Higaiona
(Higaiôna).
Avy amin’ny hoe higgayôhn (heb.), izay toromarika momba ny mozika, hoy ny mpanao diksionera. (Sl 9:16) Nadika hoe ‘vetso’, ‘saintsainina’, ‘saina’, ‘feo mikarantsana tsara’, ‘fireondreona’, ‘feo maneno mafy’, ary “bitsibitsika” izy io, arakaraka ny teny manodidina. (Sl 19:14 [19:15, DIEM]; 92:3 [92:4, Kat.]; Ft 3:62, JM, Prot., TV) Mety hidika hoe feona harpa migoboka tendrena vetivety, na fiatoana alohan’ny fisaintsainana, ny Higaiona ao amin’ny Salamo 9:16.