Heroda, Mpomba An’i
Ireo Jiosy mpanohana ny tarana-mpanjaka avy amin’i Heroda. Nahazo fahefana avy tamin’i Roma io tarana-mpanjaka io, ary tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany dia i Heroda Antipasy no solontenan’izy io.
Tsy miresaka momba ny mpomba an’i Heroda, na Herodianina, ny tantara tsy ara-pivavahana. Miresaka kely momba azy ireo kosa ny Soratra Masina. (Mt 22:16; Mr 3:6; 12:13) Tsy mitombina anefa ny filazan’ny sasany hoe mpiasa an-tranon’i Heroda, na miaramilany, na tandapany izy ireo.
Antoko politika ny Herodianina. Tetsy an-daniny ny antokon’ireo Fariseo sy Jiosy nahery fihetsika, izay te hahaleo tena tanteraka tamin’i Roma. Tetsy an-kilany kosa ireo naniry hoe ho lasan’ny Romanina tanteraka i Jodia. Teo anelanelan’ireo ny Herodianina. Mety ho nanaraka ny firehan-kevitry ny Herodianina ireo Sadoseo izay voalaza fa nalala-tsaina sady tsy nafana fo tafahoatra tamin’ny Fivavahana Jiosy. Ahitana izany ny tenin’i Jesosy momba ny lalivay ao amin’ny Matio sy Marka. Hoy izy ao amin’ny Matio 16:6: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny Sadoseo.” Hoy kosa izy ao amin’ny Marka 8:15: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.” Matoa naveriny indroa ny teny hoe ‘lalivay’ dia tsy nitovy ny fampianaran-dison’ireo antoko roa ireo. “Herodianina” fa tsy “Heroda” no hita any amin’ny sora-tanana sasany, toy ny Papyrus Chester Beatty No. 1 (P45), Kôdeksa Washingtonianus I, Kôdeksa Koridethianus.—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 594; Ny Baibolintsika sy ny Sora-tanana Fahiny, nataon’Atoa Frederic Kenyon, 1958, p. 215, 216.
Fanta-bahoaka ho mpifandrafy ny mpomba an’i Heroda sy ny Fariseo, teo amin’ny sehatry ny politika sy teo amin’ny resaka Fivavahana Jiosy, nefa tena niray hina izy ireo nanohitra an’i Jesosy. Indroa, fara fahakeliny, ireo antoko mpifandrafy ireo no nikaon-doha nitady tetika hamongorana an’ilay fahavalo niombonany. Taoriana kelin’ny Paska taona 31 ny voalohany, tamin’i Jesosy nanao ny fanompoany tany Galilia. Rehefa avy nanasitrana lehilahy iray maty tanana i Jesosy tamin’ny Sabata, dia “nivoaka ny Fariseo, ka nikaon-doha avy hatrany niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda ny amin’ny fomba hamonoana an’i Jesosy.”—Mr 3:1-6; Mt 12:9-14.
Roa taona taoriana kelin’izay kosa ilay faharoa, telo andro monja talohan’ny hamonoana an’i Jesosy: Niray hina ny mpianatry ny Fariseo sy ny mpomba an’i Heroda mba hamandrika an’i Jesosy tamin’ny resaka hetra. Nokaramaina mangingina izy ireo “mba hiseho ho olo-marina, mba hamandrihana an’i Jesosy amin’ny teny, ka hanolorana azy any amin’ny fitondrana sy eo am-pelatanan’ny governora.” (Lk 20:20) Nodokafan’izy ireo aloha i Jesosy mba handrebirebena azy, vao napetrak’izy ireo ilay fanontaniana momba ny hetra. Takatr’i Jesosy anefa ny haratsiam-panahin’izy ireo, ka hoy izy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy?” Nataon’i Jesosy gina tsy nahateny izy ireo tamin’ny valin-teniny momba ny hetra.—Mt 22:15-22; Lk 20:21-26.