Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hofra

Hofra

(Hôfrà) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Mahatanty ny Fon’i Ra [andriamanitra masoandro]”].

Antsoina hoe Oafre i Farao Hofra ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Je 51:30, fa 44:30 kosa ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly). Nantsoin’i Hérodote hoe Apriesy kosa izy. Heverina fa nanjaka 19 taona i Hofra. I Hérodote (II, 161) anefa nilaza fa nanjaka 25 taona izy.

Rehefa nitsoaka tany Ejipta ny Jiosy tamin’ny 607 T.K., dia hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia: “Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy i Farao Hofra, mpanjakan’i Ejipta.” (Je 44:1, 26, 30) Ho famantarana izany fa hisy loza hadiva hamely an’ireo Jiosy nipetraka tany Ejipta. (Je 44:29) Nilaza i Hérodote (II, 161-169) fa nankany Kyrena i Hofra (Apriesy) mba hanampy ny Libyanina hiady tamin’ny Grika, tamin’ny taonjato fahenina T.K. Tsy nahomby anefa izy. Nikomy ny tafiny ary nanendry an’i Ahmôsé II (Amasisy) ho mpanjakan’izy ireo. Be hambo loatra i Hofra, ka “nieritreritra fa tsy hisy ho afaka hanala azy eo amin’ny seza fiandrianany, na dia andriamanitra aza.” Nogadraina anefa izy, ary maty nokendaina tatỳ aoriana.