Hiela
(Hièla) [fanafohezana ny hoe Ahiela, izay midika hoe “Ny Rahalahiko dia Andriamanitra; Rahalahin’Andriamanitra”].
Betelita namerina nanorina an’i Jeriko, tamin’ny andron’i Ahaba, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. Tanteraka taminy àry ny ozona nolazain’i Josoa, 500 taona mahery talohan’izay: Maty i Abirama lahimatoany noho ny nanaovany ny fototra, ary maty i Segoba faralahiny noho ny nananganany ny vavahadin’ilay tanàna.—Js 6:26; 1Mp 16:33, 34.