Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hodia

Hodia

(Hodìa) [Voninahitra i Jah].

1. Lehilahy nanambady ny anabavin’i Nahama. Ao amin’ny tetirazan’i Joda ny anarany.​—1Ta 4:1, 19.

2. Levita nanampy an’i Ezra hanazava ny lalàn’i Jehovah tamin’ny fiangonan’Israely tafavory tandrifin’ny Vavahadin-drano, teo an-tany malalak’i Jerosalema. Anisan’ny nampirisika ny zanak’Israely hisaotra an’i Jehovah sy ny anarany be voninahitra koa izy, ary nampahatsiahy ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. (Ne 8:1, 5, 7; 9:5) Mety ho izy ihany ilay No. 3 na 4.

3, 4. Levita roa na ny taranak’izy ireo, izay nanisy tombo-kase ny fieken-keloka natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Raha ireo Levita ireo no nanisy tombo-kase an’ilay izy, dia mety ho ny No. 2 ihany ny iray taminy.​—Ne 9:38; 10:1, 9, 10, 13.

5. “Lohandohany [iray] teo amin’ny vahoaka” na ny taranany, izay nanisy tombo-kase ilay fieken-keloka natao tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 10:1, 14, 18.