Hirama
(Hiràma) [mety ho fanafohezana ny hoe Ahirama, izay midika hoe “Ny Rahalahiko dia Avo (Misandratra)”].
“Hiroma” (1Mp 5:10, 18; 7:40a) sy “Horama” (2Ta 2:3) no fanoratana ilay anarana ao amin’ny andininy sasany, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta.
1. Mpanjakan’i Tyro nanampy an’i Davida sy Solomona Mpanjaka tamin’ny taonjato faha-11 T.K.
Nandefa iraka hanao fifanarahana tamin’i Davida i Hirama, rehefa fantany fa nandresy an’i Ziona, tanàna voaro mafy, i Davida ka nikasa hanorina 2Sa 5:11; 1Ta 14:1.
lapa tao. Nandefasan’i Hirama hazo sedera avy teny amin’ny tehezan-kavoanan’i Libanona i Davida. Nandefasany mpiasa nahay nandrafitra sy nanao vato koa izy.—Naniraka ny mpanompony hanavao an’ilay fifanarahana i Hirama, rehefa reny fa maty i Davida ary i Solomona no nandimby azy. (1Mp 5:1) Nasain’i Solomona nandefasan’i Hirama fitaovana sy mpiasa àry izy, mba hanorenana ilay tempoly lehibe. I Solomona kosa nanaiky hanome varimbazaha sy vary orza sy divay ary menaka be dia be ho karaman’ireo mpiasan’i Hirama. (1Mp 5:2-6; 2Ta 2:3-10) Nisaotra an’i Jehovah i Hirama noho izany, ary nanao fifanekem-pihavanana ny firenena roa tonta.—1Mp 5:7-12; 2Ta 2:11-16.
Nomen’i Solomona tanàna 20 i Hirama, rehefa vita ilay asa fanorenana naharitra 20 taona. Tsy tian’i Hirama mihitsy anefa izy ireny. (1Mp 9:10-13; jereo KABOLA No. 2.) Tsy fantatra raha naverin’i Hirama tamin’i Solomona izy ireny na tanàna hafa no nomeny azy. (2Ta 8:1, 2) Tsy hay koa raha taorian’ny nahazoan’i Hirama an’ireny tanàna ireny no nanomezany talenta volamena 120 (46 242 000 dolara) ho an’i Solomona, na tafiditra tao anatin’ny fifanarahana ireo talenta volamena.—1Mp 9:14.
Niara-niasa koa i Hirama sy Solomona, rehefa nanamboatra andian-tsambo tao Eziona-gebera teo amin’ny Hoalan’i ʽAkaba i Solomona. Nanome tantsambo za-draharaha hiaraka tamin’ny mpanompon’i Solomona i Hirama. Nankany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika ireny sambo ireny. Nisy sambon’i Hirama sy Solomona koa tonga hatrany Tarsisy, izay mety ho teo amin’ny farany andrefan’ny Ranomasina Mediterane. Nitondra harena be dia be ireny sambo rehetra ireny: Volamena, volafotsy, ivoara, vatosoa, hazo sarobidy, ary zavatra tsy fahita firy toy ny rajako sy vorombola.—1Mp 9:26-28; 10:11, 12, 22; 2Ta 8:18; 9:10, 21; jereo EZIONA-GEBERA.
2. Ilay mpanao asa tanana mahay izay nanamboatra fitaovana maro ho an’ny tempolin’i Solomona. Avy any Tyro ny rainy, fa mpitondratena “avy amin’ny fokon’i Naftaly” (1Mp 7:13, 14) sady “taranak’i Dana” (2Ta 2:13, 14) kosa ny reniny. Manazava ny manam-pahaizana sasany fa mety ho avy tamin’ny fokon’i Dana ny reniny, ary nanambady lehilahy avy tamin’ny fokon’i Naftaly saingy maty io vadiny voalohany io. Nanambady lehilahy avy any Tyro indray izy tatỳ aoriana.
Nirahin’i Hirama mpanjakan’i Tyro (No. 1) io Hirama io, mba hanara-maso ilay asa fanorenana nampanaovin’i Solomona. Za-draharaha sy havanana tamin’ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, ary hazo mantsy i Hirama. Tena nahay nandoko lamba sy nanao asa sokitra ary namoron-javatra isan-karazany koa izy. Nahay nanao asa varahina ny rainy, ka azo inoana fa nampiofana azy hatry ny fahakeliny. Izany angamba no anisan’ny nahatonga azy hahay asa tanana.—1Mp 7:13-45; 2Ta 2:13, 14; 4:11-16.
Toa nantsoin’ny mpanjakan’i Tyro hoe Hiram-aby (angamba midika ara-bakiteny hoe “Hirama Raiko”) koa izy. (2Ta 2:13) Tsy te hilaza akory ilay mpanjaka hoe rainy niteraka azy i Hirama, fa kosa hoe ‘mpanolo-tsainy’ na ‘mpanao asa tanana tena nahay.’ Toy izany koa ilay anarana hoe Hiram-abivy (ara-bakiteny: “Hirama Rainy”), izay toa midika hoe: ‘Hirama no mpanao asa tanana tena nahay’ tamin’ireo mpiasan’ilay mpanjaka.—2Ta 4:16.