Hoditra Faoky
Tsy tena fantatra hoe hoditra inona ilay hoe tahash, fa io no teny hebreo ilazana ny rakotra ivelan’ny tranolay masina sy ny an’ireo fitaovan’ny toerana masina rehefa nolanjaina. Matetika no resahina miaraka ny hoe tahash na tehashim (mr.) sy ny hoe ʽôhr na ʽôhrôht (hoditra). (Ek 25:5; 26:14; 35:7, 23; 36:19; 39:34; No 4:6-14, 25; Ezk 16:10) Toa loko manga, fa tsy biby, no nandikana ilay teny hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mihevitra anefa ny ankamaroan’ny Jiosy mpivaofy teny sy Gesenius, mpanao diksionera hebreo, fa biby ilay tahash. Tombantombana fotsiny ny an’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo hoe loko manga ilay izy, hoy i Gesenius, fa tsy manaporofo izany ny niavian’ilay teny na ny fiteny hafa misy ifandraisany amin’ny teny hebreo. Faoky na bitrom-bato ilay tahash, hoy izy, rehefa jerena ny teny manodidina, ny tenin’ny mpandalina ny Talmoda, ny teny amin’ny fiteny hafa mifanitsy amin’ilay teny hebreo, ary ny niavian’ilay teny hebreo.
Toy izao avy no nandikan’ny Baiboly samihafa ny hoe ʽôhr (ʽôhrôht) tahash (tehashim): “Hodi-takasy” (Prot., JM, FFBF), “hodi-dogaona” (Kat.), “hoditra mafy” (DIEM), “hoditra trozona” (DPV), “hoditra bitrom-bato” (KJ), ary “hoditra faoky” (TV, Ek 25:5). Tsy dia tian’ny manam-pahaizana ilay hoe “hoditra bitrom-bato.” Tsy ho nahazo hoditra bitrom-bato ampy handrakofana ny tranolay masina mantsy, hono, ny Israelita, na tany Ejipta na tany an-tany efitra. Misy koa mihevitra fa diso ny hoe “hoditra bitrom-bato” na “hoditra faoky” satria naloto ka tsy azo nohanina ny bitrom-bato, faoky, feso na bibin-dranomasina mitovitovy aminy. (Le 11:12, 27) Tsy ho nampiasaina tamin’ny tranolay masina na ho nandrakofana fitaovan’ny toerana masina mihitsy, hono, ny hoditry ny biby “maloto.” Mety ho hoditry ny biby madio, toy ny antilopa, ondry, na osy, àry, hono, ilay hoe tahash.
Azo nampiasaina, na dia biby maloto aza ny faoky. Biby maloto ny faoky ka tsy azo nohanina. Azo nampiasaina ihany anefa ny hodiny mba handrakofana ny tranolay masina. “Maloto”, ohatra, ny liona sy voromahery (Le 11:13, 27), nefa nanana tarehin’ny liona sy voromahery ireo kerobima tany an-danitra nanana tarehy efatra avy, hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. (Ezk 1:5, 10; 10:14) Nisy sarina liona koa ireo kalesy varahina nataon’i Solomona ho an’ny tempoly, araka ny planina nomen’Andriamanitra an’i Davida. (1Mp 7:27-29; 1Ta 28:11-19) Nitaingina biby “maloto”, toy ny ampondra, ny Israelita. Hitaingina ampondra koa aza ny Mesia rehefa miditra ao Jerosalema, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Za 9:9; Mt 21:4, 5) Tena masina ny asa nampanaovina an’i Jaona Mpanao Batisa satria “handeha eo alohan’i Jehovah [izy], eny, hialoha azy hanomana ny lalany.” Volon’ny biby “maloto” anefa no nanaovana ny fitafiany. (Lk 1:76; Mt 3:4; Le 11:4) Tsy tokony haharikoriko ny Israelita daholo àry izay biby “maloto.” Izao fotsiny no antony nanavahana ny biby hoe madio na maloto: Azo hanina ilay izy na tsia, na koa indraindray hoe azo atao sorona na tsia. (Le 11:46, 47) Noforonin’Andriamanitra koa ny biby “maloto”, toy ny biby “madio” ihany, ka tsy misy tena maha ratsy azy.—Ge 1:21, 25.
hash, ahoana no fomba nahazoan’ny Israelita ny hodiny? Any amin’ny Tendrontany Avaratra sy Atsimo no tena misy faoky. Misy koa anefa any amin’ny toerana mafana kokoa. Mbola ahitana karazany iray any amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny ranomasina mafana kokoa. Maro be ny faoky efa naripaky ny olona, nefa mety ho be dia be izy ireny fahiny tany amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena. Hoy ny Diksioneran’ny Baiboly Masina nataon’i Calmet (fanontana anglisy, 1832, p. 139): “Ahitana faoky eny amin’ny nosy kely maro any amin’ny Ranomasina Mena, manodidina ny Saikinosin’i Sinay.”—Jereo koa Ny Fampianarana Momba ny Tranolay Masina, nataon’i A. Pollock, Londres, p. 47.
Fomba nahazoan’ny Israelita azy. Raha faoky ilay taNanao raharaham-barotra teny amoron’ny Ranomasina Mena ny Ejipsianina fahiny. Nahazo entam-barotra avy tany amin’ny faritra eran’i Mediterane koa izy ireo, ka nanana hoditra faoky. Mety ho nitondra an’izay hoditra faoky efa nananany àry ny Israelita niala tany Ejipta, ary mety ho nahazo tamin’ny Ejipsianina koa, rehefa nomen’izy ireo zava-tsarobidy maro.—Ek 12:35, 36.