantara, no mpanjaka farany tamin’ny tarana-mpanjaka nantsoina hoe Heroda. Nanana anabavy telo i Agripa: Berenika sy Drosila ary Mariamne III. (As 25:13; 24:24) Notezaina teo anivon’ny ankohonan’ny mpanjaka izy tany Roma. Vao 17 taona monja izy rehefa maty ny rainy, ary nihevitra ireo mpanolo-tsain’i Klaodio Mpanjaka fa mbola tanora loatra izy ka tsy hahavita hitondra an’ireo faritra nanjakan’ny rainy. Nanendry governora àry i Klaodio mba hitondra an’ireny faritra ireny. Nijanona kelikely tany Roma i Agripa II, ary avy eo notendrena ho mpanjakan’i Chalcis, rehefa maty i Heroda dadatoany izay nanjaka tany. Faritra kely teo amin’ny tehezany andrefana amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana i Chalcis.

Vola halimo ahitana ny sarin’i Domitien, ary misy ny anaran’i Agripa Mpanjaka (II) ao ambadika

Tsy ela taorian’izay, dia notendren’i Klaodio ho mpanjakan’ireo faritra nanjakan’i Filipo sy Lysania teo aloha i Agripa. (Lk 3:1) Nasaina niandraikitra ny tempolin’i Jerosalema izy, ary nomena fahefana hanendry an’ireo mpisoronabe teo amin’ny Jiosy. Nitarin’i Néron, mpandimby an’i Klaodio, ny faritra nanjakan’i Agripa, satria nomeny azy koa i Tiberiasy sy Tarikea any Galilia, sy Julias any Pere ary ny tanàna niankina taminy.

Nitarin’i Agripa ilay lapa naorin’ireo mpanjaka hasmonianina tao Jerosalema, tatỳ aoriana. Nanjary afaka nahita izay nitranga tao amin’ny tokotanin’ny tempoly izy avy teo amin’io lapa nitarina io. Nanangana manda àry ny Jiosy mba hanakona azy sy hanakona ny Romanina mpiambina. Tezitra i Heroda sy Festosy noho izany. Nitalaho tamin’i Néron anefa ny Jiosy ka navela teo ihany ilay manda. Nataon’i Agripa lasa tsara tarehy koa ny tanànan’i Kaisaria-Filipo, ary novany hoe Neroniasy ny anarany mba hanomezam-boninahitra an’i Néron. Nanao toa an-drainy izy ka nanorina kianja filalaovana tantara an-tsehatra tany Béryte, any Fenisia. Nandany vola be mihitsy izy mba hanaovana fampisehoana tao.

Niely be ny tsaho hoe niaraka toy ny mpivady, hono, i Agripa sy Berenika anabaviny, tamin’i Berenika mbola tsy nanambady an’ilay mpanjakan’i Kilikia. (Rakitry ny Ela Jiosy, nataon’i F. Josèphe, XX, 145, 146 [vii, 3]) Nanambady ve i Agripa sa tsia? Tsy niresaka momba izany i Josèphe.

Niezaka nampitony an’ireo Jiosy mpikomy mba tsy hafana fo tafahoatra i Agripa, satria hita fa tsy hitondra afa-tsy loza ho an’ilay firenena ny fikomiana tamin’ny Romanina (taona 66-70). Tsy nisy vokany anefa izany. Nilaozan’i Agripa àry ny Jiosy, ary niaraka tamin’ny tafika romanina izy. Voan’ny vatom-pilotra anefa izy ka naratra, rehefa raikitra ny ady.

Niaro tena teo anatrehany i Paoly. Resahina voalohany ao amin’ny Baiboly i Heroda Agripa II sy Berenika anabaviny, tamin’izy ireo nitsidika ara-pomba fifanajana an’i Festosy Governora, tamin’ny taona 58 tany ho any. (As 25:13) I Festosy no nandimby an’i Feliksa Governora. Mbola i Feliksa no governora, tamin’ny Jiosy niampanga an’i Paoly. Efa hiala tamin’ny toerany i Feliksa tamin’izay, ary te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy ka navelany nifatotra i Paoly. (As 24:27) Tsara homarihina fa zaodahin’i Agripa i Feliksa satria nanambady an’i Drosila anabaviny. (As 24:24) Nampakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara i Paoly. (As 25:8-12) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia nilaza tamin’i Festosy Governora i Agripa Mpanjaka fa te handre an’i Paoly izy. (As 25:22) Faly i Paoly niaro ny tenany teo anatrehan’i Agripa, izay nolazainy hoe “mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy.” (As 26:1-3) Nampiaiky ny tenin’i Paoly, ka hoy i Agripa: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” Hoy i Paoly: “Mangataka amin’Andriamanitra aho mba hahatongavanao ho toa ahy izao, na ho ela na ho haingana, ary tsy ianao ihany fa izay rehetra mandre ahy anio koa, eny, ho toa ahy izao, afa-tsy amin’ireto fatorana ireto.” (As 26:4-29) Hitan’i Agripa sy Festosy fa tsy nanan-tsiny i Paoly, nefa tsy maintsy nalefa hotsaraina tany Roma izy satria efa nampakatra ilay raharaha tany amin’i Kaisara.​—As 26:30-32.

Nifindra tany Roma i Heroda Agripa sy Berenika anabaviny, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Voatendry ho lehiben’ny mpitsara i Agripa tany. Maty tsy niteraka izy tamin’ny taona 100 tany ho any.

5. Heroda Filipo: Zanakalahin’i Heroda Lehibe tamin’i Mariamne II, izay zanakavavin’i Simona Mpisoronabe. I Filipo no vadin’i Herodiasy tamin’ny voalohany. Nisaraka taminy anefa i Herodiasy mba hanambadiany an’i Heroda Antipasy rahalahin’i Filipo saingy hafa reny. Voaresaka ao amin’ny Matio 14:3, Marka 6:17, 18, ary Lioka 3:19 i Heroda Filipo.

Nantsoina hoe Heroda Filipo izy mba hanavahana azy tamin’i Filipo lehibem-paritra. Zanak’i Heroda Lehibe koa mantsy i Filipo lehibem-paritra saingy tamin’ny vadiny hafa (Kleopatra avy any Jerosalema), hoy i Josèphe.

Toa i Filipo no tokony hanjaka handimby an-drainy, satria izy no lasa zokiny indrindra fa efa maty novonoin-drainy i Antipater sy Aleksandra ary Aristobolo. I Filipo mantsy no nanarakaraka an’i Antipater, araka ny iray tamin’ireo didy navoakan’i Heroda Lehibe. Taloha kelin’ny nahafatesan’i Heroda anefa, dia nokosehiny tao amin’ilay didy ny anaran’i Filipo ka i Arkelaosy no nomeny ny fanjakana. Nilaza i Josèphe fa nanao izany i Heroda, satria i Mariamne II, renin’i Filipo, nahalala momba ny teti-dratsin’i Antipater hanongana an’i Heroda nefa tsy niteny.

I Salome no zanak’i Filipo sy Herodiasy. Azo antoka fa izy ilay nandihy teo anatrehan’i Heroda Antipasy, sy nangataka ny hanapahana ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa rehefa nampirisihin-dreniny.​—Mt 14:1-13; Mr 6:17-29.

6. Filipo lehibem-paritra: Zanak’i Heroda Lehibe tamin’i Kleopatra (avy any Jerosalema) vadiny. Lehibe tany Roma izy. Nanambady an’i Salome zanakavavin’i Heroda Filipo sy Herodiasy izy. Rehefa maty i Heroda Lehibe rainy, dia nozarain’i Aogosto Kaisara ny fanjakana, ka nataony lehibem-paritr’i Itoria sy Trakonitisy ary ny faritany hafa teo akaiky teo i Filipo, ary nomeny talenta 100 isan-taona. (Tsy notononin’i Josèphe i Itoria, satria angamba tatỳ aoriana vao nomena an’i Filipo.) Nanjaka nandritra ny 30 taona mahery izy. Hoy i Josèphe momba azy: “Mpitondra nahay nandanjalanja sy tsy sarotiny izy. Nijanona tao amin’ny faritaniny foana izy.” Nilaza koa i Josèphe fa nipetraka mba hitsara i Filipo na taiza na taiza nisy azy, ka tsy nangataka andro rehefa nisy raharaham-pitsarana. Maty tany Julias izy, ary natao nakotrokotroka ny fandevenana azy. Natambatr’i Tiberio Mpanjaka tamin’i Syria ny faritra nanjakan’i Filipo noho izy tsy nanan-janakalahy.​— Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 106-108 (iv, 6).

Manonona ny anaran’i Filipo ny Baiboly, rehefa milaza ny fotoana nanombohan’i Jaona Mpanao Batisa ny fanompoany. Io indray mandeha io ihany no ahitana ny anarany ao amin’ny Baiboly. (Lk 3:1) Io andininy io sy ny tantara momba ny fanjakan’i Aogosto sy Tiberio no ahalalana fa tamin’ny taona 29 izany.