Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hetra

Hetra

Vola na entana (na asa) takin’ny fanjakana amin’ny olona na alaina amin’ny fananany. Efa hatry ny ela no nisy hetra notakina mba hampandeha ny asan’ny fanjakana sy manam-pahefana ary mpisorona. Notakina taloha, ohatra, ny ampahafolon-karena, haba, hetran-dalana, hetra isan-dahy, hetra nalaina tamin’ny entana namidy na naondrana na nohafarana ary tamin’ny mpivaro-mandeha. Antsoina hoe hetra koa ny vola na zava-tsarobidy toy ny biby fiompy omen’ny fanjakana na mpitondra ho an’ny firenena vahiny, ho fanekena ny fahefany na hisorohana ady na hahazoana fiarovana. Volamena sy volafotsy ary zavatra hafa tsy nananany firy no hetra notakin’ny firenena natanjaka tamin’ny firenen-kafa, ka lasa natanjaka ny toe-karenany fa ritra kosa ny harenan’ilay firenena resiny.

Nampandeha ny asa tao amin’ny toerana masin’i Jehovah. Ny ampahafolon-karena (izay tsy maintsy naloa) no tena nahafahan’ny mpisorona sy Levita taranak’i Arona nahazo izay nilainy. Nasain’i Jehovah nakana ho azy ireo koa indray mandeha, fara fahakeliny, ny hetra notakiny tamin’ny zavatra azo babo. (No 18:26-29; 31:26-47; jereo AMPAHAFOLON-KARENA.) Tokony handoa antsasaky ny sekely (1,10 dolara) ho “fanomezana ho an’i Jehovah” koa ny olona tsirairay mba hampiasaina tao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa avy nisain’i Mosesy ny vahoaka. (Ek 30:12-16) Toa lasa fahazaran’ny Jiosy ny nanome an’io vola io isan-taona, na dia tsy nisy fanisam-bahoaka aza. Nilaza, ohatra, i Joasy fa tokony haloa ny ‘hetra masina nasain’i Mosesy nomena.’ (2Ta 24:6, 9) Nanapa-kevitra ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia fa hanome ampahatelon’ny sekely (0,75 dolara eo ho eo) isan-taona ho an’ny fanompoana tao amin’ny tempoly.​—Ne 10:32.

Nandoa drakma roa ho an’ny tempoly ny Jiosy, fony i Jesosy tetỳ an-tany. Nilaza i Petera rehefa nanontaniana fa nandoa an’io hetra io koa i Jesosy. Nolazain’i Jesosy taminy avy eo fa tsy ampandoavin’ny mpanjaka hetra ny zanany, satria ho an’ny fianakaviany ihany ilay izy. Nanaiky handoa an’ilay hetra anefa i Jesosy, na dia Zanaka lahitokan’ilay tompoina ao amin’ny tempoly aza, mba tsy ho tafintohina ny hafa.​—Mt 17:24-27.

Notakin’ny mpitondra. Nitakian’ny mpanjakany hetra ny Israelita, ka nasainy nanome ny ampahafolon’ny vokatra sy ny ampahafolon’ny ondry aman’osiny ho azy sy ny ankohonany, ary ho an’ny mpanompony sy ny manam-pahefana. (1Sa 8:11-17; 1Mp 4:6-19) Tsy zakan’ny vahoaka intsony anefa ny nanao fanompoana sy nanohana ny fanjakana rehefa hifarana ny fitondran’i Solomona. Nangataka tamin’i Rehoboama zanany izay nandimby azy àry izy ireo mba hanamaivana ‘ilay fanompoana mafy sy ilay zioga mavesatra.’ Tsy nanaiky i Rehoboama, ka nikomy ny foko folo.​—1Mp 12:3-19; jereo ASA AN-TERIVOZONA; FANOMPOANA TSY MAINTSY ATAO.

Tsy maintsy nandoa hetra (aram.: middah na mindah) sy haba (belôh) ary hetran-dalana (halak) tamin’ny Persianina ny Jiosy (afa-tsy ireo mpisorona sy mpanompo tao amin’ny toerana masina izay tsy nampandoavin’i Artaksersesy Lava Tanana). (Ezr 4:13, 20; 7:24) Toa ilazana ny hetra naloan’ny tsirairay ny hoe middah, ny hetra nalaina tamin’ny entam-barotra ny hoe belôh, ary ny hetra naloan’ny mpanao dia lavitra rehefa teny amin’ny toerana fiantsonana na fiampitana renirano ny hoe halak. Bebe ihany ilay middah (nadika hoe ‘hetra’, Ne 5:4, Prot., Kat., TV) matoa Jiosy maro no voatery nisambo-bola mba handoavana azy io. Nanome vola ho an’ny governora koa izy ireo, ankoatra ny hetra notakin’ny Persianina.​—Ne 5:14, 15.

Tsy nahafaly an’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany mihitsy ny nandoa hetra, satria tsy te hanaiky ny fahefan’i Roma izy ireo ary tia kolikoly loatra ny mpamory hetra. (Jereo MPAMORY HETRA.) Nilaza anefa i Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly fa tokony haloa amin’i “Kaisara” na ny “manam-pahefana” ny hetra. (Mt 22:17-21; Ro 13:1, 7; jereo KAISARA [Andriamanitra sy Kaisara].) Anisan’ny hetra resahin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe telôs (hetra tsy mivantana, haba; Mt 17:25; Ro 13:7) sy kensôs (hetra isan-dahy; Mt 17:25; 22:17, 19; Mr 12:14) ary fôrôs (manana heviny maro ary toa ilazana ny hetran-trano, hetran-tany, ary hetra aloan’ny olona; Lk 20:22; 23:2).

Notakin’ny mpanjanaka. Nisy firenen-kafa nandoa hetra tamin’ireto mpanjakan’ny Joda ireto: Davida (2Sa 8:2, 6), Solomona (Sl 72:10; ampit. 1Mp 4:21; 10:23-25), Josafata (2Ta 17:10, 11), ary Ozia (2Ta 26:8). Nisy koa nandoa tamin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely. (2Mp 3:4, 5) Nivadika tamin’Andriamanitra anefa ny Israelita, ka resy matetika ary nitakian’ny firenen-kafa hetra. Efa tamin’ny andron’ny Mpitsara izy ireo no nandoa hetra tamin’i Eglona mpanjakan’i Moaba. (Mpts 3:12-17, f.a.p.) Nandoa hetra tamin’ny firenena nifehy azy ny fanjakan’ny Joda sy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, tatỳ aoriana. Nampandoavin’i Farao Neko sazy na hetra be, ohatra, ny Joda ka ny vahoaka indray no nasain’i Joiakima nanome vola “arakaraka ny hetra tokony haloan’ny tsirairay.” (2Mp 17:3; 23:31-35) Toy ny nandoa hetra koa ny Joda sy Israely rehefa nanome tsolotra mba tsy hotafihin’ny fahavalo, na mba hampian’ny tafika hafa.​—2Mp 12:18; 15:19, 20; 18:13-16.