Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira Fisaonana

Hira Fisaonana

Hira misy tonony na tsia, ho fanehoana alahelo mafy rehefa maty namana na olon-tiana, ohatra; kalo. Kinah (heb.), izay ilazana hira malahelohelo, kalo, na fitomaniana, no nadika matetika hoe “hira fisaonana” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Nadika hoe “hira fanehoana alahelo” ny hoe shiggayôhn (heb.) ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-7, ary toa ilazana hira mampihetsi-po be miaraka amin’ny gadona miovaova be. Amin’ny endriny milaza maro ny hoe shiggayôhn ao amin’ny Habakoka 3:1. Fanehoana alahelo sy fahoriana ny hira fisaonana (Ezk 2:10), ary nisy nosoratana sy notehirizina. Nanao hira fisaonana momba an’i Josia Mpanjaka nodimandry i Jeremia. Toa nisy hira fisaonana natambatambatra (heb.: kinôht) tamin’izany, satria hoy ny 2 Tantara 35:25: “Mbola resahin’ny mpihira rehetra lahy sy vavy ao amin’ny hira fisaonana i Josia, mandraka androany. Koa nataon’izy ireo fanao teo amin’ny Israely ny fihirana ireny hira ireny, ary nosoratana ho anisan’ny hira fisaonana ireny.”

Hoy i Jehovah tamin’ny Israely nivadika: “Hovako ho fisaonana ny fetinareo, ary ho hira fisaonana ny hira rehetra fanaonareo.” (Am 8:10) Natao ny hira fisaonana na fanehoana alahelo rehefa nisy nolavin’i Jehovah, na tsy sambatra hoatran’ny taloha intsony. (Je 7:29; Ezk 19:1-14) Vehivavy matetika no nanao hira fisaonana.​—Ezk 27:32; Je 9:20.

Nisy hira fisaonana nanan-tantara, izay natao taorian’ny zava-nitranga iray, toy ny fahafatesan’ny namana tsy foy. Nanao hira fisaonana an’i Saoly sy Jonatana, ohatra, i Davida Mpanjaka, rehefa maty tamin’ilay ady tamin’ny Filistinina teo an-tendrombohitra Gilboa izy ireo. (2Sa 1:17-27; 1Sa 31:8) Nanao hira toy izany koa izy rehefa avy nandevina an’i Abnera. (2Sa 3:31-34) Tsy hoe te hanome voninahitra ny maty akory ny mpanompon’Andriamanitra nanao hira fisaonana, fa te hampionona ny velona kosa.​—Mpto 9:5, 10.

Hira fisaonana nosoratan’i Jeremia taorian’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema (607 T.K.) ny bokin’ny Fitomaniana. Nalahelo mantsy izy, nefa koa nino sy nanantena an’i Jehovah. Niangavy an’Andriamanitra hahatsiaro ny olony izay lasa “kamboty tsy manan-dray” izy, eo am-piandohan’ny toko faha-5.​—Ft 3:22-27; 5:1-3; jereo FITOMANIANA, BOKIN’NY.

Faminaniana manambara loza ny hira fisaonana sasany, ary indraindray toy ny hoe efa nitranga ny loza sasany. Nisy hira fisaonana an’i Tyro sy ny mpanjakany, (Ezk 26:17; 27:1, 2; 28:11-19) ary an’i Farao sy Ejipta. (Ezk 32:2-16) Nisy koa hira fisaonana an’i Joda sy Jerosalema rehefa lasa aolo izy ireo.​—Je 9:9-11.