Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hina

Hina

(hìna).

Fatran’ny ranon-javatra (Ek 30:24; No 28:14; Ezk 45:24; 46:5, 7, 11), ary ilazana famarana koa. (Le 19:36) Roa conge atenianina ny iray hina, ary 72 setie ny iray bata, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara. (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 197 [viii, 3]; VIII, 57 [ii, 9]) Mira 12 setie ny roa conge atenianina, hoy ny asa soratra hafa. Mety ho ampahenin’ny bata na 3,67 L eo ho eo àry ny iray hina.

Miresaka antsasaky ny hina, ampahatelony, ampahefany, ary ampaheniny ny Baiboly. Ampahenin’ny hina ny rano nomena an’i Ezekiela isan’andro, mba hampisehoana fa hijalijaly ny ao Jerosalema rehefa atao fahirano.​—Ek 29:40; Le 23:13; No 15:4-7, 9, 10; 28:5, 7; Ezk 4:11; 46:14.