Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hetita

Hetita

(Hetìta) [An’i Heta].

Taranak’i Heta. Ny anaran’i Heta no voatonona faharoa amin’ireo zanakalahin’i Kanana. (Ge 10:15) Taranak’i Hama àry ny Hetita.​—Ge 10:6.

Nifandray tamin’ny Hetita tany Kanana i Abrahama, tamin’izy nifindra tany. Nampanantena i Jehovah fa homeny ny taranak’i Abrahama ny tany Kanana nonenan’ny firenena maromaro, anisan’izany ny Hetita. (Ge 15:18-21) Nilaza tamin’i Abrahama anefa i Jehovah fa ‘mbola tsy nahatratra ny fara tampony ny fahadisoan’ny Amorita’ (matetika no nilazana ny firenena kananita rehetra ny hoe Amorita). (Ge 15:16) Neken’i Abrahama àry hoe an’ny Hetita ilay tany, ka nifampiraharaha tamin’i Efrona zanak’i Zohara Hetita izy mba hahazoana lava-bato handevenana an’i Saraha vadiny.​—Ge 23:1-20.

‘Nanomboka tany an-tany efitra sy teo amin’i Libanona, ka nipaka hatrany amin’ny renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata’ ny “tany rehetran’ny Hetita”, tamin’ny andron’i Josoa. (Js 1:4) Toa ny faritra be tendrombohitra, anisan’izany i Libanona sy ny faritra sasany tany Syria, no nonenan’izy ireo.​—No 13:29; Js 11:3.

Nozonin’i Noa. Taranak’i Kanana ny Hetita ka anisan’ny nozonin’i Noa koa. Tanteraka àry ny tenin’i Noa ao amin’ny Genesisy 9:25-27, rehefa resin’ny Israely izy ireo. Nanompo sampy ny Hetita, ary nivavaka tamin’ny sarina filahiana, toy ny Kananita hafa ihany. “Nangidy ny fiainan’i Isaka sy Rebeka” ray aman-drenin’i Esao, rehefa nanambady vehivavy hetita i Esao zafikelin’i Abrahama.​—Ge 26:34, 35; 27:46.

Nolazain’Andriamanitra hoe “tany tondra-dronono sy tantely” ny tanin’ny Hetita sy ny firenena kananita hafa. (Ek 3:8) Lasa ratsy fitondran-tena be anefa ireo firenena ireo, ka naloto ilay tany. (Le 18:25, 27) Imbetsaka Andriamanitra no nampitandrina ny Israelita hoe mampidi-doza ny manaraka ny fanao mampietry sy maloton’izy ireo. Notanisainy hoe inona avy no fitondran-tena maloto fanaon’izy ireo. Norarany tsy hanao izany ny Israelita, sady hoy izy: “Aza mandoto tena amin’izany zavatra izany, fa nandoto tena tamin’izany rehetra izany ireo firenena [anisan’izany ny Hetita] izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.”​—Le 18:1-30.

Voatokana haringana. Iray tamin’ireo firenena fito tsy maintsy haringana ny Hetita. Voalaza fa “be mponina sady mahery” noho ny Israelita ireo firenena ireo. Mety ho telo tapitrisa mahery àry ny mponina tao amin’ireo firenena fito ireo tamin’izany. Midika izany fa tsy ho mora resy ireo Hetita nipetraka tao amin’ireo toerany voaro mafy teny an-tendrombohitra. (De 7:1, 2) Reny fa nita an’i Jordana ny Israely notarihin’i Josoa ary nandrava ny tanànan’i Jeriko sy Ay. Koa niara-nivory tamin’ny firenena kananita hafa nankahala ny Israely ny Hetita, mba hiady tamin’izy ireo. (Js 9:1, 2; 24:11) Tokony horavana tanteraka àry ireo tanànan’ny Hetita, ary tokony haringana ireo mponina tao mba tsy hahatonga ny Israely hivadika amin’Andriamanitra ka tsy hankasitrahany intsony. (De 20:16-18) Tsy tena nankatò ny didin’Andriamanitra anefa ny Israely. Tsy naripak’izy ireo tanteraka ireny firenena ireny, taorian’ny nahafatesan’i Josoa. Nampijaly azy ireo foana toy ny tsilo teo amin’ny tehezany àry izy ireny.​—No 33:55, 56.

Tantarany tatỳ aoriana. Tsy nandringana tanteraka an’ireo firenena kananita ny Israely, ka hoy Andriamanitra: “Izao kosa no nolazaiko: ‘Tsy horoahiko hiala eo anatrehanareo ireny, fa ho fandrika ho anareo. Ary ny andriamaniny ho fakam-panahy ho anareo.’” (Mpts 2:3) Toa navela hiara-monina tamin’ny Israely ireny Kananita ireny, ary nisy mihitsy aza nomena andraikitra sy toerana ambony. Toa ny Hetita irery koa no firenena mbola nalaza sy natanjaka tany Kanana.​—1Mp 10:29; 2Mp 7:6.

Samy Hetita i Ahimeleka sy Oria, izay miaramila na angamba manamboninahitra tao amin’ny tafik’i Davida. Nazoto niady tamin’ny fahavalon’i Israely i Oria sady nankatò ny Lalàna. Nanao firaisana tamin’i Batseba vadin’i Oria anefa i Davida. Nasainy natao tamin’ny toerana nampidi-doza àry i Oria, ka maty. Nosazin’Andriamanitra i Davida noho izany.​—1Sa 26:6; 2Sa 11:3, 4, 11, 15-17; 12:9-12.

Nampanantsoin’i Solomona Mpanjaka hanao asa an-terivozona ny Hetita. (2Ta 8:7, 8) Nanambady vehivavy hafa firenena, toy ny Hetita, anefa i Solomona, ka voatarika hivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny. (1Mp 11:1-6) Resahin’ny Baiboly fa nanana mpanjaka sy nahay niady ny Hetita, tamin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Israely (t. 917-905 T.K.). (2Mp 7:6) Resin’ny Syrianina sy Asyrianina ary Babylonianina anefa izy ireo ka rava ny fanjakany.

Niverina tany amin’ny taniny ny Israelita tamin’ny 537 T.K., taorian’ny sesitany. Nisy tamin’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita sasany koa aza, nanambady vehivavy kananita. Nomen’izy ireo ho vadin’ny Kananita (anisan’izany ny Hetita) koa ny zanany vavy. Nandika ny didin’Andriamanitra izy ireo, ka niteny mafy azy ireo i Ezra. Nasainy nanao fifanekena àry izy ireo fa handroaka an’ireny vadiny hafa firenena ireny.​—Ezr 9:1, 2; 10:14, 16-19, 44.

Heviny an’ohatra. Nampiasain’i Jehovah tamin’ny heviny an’ohatra ny hoe “Hetita”, tamin’izy niresaka tamin’i Jerosalema ao amin’ny faminanian’i Ezekiela. Hoy izy: “Avy any amin’ny tanin’ny Kananita ny fiavianao, ary tany koa ianao no teraka. Amorita ny rainao, ary Hetita ny reninao.” (Ezk 16:3) Renivohitr’i Israely i Jerosalema, ary tao no nametrahan’i Jehovah ny anarany. Ny Jebosita no nonina tao, tamin’ny Israely vao tonga tany Kanana. Ny Amorita sy ny Hetita anefa no foko lehibe indrindra tany, ka izany no antony niantsoana an’ireo firenena kananita, anisan’izany ny Jebosita, hoe Amorita sy Hetita. Tsy dia nalaza àry i Jerosalema sy ny mponina tao tamin’ny voalohany, nefa nataon’i Jehovah nalaza teo amin’ireo firenena ilay tanàna, tatỳ aoriana. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”, ohatra, i Davida Mpanjaka (1Ta 29:23), napetraka teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ilay Vata misy ny fifanekena, ary nanorina an’ilay tempoly kanto i Solomona zanak’i Davida. Nanjary ratsy fitondran-tena hoatran’ireo firenena kananita nanodidina azy anefa i Jerosalema. Navelan’i Jehovah horavana àry izy io tamin’ny farany.​—Ezk 16:14, 15.

Fikarohana momba an’ireo Hetita. Nisy mpahay tantara sy mpikaroka niezaka namantatra hoe firenena iza teo amin’ny tantara ireo Hetita resahin’ny Baiboly. Ny fiteny aloha no niaingan’izy ireo, ka nampitahainy ireo teny toa mitovitovy feo na tsipelina.

Imbetsaka no miresaka momba an’ireo “Hatti” tany Syria na Palestina ny soratra miendri-pantsika asyrianina. Ireo Hetita resahin’ny Baiboly angamba izy ireo. Lazain’ny manam-pahaizana anefa fa ilay nantsoina hoe Fanjakana Hetita, izay lavitra be tany avaratra sy tany andrefan’i Kanana ireo Hetita resahin’ny Baiboly, ary tany Azia Minora ny renivohiny. Firenena telo àry no lazain’izy ireo fa Hetita, ary izao no porofo arosony:

Firenena “hetita” telo. Nisy soratra tranainy maro nofongarina tao Bogazkoy (nantsoina fahiny hoe “Hattoshash”), any Anatolia (anisan’i Torkia ankehitriny), any Azia Minora. I Bogazkoy no renivohitry ny tany iray antsoin’ny manam-pahaizana hoe Hatti, ary “hatti” no fitenin’ireo mponina tany. Resin’ny mpanafika izy ireo ka ny fitenin’ireny indray no nampiasain’izy ireo, dia fiteny fampiasa tany Inde sy Eoropa, hoy ny manam-pahaizana. Soratra nantsoina hoe “soratra miendri-pantsika hetita” no nanoratana io fiteny io. Nosoloana fiteny hafa amin’ny soratra miendrika kisarisary indray izany tatỳ aoriana. Mbola fiteny fampiasa tany Inde sy Eoropa koa ilay izy, ary nantsoina hoe “soratra hetita miendrika kisarisary.” Nisy soratra amin’io fiteny io, hono, hita tany Azia Minora sy ny faritra avaratr’i Syria. Milaza ny manam-pahaizana fa firenena telo samy hafa no nampiasa ireo fiteny telo ireo. Tsy misy porofo anefa manamarina fa ny Hetita resahin’ny Baiboly ny iray tamin’izy ireo. Hoy i Martin Noth, momba ilay antsoina hoe soratra miendri-pantsika hetita: “Tsy hita ao amin’ny soratra tranainy ny teny hoe ‘hetita’, fa noforonin’ny mpianatra ankehitriny. Mino mantsy izy ireo fa ny fanjakan’ny Hatti tany Azia Minora no nampiasa io fiteny io.” Hoy koa izy momba ny “soratra hetita miendrika kisarisary”: “Tsy mitombina sady mamitaka ny filazana hoe hetita izy io.” (Ny Tontolon’ny Testamenta Taloha, 1966, p. 231) Hoy àry i E. Speiser, mpahay tantara: “Sarotra ny mamantatra hoe iza marina ireo Hetita resahin’ny Baiboly. Tsy fantatra mantsy hoe Hetita iza no resahin’ireo andininy ao: Hatianina, sa Hetita avy any Inde sy Eoropa resahin’ny soratra miendri-pantsika, sa Hetita nampiasa soratra miendrika kisarisary.”​—Ny Tantaran’ny Jiosy, 1964, Boky 1, p. 160.

Tombantombana fotsiny àry ny filazana hoe ilay “Fanjakana Hetita” nanana ny renivohiny tao Hattoshah, ireo Hetita resahin’ny Baiboly. Hitanay fa tsy ampy ny porofo naroso hatramin’izao momba an’ireo Hetita. Anaty faraingososona foana àry ato amin’ity boky ity ireo “Hetita” resahin’ny tantara, mba ho fantatry ny mpamaky fa tsy azo antoka hoe iza marina izy ireny, sady tsy misy porofo ahafantarana azy.