Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoba

Hoba

(Hòba).

1. Mpitarika teo amin’ny fokon’i Asera.​—1Ta 7:34, 40.

2. Toerana iray “tany avaratr’i Damaskosy.” Nenjehin’i Abrahama hatrany Hoba ny tafik’i Kedorlaomera rehefa resiny. (Ge 14:13-17) Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho teo amin’ny toerana misy ilay loharano hoe Hoba, eo anelanelan’i Palmyra sy Damaskosy, io Hoba resahin’ny Baiboly io. Toa mbola voatazona ao amin’ny anaran’ilay loharano, hono, ny anaran’i Hoba. Mety ho nisy tanàna kely teo akaikin’io loharanon’i Hoba io taloha. Toy izany mantsy ny loharano lehibe sasany tany akaikin’ny tany efitra.