Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitsikitsika Mpihinan-trondro

Hitsikitsika Mpihinan-trondro

[Heb.: peres].

Anisan’ny “biby manidina” maloto tsy navelan’ny Lalàna hohanina. (Le 11:13; De 14:12) Midika ara-bakiteny hoe “ny mpamaky” ny hoe peres (heb.). Vorona mpihaza mpamaky taolana àry no nahazoan’ny mpandika Baiboly sasany (JM, KJ) azy io, ka nadikany hoe “osifiragy”, avy amin’ny teny latinina midika hoe “mpamaky taolana.” Vorona “mamiravira ny hazany” kosa no fahazoan’ny hafa azy io, ka tsy voatery hoe mpamaky taolana.

Hitsikitsika mpihinan-trondro, vorona tsy navelan’ny Lalàn’i Mosesy hohanina

Mitovitovy amin’ny firasa (karazana voromahery) ny hitsikitsika mpihinan-trondro (Pandion haliaëtus), saingy ny tongony tahaka ny an’ny vorondolo no anisan’ny mampiavaka azy. Toy ny an’ny firasa ny lohany sy vavany, mivolontsôkôlà ny lamosiny sy ny ambonin’ny elany, ary fotsy misy soritra volontsôkôlà ny kibony. Mirefy 65 sm eo ho eo ny lavany, ary efa ho 1,8 m ny elany raha mivelatra. Hita eran-tany io hitsikitsika io, ary mivelona amin’ny trondro eny amoron’ny farihy midadasika. Mora aminy erỳ ny misidina eny ambony rano, mihodinkodina, ary misonenika mandra-pahitany haza. Mitsoraka tampoka izy avy eo, ka ny tongony no voalohany midona mafy amin’ny rano. Misitrika anaty rano mihitsy aza izy indraindray. Efa natao ho amin’izany ny vatany, satria betsaka sy matevina ny volon-kibony, ka tsy maharary azy ny mifetaka amin’ny rano. Lava mifaingoka sy maranitra be koa ny hohon’ny rantsantongony marokoroko, ka voatazony tsara ilay hazany malama. Hazoniny mafy sady atodiny any aloha ny lohan’ilay trondro, hoy ny mpitazana, ka tsy toherin’ny rivotra izy rehefa manidina mankeny amin’ny morony mba hihinana azy io. Fahita eny amin’ny morontsiraka sy nosy any amin’ny faritra atsimon’ny Saikinosin’i Sinay ny hitsikitsika mpihinan-trondro.

Mety ho voromahery an-dranomasina (Haliaëtus albicilla) na vaotoro misy volombava (Gypaetus barbatus) koa, hono, ilay peres. Entin’io vaotoro io manidina ny taolana sy sokatra ary alatsany eny amin’ny harambato mba ho vaky.