Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hidin-trano

Hidin-trano

Fitaovana fanidiana varavarana na vavahady. (Mpts 3:23, 24; Ne 3:3, 6, 13-15) Bara hazo nisy lavadavaka ny karetsaka taloha, ary nakorisa tao anaty takela-kazo nifanapaka tamin’ilay bara. Nisy kinifinifiny hazo na vy io takela-kazo napetaka tamin’ny varavarana io. Rehefa natsofoka tao amin’ny lavaka teo amin’ny tolàna ilay barany dia nilatsaka tao amin’ny lavadavak’ilay barany ireo kinifinifiny ireo, ka nihidy ny varavarana. Natosiky ny lakile hiakatra kosa ireo rehefa nosokafana ny varavarana, ka nikisaka ilay barany. Ny lavaky ny hidin-trano nitsofohan’ny bara hazo no noresahin’ilay tovovavy solemita, tamin’izy nitantara ny nofiny hoe tsy afaka nihaona izy sy ilay mpiandry ondry malalany satria nihidy ny varavarana.​—To 5:2-5; jereo LAKILE.