Heta, II
[ח] (hèta).
Litera fahavalo amin’ny abidy hebreo. Io no feo tononina any amin’ny fara tenda lalina indrindra, toy ny ataon’ny olona handrehoka. Manomboka amin’izy io ny andininy tsirairay ao amin’ny fizarana fahavalo amin’ny Salamo faha-119 (and. 57-64), amin’ny teny hebreo.
Mamoaka rivotra be ny vava rehefa manonona azy io ka soratana hoe h izy io, ato amin’ity boky ity.