Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hilkia

Hilkia

(Hilkìa) [Anjarako i Jehovah].

1. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary. Zanakalahin’i Amzy izy, sady razamben’ilay Etana notendren’i Davida ho mpihira tao amin’ny toerana masina.​—1Ta 6:31, 32, 44-46.

2. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary, voatendry ho mpiandry vavahady tamin’ny andron’i Davida. Zanakalahin’i Hosa izy.​—1Ta 26:10-12.

3. Rain’ilay Eliakima tandapan’i Hezekia Mpanjaka.​—2Mp 18:37.

4. Mpisoronabe tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka. Zanak’i Saloma izy sady rain’i Azaria. Toa razamben’i Ezra mpanao dika soratra koa izy. (2Mp 22:3, 4; 1Ta 6:13; Ezr 7:1, 2, 6) Lasa nisongadina i Hilkia Mpisoronabe, rehefa naverin’i Josia tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Namboarina ny simba tao amin’ny tempoly tamin’izay, ka hitan’i Hilkia tao ny “boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Tena miavaka io boky hita io satria io mihitsy ilay nosoratan’i Mosesy. Nomen’i Hilkia an’i Safana mpitan-tsoratra ilay sora-tanana mba homeny ny mpanjaka. Rehefa nandre an’i Safana namaky an’ilay boky i Josia Mpanjaka, dia naniraka olona maromaro notarihin’i Hilkia Mpisoronabe mba ho any amin’i Holda mpaminanivavy, ka hanontany an’i Jehovah ho an’ny mpanjaka sy ny vahoaka.​—2Mp 22:3-14; 2Ta 34:14.

5. Rain’i Jeremia mpaminany. Mpisorona tany Anatota, tao amin’ny tanin’i Benjamina izy.​—Je 1:1.

6. Rain’ilay Gemaria nirahin’i Zedekia Mpanjaka niaraka tamin’i Elasa nankany amin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona.​—Je 29:3.

7. Levita mpisorona, izay niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany Babylona.​—Ne 12:1, 7.

8. Iray tamin’ireo nijoro teo ankavanan’i Ezra, rehefa novakina tamin’ny vahoaka ny Lalàna.​—Ne 8:2-4.

9. Mpisorona lohan’ny fianakaviambe iray tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 12:12, 21, 26.