Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Herodiona

Herodiona

(Herôdiôna).

Kristianina anisan’ny fiangonana tany Roma. Nanao mampamangy azy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, ary niantso azy hoe “havako.” (Ro 16:11) Misy milaza fa Jiosy toa an’i Paoly i Herodiona, fa tsy havany akaiky, rehefa jerena ny fomba nampiasan’ilay apostoly ny teny hoe “havako” ao amin’ny Romanina 9:3. Toa mpihavana akaiky anefa i Herodiona sy Paoly satria tsy ny Jiosy rehetra no nantsoin’i Paoly hoe “havako”, rehefa nanao mampamangy izy.​—Ampit. As 18:2; Ro 16:3; jereo ANDRONIKO.