Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hezrona

Hezrona

(Hezrôna) [Tokotany; Tanàna Kely].

1. Zanakalahin’i Robena, ary lohan’ny fianakaviamben’ny “Hezronita.”​—Ge 46:9; Ek 6:14; No 26:4-6; 1Ta 5:3.

2. Zanakalahin’i Pereza ary lohan’ny fianakaviamben’ny “Hezronita” taranak’i Joda. Razamben’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy izy. (Ge 46:12; No 26:20, 21; Rt 4:18-22; Mt 1:3; Lk 3:33) Nanambady an’ilay zanakavavin’i Makira i Hezrona tamin’izy 60 taona, ary niteraka an’i Segoba izy ireo. (1Ta 2:21) Toa efa teraka talohan’izay i Jeramela sy Rama ary Kelobay (Kaleba) zanany lahy.​—1Ta 2:9, 18, 25.

Voalazan’ny soratra nataon’ny Masoreta, ao amin’ny 1 Tantara 2:24, fa maty tany Kaleba-efrata i Hezrona, ary niteraka an’i Asora rain’i Tekoa i Abia vadiny, taorian’izay. Misy manam-pahaizana anefa mihevitra fa tsy izany no voalazan’ny soratra tany am-boalohany. Tsy maintsy ho tany Ejipta, hono, i Hezrona no maty, satria izy tao anatin’ireo olona 70 “anisan’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.” (Ge 46:12, 26, 27) Mino koa ireo manam-pahaizana ireo fa toa tsy nisy toerana nitondra ny anarana hebreo hoe Kaleba-efrata tany Ejipta. Maro àry ny mpandika teny nanitsy ny 1 Tantara 2:24 mba hifanaraka kokoa amin’izay ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate Latinina. Izao, ohatra, no nandikana an’io andininy io ao amin’ny DIEM: “Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekoa.” Izao koa no voalazan’ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ary taorian’ny nahafatesan’i Hezrona dia nankao amin’i Efrata i Kaleba. Ary ny vadin’i Hezrona dia i Abia, izay niterahany an’i Asora, rain’i Tekoa.” Hita amin’ireo fanovana ireo fa mety ho “zanakalahin’i” Kaleba tamin’i Efrata i “Asora” nefa mety ho “zanakalahin’i” Hezrona tamin’i Abia koa.

3. Tanàna teo amin’ny sisin-tany atsimo amin’ny faritanin’i Joda, ary teo anelanelan’i Kadesi-barnea sy Adara. (Js 15:1-3) Misy fitantarana mifanitsy amin’ny Josoa 15:1-3 ao amin’ny Nomery 34:4, saingy tsy nosoratana mitokana ny hoe Hezrona sy Adara, fa natambatra hoe “Hazara-adara.” Toa midika izany fa toerana nifanakaiky i Adara sy Hezrona (Hazara), na koa toerana iray ihany.​—Jereo ADARA, I No. 2.