Hogla
(Hôglà).
Iray amin’ireo dimy vavy zanak’i Zelofada, ary ny anarany no voatonona fahatelo. Tsy nanan-janakalahy i Zelofada ka nozaraina tamin’izy dimy vavy ny lova raha toa ka nanambady tao amin’ny fokon’i Manase ihany izy ireo. Natao izany “mba hijanonan’ny lovany ao amin’ny fokon’ny fianakavian-drainy ihany” fa tsy ‘hifindra foko.’—No 36:1-12; 26:33; 27:1-11; Js 17:3, 4.