Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hezekia

Hezekia

(Hezekìa) [Manatanjaka i Jehovah].

1. Mpanjakan’ny Joda tamin’ny 745-717 T.K. Toa lasa mpanjaka izy rehefa maty i Ahaza rainy, tamin’ny “taona fahatelo nanjakan’i Hosea” mpanjakan’ny Israely (angamba tamin’ny taona fahatelo nandoavan’i Hosea hetra tamin’i Tiglato-pilesera III). Tsy natomboka nisaina anefa ny taona nanjakan’i Hezekia, raha tsy tamin’ny volana Nisana tamin’ny taona nanaraka (745 T.K.). (2Mp 18:1) I Isaia sy Hosea ary Mika no mpaminany velona tamin’ny andro nanjakany. (Is 1:1; Ho 1:1; Mi 1:1) Mpanjaka niavaka i Hezekia, satria “nifikitra tamin’i Jehovah foana”, ary nanao izay mahitsy teo imasony sady nankatò ny didiny. Raha vao lasa mpanjaka izy, dia nafana fo nampandroso ny fivavahana marina, tsy tany Joda ihany fa nanerana ny tanin’ny Israely koa. Nanao toa an’i Davida razambeny izy, ka nanaraka ny lalan’i Jehovah. Rariny àry raha lazaina fa “tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan’ny Joda rehetra, na ny taoriany na ny talohany.” “Nomba azy i Jehovah” noho izany.​—2Mp 18:3-7.

Asa soratra. Fantatra fa i Hezekia no nanangona ny sasany tamin’ireo Ohabolan’i Solomona, rehefa jerena izao teny mampiditra ny Ohabolana toko faha-​25-29 izao: “Ireto koa ny ohabolan’i Solomona izay nadikan’ny olon’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.” (Oh 25:1) Izy koa no nanoratra ny hira fisaorana ao amin’ny Isaia 38:10-20, tamin’izy nositranin’i Jehovah tamin’ny aretina saika nahafaty azy. Hoy izy: “Hotendreko amin’ny lokanga ny feon-kira noforoniko.” (And. 20) Misy mino fa i Hezekia no nanoratra ny Salamo faha-​119. Raha izany no izy, dia andriana i Hezekia fa mbola tsy mpanjaka, tamin’izy nanoratra azy io.

Zava-nisy tamin’ny fotoana nandraisan’i Hezekia ny fitondrana. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fanjakan’ny Joda tamin’izay. Maro be mantsy ny zava-maharikoriko an’i Jehovah nataon’i Ahaza rain’i Hezekia, ka niely nanerana ny Joda ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso. Navelan’i Jehovah hampijalijaly an’ilay firenena àry ny fahavalo, indrindra fa i Asyria, izay firenena faharoa natanjaka indrindra eran-tany. Nalain’i Ahaza ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly sy tao an-dapany, ka nalefany hatao tsolotra ho an’ny mpanjakan’i Asyria. Mbola ratsy kokoa aza, fa nopotipotehin’i Ahaza ny fitaovana tao amin’ny tempoly, nohidiany ny varavarana tao, ary nasiany alitara “isaky ny zoron-dalana tao Jerosalema” mba hanaovana sorona ho an’andriamani-kafa. Nanao fifanekena tamin’ny mpanjakan’i Asyria i Ahaza mba hahazoana fiarovana. (2Mp 16:7-9; 2Ta 28:24, 25) Raha vao nanomboka nanjaka anefa i Hezekia, dia “nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asyria” izy.​—2Mp 18:7.

Mbola ratsy kokoa ny zava-nisy tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra tamin’izay fotoana izay. Lehibe ny fahotan’ny Israely ka navelan’i Jehovah hijalijaly izy ireo, satria lasa nandoa hetra ho an’i Asyria. Nofoanan’i Asyria ilay firenena tamin’ny farany, ary nataony sesitany ny mponina tao.​—2Mp 17:5-23.

Nafana fo tamin’ny fivavahana marina. Nasehon’i Hezekia hoe nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy, raha vao lasa mpanjaka, tamin’izy 25 taona. Ny zavatra nataony voalohany dia ny nanokatra ny tempoly sy nanamboatra izay simba tao. Nantsoiny daholo ny mpisorona sy ny Levita, ary hoy izy: “Irin’ny foko ... ny hanao fifanekena amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” Fifanekena tsy hivadika amin’i Jehovah izany, toy ny hoe naverina notokanana indray tany Joda ny fifaneken’ny Lalàna (izay mbola nanan-kery saingy tsy noraharahaina). Niezaka mafy i Hezekia nandamina ny fanompoan’ny Levita, ary naveriny tamin’ny laoniny ny fitendrena mozika sy ny fanaovana hira fiderana. Volana Nisana, fotoana tokony hankalazana Paska tamin’izay, nefa mbola naloto ny tempoly sy ny mpisorona ary ny Levita. Voadio ny tempoly tamin’ny 16 Nisana, ary naverina tamin’ny laoniny ny fitaovana tao. Nalamina ny hisian’ny fandrakofam-pahotana manokana ho an’ny Israely rehetra. Ny andriana aloha no nitondra ny sorona, izany hoe ny fanatitra noho ny ota ho an’ny fanjakana sy ho an’ny toerana masina ary ho an’ny vahoaka. Ny vahoaka kosa nitondra fanatitra dorana an’arivony avy eo.​—2Ta 29:1-36.

Naloto ny vahoaka ka tsy afaka nankalaza ny Paska tamin’ny daty nahazatra. Milaza anefa ny lalàna fa afaka nankalaza azy io iray volana tatỳ aoriana, izay naloto ka tsy afaka nankalaza izany tamin’ny daty nahazatra. Io lalàna io no narahin’i Hezekia, ka nanao antso avo izy, tsy tao Joda ihany fa tany Israely koa. Mpihazakazaka nitondra taratasy no nirahiny nanerana an’ilay tany hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana. Maro no naneso an’ireo mpihazakazaka. Nisy olona nanetry tena anefa avy tamin’ny fokon’i Asera, Manase, ary Zebolona, ka tonga nanatrika an’ilay fankalazana. Nisy tonga koa ny avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Isakara. Maro koa ireo tsy Israelita mpivavaka tamin’i Jehovah tonga nanatrika. Tsy mora ho an’ireo nonina tany amin’ny fanjakana tany avaratra ny nanohana ny fivavahana marina toy izany. Nisy nanohitra sy naneso toa an’ireo mpitondra hafatra ihany izy ireo. Efa nikororosy be mantsy ny fiainana tany amin’ireo foko folo tany avaratra, ary nanjaka ny fivavahan-diso, sady efa nandindona ny fanafihan’ny Asyrianina.​—2Ta 30:1-20; No 9:10-13.

Rehefa vita ny Paska, dia nankalazaina nandritra ny fito andro ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Faly be ny mpanatrika ka nanapa-kevitra ny fiangonana manontolo fa mbola hampiana fito andro ilay fankalazana. Fotoana nampidi-doza tamin’izay, nefa betsaka ny fitahian’i Jehovah ka “nisy fifaliam-be tany Jerosalema, satria mbola tsy nisy toy izany tany, hatramin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida mpanjakan’ny Israely.”​—2Ta 30:21-27.

Tsy nanentana ny fihetseham-po fotsiny ilay fivoriambe, fa tena nanarina sy namelona indray ny fivavahana marina. Talohan’ny nodian’ireo mpanatrika mantsy, dia nopotehin’izy ireo ny tsangambato masina, sady noravany ny toerana avo sy ny alitara, ary nokapainy ny tsato-kazo masina nanerana an’i Joda sy Benjamina hatrany Efraima sy Manase. (2Ta 31:1) Nanome ohatra i Hezekia ka notorotoroiny ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy. Nataon’ny olona sampy mantsy izy io ka nanolorany setroka ho sorona. (2Mp 18:4) Rehefa vita ilay fankalazana lehibe, dia nataon’i Hezekia izay hanarahan’ny olona foana ny fivavahana marina. Nalaminy àry ny fizarana nisy ny mpisorona sy ny fanampiana an’ireo nanompo tao amin’ny tempoly. Nampirisihiny hankatò Lalàna ny vahoaka, ka hanome ampahafolon-karena sy voaloham-bokatra ho an’ny Levita sy ny mpisorona. Nankatò tamin’ny fony manontolo ny olona.​—2Ta 31:2-12.

Nihamafy ny fandrahonan’ny Asyrianina. Nopaohin’ny Asyrianina izay rehetra nolalovany. Nitoky tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely anefa i Hezekia, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asyria izy, ary namely an’ireo tanànan’ny Filistinina, izay toa niray dina tamin’i Asyria.​—2Mp 18:7, 8.

Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia (742 T.K.) no nanao fahirano an’i Samaria i Salmanesera mpanjakan’i Asyria. Voababo i Samaria tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia (740 T.K.). Nataon’ny Asyrianina sesitany ny mponina tany amin’ny fanjakan’ny foko folo, ary olon-kafa no namponeniny tany. (2Mp 18:9-12) Lasa toy ny nosy kely voahodidina fahavalo àry ny fanjakan’ny Joda, izay nisolo tena ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fivavahana marina.

Nirehareha erỳ i Sankeriba, zanak’i Sargona II, hoe tsy maintsy ho azony koa i Jerosalema, ankoatra an’ireo tany efa azony, sady i Hezekia rahateo efa nanapaka ny fifanekena nataon’i Ahaza Mpanjaka rainy tamin’i Asyria. Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.), dia “niakatra hamely an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda” i Sankeriba “ka naka an’ireny.” Nampanantena fanomezana ho an’i Sankeriba i Hezekia, mba tsy handrahonany an’i Jerosalema intsony. Talenta volafotsy 300 (1 982 000 dolara teo ho eo) sy talenta volamena 30 (11 560 000 dolara teo ho eo) be izao no nangatahin’i Sankeriba. Mba handoavana izany, dia voatery nanome izay volafotsy rehetra tao amin’ny tempoly sy avy tamin’ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka i Hezekia, ary ireo metaly sarobidy napetaka tamin’ny varavarana sy tolànan’ny tempoly. Nahafaly ny mpanjakan’i Asyria izany, saingy vetivety ihany.​—2Mp 18:13-16.

Zava-bita niavaka. Hita mihitsy hoe hendry i Hezekia, rehefa nananontanona ny fanafihan’i Sankeriba, mpanjaka tsy nety afa-po. Nampiasa tetikady koa i Hezekia. Notampenany avokoa mantsy ireo loharano tany ivelan’ny tanànan’i Jerosalema, mba tsy hanan-drano ny Asyrianina raha tonga manao fahirano. Nohamafisiny ny mandan’ny tanàna, ary “nanao lefom-pohy be dia be sy ampinga koa izy.” Tsy nitoky tamin’ny fitaovam-piadiana anefa izy, satria rehefa nangoniny ny vahoaka sy ireo mpiadidy teo amin’ny tafika, dia hoy izy: “Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria sy ny olona rehetra miaraka aminy, fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hanampy antsika sy hiady ho antsika.”​—2Ta 32:1-8.

Anisan’ny zava-bita niavaka fahiny ilay lakandrano nataon’i Hezekia, izay miainga avy eo amin’ilay fantsakana ao Gihona (eo atsinanan’ny ilany avaratra amin’ny Tanànan’i Davida). Somary miolikolika ilay lakandrano tokotokony ho 533 m, hatrany amin’ny Dobon’i Siloama, eo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. Ny Dobon’i Siloama dia eo ambanin’ny Tanànan’i Davida, saingy ao anatin’ny manda vao naorina teo atsimon-tanàna. (2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Nahitana soratra hebreo tranainy voasokitra teo amin’ny rindrin’ilay tionelin-drano tery kely (1,8 m eo ho eo ny haavony). Izao no ampahany tamin’ilay soratra: “Ary toy izao no nandavahana azy ity: Raha mbola [...] ny famaky, ka ny lehilahy tany amin’ny andaniny nifanena tamin’ny lehilahy tany amin’ny ankilany, ary raha mbola telo hakiho sisa no nila nolavahana dia [re] ny feon’ny lehilahy iray niantso ny namany tany ambadika, satria nisy triatra ny ilany havanana [sy ny ilany havia] teo amin’ilay vatolampy. Ary rehefa voagorobaka ilay tionelina, dia samy nandavaka (an’ilay vatolampy) ny mpipai-bato ka ny famaky tany amin’ny andaniny nidona tamin’ny famaky tany amin’ny ankilany; ary nikoriana teo ny rano avy tany amin’ilay loharano ka tonga hatrany amin’ilay fitehirizan-drano tany amin’ny 1200 hakiho, ary 100 hakiho ny haavon’ilay vato teo ambonin’ny lohan’ireo mpipai-bato.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 321) Nolavahana tao amin’ny vatolampy avy tany amin’ny andaniny roa àry ilay tionelina, ka nihaona teo afovoany. Tena zava-bita niavaka tokoa izy io.

Tsy nahavita nanafika an’i Jerosalema i Sankeriba. Nitranga tokoa ilay nampoizin’i Hezekia: Tapa-kevitra ny hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba. Raha mbola nanao fahirano ny tanàna voaro mafin’i Lakisy i Sankeriba sy ny tafiny, dia nandefa miaramila niaraka tamin’ny manamboninahitra vitsivitsy izy mba hanery ny olona tany Jerosalema hitolo-batana. Tena nahay niteny hebreo ilay mpitondra tenin’ireo iraka ireo, izay nantsoina hoe Rabsake (tsy anaran’ilay lehilahy fa anaram-boninahitra tao amin’ny tafika). Niteny mafy izy ka naneso an’i Hezekia sy nihantsy an’i Jehovah. Tsy ho vitan’i Jehovah, hono, ny hanafaka an’i Jerosalema eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria, satria na ireo andriamanitry ny firenen-kafa aza tsy nahavita namonjy ny tanin’ireo mpivavaka taminy.​—2Mp 18:13-35; 2Ta 32:9-15; Is 36:2-20.

Niady saina be i Hezekia, nefa natoky an’i Jehovah foana, ka nitalaho taminy tany amin’ny tempoly. Nirahiny ho any amin’i Isaia mpaminany koa ny lohandohany vitsivitsy avy teo amin’ny vahoaka. Nasain’i Jehovah namaly azy ireo i Isaia hoe handre tatitra i Sankeriba ka hody any amin’ny taniny, ary any izy no hisy hamono. (2Mp 19:1-7; Is 37:1-7) Efa niala tao Lakisy i Sankeriba tamin’izay, ary tany Libna izy no nandre fa tonga mba hiady aminy i Tiraka mpanjakan’i Etiopia. Mbola nandefasany taratasy fandrahonana sy fihantsiana an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ihany anefa tany amin’i Hezekia. Novelarin’i Hezekia teo anatrehan’i Jehovah ireo taratasy nanala baraka voarainy ireo. Nirahin’i Jehovah hilaza ny valiny àry i Isaia. Nihantsy an’i Sankeriba i Jehovah ary nanome toky fa tsy ho tafiditra ao Jerosalema ny Asyrianina. Hoy i Jehovah: “Hiaro an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”​—2Mp 19:8-34; Is 37:8-35.

Naniraka anjely iray i Jehovah tamin’ny alina, ka namono miaramila kalazalahy 185 000 tao amin’ny tafik’i Sankeriba izy io. Maty daholo ireo “lehilahy matanjaka sy mahery fo, mbamin’ny mpitarika sy ny lehiben’ny miaramila tao an-tobin’ny mpanjakan’i Asyria. Koa nody tamin-kenatra tany amin’ny taniny ny mpanjakan’i Asyria.” Nandamòka àry ny fandrahonan’i Sankeriba an’i Jerosalema. Tatỳ aoriana, “raha mbola niankohoka tao an-tranon’i Nisroka andriamaniny izy, dia namono azy tamin’ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy.”​—2Ta 32:21; Is 37:36-38.

Nahita an’izao soratra miresaka ny nandresen’i Sankeriba ny tafika etiopianina izao ny mpikaroka: “Tsy nanaiky hofeheziko i Hezekia Jiosy. Nataoko fahirano àry ny 46 tamin’ireo tanànany voaro mafy ... [ary resiko ireny] ... Izy [Hezekia] kosa nogadraiko tao Jerosalema tanànany, toy ny vorona voahidy anaty tranony.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 288) Tsy nihambo ho nahazo an’i Jerosalema i Sankeriba. Mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly izany. Voalaza ao mantsy fa nikomy tamin’i Asyria i Hezekia, ary tsy nahavita nandresy an’i Jerosalema i Sankeriba. Nanitatra i Sankeriba ka nilaza fa talenta volafotsy 800 no naloan’i Hezekia taminy, nefa 300 no ao amin’ny Baiboly. Efa fanaon’ny mpanjaka mpanompo sampy ny nirehareha toy izany rehefa nanoratra ny zava-bitany.

Nohalavaina ny androm-piainan’i Hezekia. Nisy fery be i Hezekia tamin’ny fotoana nandrahonan’i Sankeriba an’i Jerosalema. Nasain’i Isaia mpaminany nanafatrafatra ny ankohonany àry izy satria ho faty. Mbola tsy nanan-janakalahy anefa i Hezekia tamin’izay, ka natahorana ho tapitra hatreo ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Nivavaka mafy tamin-dranomaso tamin’i Jehovah izy, ka nirahin’i Jehovah hilaza taminy i Isaia hoe hampiana 15 taona ny androm-piainany. Ny famantarana nomena dia hoe hihemotra zanatohatra folo ny aloka eo amin’ny “zanatohatr’i Ahaza.” (Jereo MASOANDRO) Nahazo zanakalahy nantsoina hoe Manase i Hezekia, ny taona fahatelo taorian’izay. Io no nandimby azy teo amin’ny seza fiandrianana.​—2Mp 20:1-11, 21; 21:1; Is 38:1-8, 21.

Nanao fahadisoana nefa nibebaka. Hoy ny Baiboly: “Tsy mba namaly ny soa natao taminy anefa i Hezekia, satria nanjary nirehareha ny fony. Koa tezitra taminy sy tamin’ny Joda sy Jerosalema Andriamanitra.” (2Ta 32:25) Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona io nireharehan’i Hezekia io. Angamba izany ilay zavatra nataony tamin’izy efa sitrana. Namangy azy mantsy ireo irak’i Berodaka-baladana (Merodaka-baladana) mpanjakan’i Babylona, ka nasehony azy ireo ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karena tao an-tranony sy tao amin’ny fanjakany manontolo. Hadalana mihitsy izany. Angamba izy te hisehoseho tamin’ny mpanjakan’i Babylona, mba hahatonga azy io hanampy azy hiady tamin’ny mpanjakan’i Asyria. Mazava ho azy, fa niteraka fitsiriritana tao amin’ny Babylonianina izany. Tsy neken’i Isaia mpaminany mihitsy anefa ny hanaovana fifanekena na hitadiavana fanampiana tamin’i Babylona, izay fahavalon’Andriamanitra efa hatry ny ela. Rehefa reny àry izay nataon’i Hezekia tamin’ireo irak’i Babylona, dia nilaza faminaniana avy tamin’i Jehovah izy hoe ho avy ny andro hitondran’ny Babylonianina ny zava-drehetra any Babylona, ka anisan’izany ny sasany amin’ny taranak’i Hezekia. Nanetry tena anefa i Hezekia ka tsara fanahy taminy i Jehovah, ary tsy namela ilay loza ho tonga tamin’ny androny.​—2Mp 20:12-19; 2Ta 32:26, 31; Is 39:1-8.

Tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany, dia nisy lohandohany teo amin’ny vahoaka nidera an’i Hezekia noho izy nihaino ny mpaminanin’i Jehovah, dia i Mika avy any Moreseta.​—Je 26:17-19.

2. Razamben’i Zefania mpaminany. Mety ho i Hezekia Mpanjaka ihany izy io.​—Ze 1:1.

3. Lehilahy israelita iray nanana taranaka niara-nody tamin’i Zerobabela, avy tany an-tsesitany tany Babylona. Toa tsy i Hezekia Mpanjaka izy io. (Ezr 2:1, 2, 16; Ne 7:6, 7, 21) Mety ho taranak’ity Hezekia ity ny iray tamin’ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka, izay nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 14, 17.