Heta, I
(Hèta).
Iray amin’ireo zanakalahin’i Kanana, ary ny anarany no voatonona faharoa. Ge 10:1, 6, 15; 1Ta 1:13) Izy no razamben’ny Hetita. (1Mp 10:29; 2Mp 7:6; jereo HETITA.) Nisy nanorim-ponenana tany amin’ny havoanan’i Joda ny Hetita. (Ek 3:8) Tany akaikin’i Hebrona i Abrahama no nividy tamin’i Efrona Hetita ilay saha sy lava-bato tao Makpela, mba hataony toeram-pandevenana. (Ge 23:2-20; 25:8-10; 49:32) Miverina in-12 ny hoe “Heta” ka ny im-10 miaraka amin’ny hoe “taranak’i.” “Zanakavavin’ny Hetita” (na koa “zanakavavin’ny Kananita”) ny roa tamin’ireo vadin’i Esao, ka nalahelo mafy ny ray aman-drenin’i Esao.—Ge 26:34, 35; 27:46; 28:1, 6-8.
Zafiafin’i Noa avy tamin’i Hama koa i Heta. (