Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira, II

Hira, II

Feo sy teny mirindra ampanarahina mozika; tononkalo. (Jereo MOZIKA.) Efa ho ny ampahafolon’ny Baiboly no hira, ka anisan’izany ny Salamo, Tononkiran’i Solomona, ary Fitomaniana. Hira 300 eo ho eo no resahin’ny Baiboly, ka natao tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra ny ankamaroany, na dia nisy aza hira tsy ara-pivavahana, hira fanesoana ary hira fanangolena. Fanehoana hafaliana ny hira matetika, satria hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Misy falifaly ve? Aoka izy hihira fiderana [ho an’Andriamanitra].” (Jk 5:13) Hira fisaonana no ilazana ny hira fanehoana alahelo.​—Am 8:10; jereo HIRA FISAONANA.

Nihira i Mosesy sy ny lehilahy israelita ary namaly ny hirany i Miriama sy ny vehivavy, rehefa nafahana teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo. Io no hira voalohany resahin’ny Baiboly. (Ek 15:1-21) Nanao hira fanaovam-beloma koa i Mosesy, nanao hiram-pandresena i Debora sy Baraka, ary nanao hira fisaonana i Davida rehefa maty i Saoly sy Jonatana namany. (De 31:30; 32:1-43; Mpts 5:1-31; 2Sa 1:17-27) Namorona hira na salamo 73 hafa i Davida, fara fahakeliny. Natao ny “hira ho an’i Jehovah” rehefa naverin’i Hezekia tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Nisy koa ny ‘hiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry.’​—2Ta 29:27; Ap 15:3, 4.

Tsy ny Salamo ihany no miresaka “hira vaovao”, fa ireo boky nosoratan’i Isaia sy ny apostoly Jaona koa. (Sl 33:3; 40:3; 96:1; 98:1; 144:9; 149:1; Is 42:10; Ap 5:9; 14:3) Nohiraina izy io isaky ny nisy toe-javatra vaovao nahatonga an’i Jehovah hampihatra ny fahefany tamin’ny fomba vaovao, rehefa jerena ny teny manodidina. Milaza, ohatra, ny Salamo 96:10 hoe: “Lasa mpanjaka i Jehovah.” Toa ny fomba vaovao hampiharan’i Jehovah ny fahefany sy ny vokatr’izany ho an’ny lanitra sy ny tany, no foto-kevitr’io “hira vaovao” io.​—Sl 96:11-13; 98:9; Is 42:10, 13.