Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiasinta

Hiasinta

(hiasìnta).

Vatosoa manga antitra tsy tena sarobidy ny hiasinta (gr.: hyakintôs). Anaram-boninkazo no tonga voalohany ao an-tsaina amin’io teny io, ary angamba ny voninkazo iris manga antitra. Voalaza fa hiasinta ny vato fototra faha-11 tamin’ny tanànan’i Jerosalema Vaovao.​—Ap 21:20.

Resahin’ny Apokalypsy fa anisan’ny loko teo amin’ny fiarovan-tratran’ireo miaramila mpitaingin-tsoavaly ny loko manga antitra toy ny hiasinta. (Ap 9:16, 17; jereo koa Prot.) Loko hafa teo amin’ny fiarovan-tratra koa ny mena toy ny afo sy ny mavo toy ny solifara. Milaza ny tohin’ilay andininy fa nisy afo sy setroka ary solifara nivoaka avy tamin’ny vavan’ireo soavaly. Toa midika izany fa manondro ny hamaintin’ilay setroka ilay loko manga antitra toy ny hiasinta. Mety hahafaty izany setroka izany rehefa mifangaro amin’ny afo sy solifara.