Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hesbona

Hesbona

(Hesbôna).

Toerana voalaza fa i Hisbana ankehitriny, izay tanàna rava tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’i Raba (Amman). Efa hisasaka ny lalana mampitohy an’i Arnona sy Jaboka rehefa tonga eo. (Js 12:2) Tsy nahitana zavatra nisy tamin’ny andron’ny Kananita teo amin’ireo zavatra nofongarina tao. Misy fitoeran-drano lehibe efa rava eo atsinanana kelin’i Hesbona, ary ahitana loharano mifandray amin’ny dobo mifampitohitohy, tokotokony ho 180 m erỳ ambanimbanin’ilay tanàna.​—Ampit. To 7:4; jereo BATA-RABIMA.

Nalain’i Sihona mpanjakan’ny Amorita teo an-tanan’ny Moabita i Hesbona, ary tao no nasiany ny lapany. Nisy namorona tononkalo fanesoana mihitsy noho io faharesen’ny Moabita io. Mety ho ny Amorita no namorona izany, nefa mety ho ny Israelita koa. Raha ny Amorita no namorona azy io, dia fanesoana ny Moabita ilay izy sady fahatsiarovana ny fandresena azon’i Sihona Mpanjaka. Raha ny Israelita kosa no namorona azy io, dia mety hidika izany hoe toy ny nakan’i Sihona an’i Hesbona teo an-tanan’ny Moabita no hakan’ny Israely an’io tanàna io sy ny hafa koa eo an-tanan’ny Amorita. Asehon’io fanesoana io fa tsy ho nanana zo haka an’io tany io ny Israelita raha tsy nandresy azy io i Sihona.​—No 21:26-30; De 2:9.

Tsy navelan’i Sihona Mpanjaka handalo teo amin’ny taniny ny Israelita notarihin’i Mosesy, na dia nangata-pihavanana taminy aza. Niady tamin’izy ireo kosa izy ka nataon’i Jehovah nandresy ny vahoakany. Mazava ho azy fa anisan’ny tanàna amorita i Hesbona, ka tsy maintsy naringana tanteraka. (De 2:26-36; 3:6; 29:7; Mpts 11:19-22) Namerina nanorina an’i Hesbona ny Robenita (No 32:37), satria anisan’ny tanàna nomen’i Mosesy azy ireo izy io. (Js 13:15-17) Tanàna teo amin’ny sisin-tany nanasaraka ny fokon’i Robena sy Gada i Hesbona, ka lasa anisan’ny faritanin’i Gada. Voalaza fa iray tamin’ireo tanàna gadita efatra izay nomena ny Levita izy io.​—Js 21:38, 39; 1Ta 6:77, 80, 81.

Tatỳ aoriana, dia lasa nofehezin’ny Moabita i Hesbona. Samy manonona an’io tanàna io mantsy i Isaia sy Jeremia rehefa nilaza ny loza hanjo an’i Moaba. (Is 15:4; 16:7-9; Je 48:2, 34, 45) Nanonona an’io tanàna io koa anefa i Jeremia rehefa nanambara ny loza hanjo an’i Amona. (Je 49:1, 3) Misy mpivaofy teny àry milaza fa mety ho efa lasan’ny Amonita indray i Hesbona, tamin’izay. Ny hafa kosa milaza fa mety hidika izany hoe hanjo an’ilay Hesbona tany Moaba koa ny loza nanjo an’i Ay, na Hesbona hafa mihitsy tany amin’ny tanin’i Amona io voaresaka io.

Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa lasan’ny Jiosy i Hesbona tamin’ny andron’i Aleksandra Janay (103-76 T.K.). Lasa teo ambany fiandraiketan’i Heroda Lehibe ilay tanàna tatỳ aoriana.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 395-397 (xv, 4); XV, 294 (viii, 5).