Hokoka
(Hokòka) [Natao Sokitra; Nosoratana; Voapaika].
1. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Naftaly. (Js 19:32, 34) Misy mihevitra an’i Hokoka fahiny ho i Hokok ankehitriny, na dia misy milaza aza hoe avaratra sy atsinanana loatra izany. Tokotokony ho 7 km any andrefan’ny tendrony avaratry ny Ranomasin’i Galilia no misy an’i Hokok, ary tazana tsara avy eo aminy ny lemaka lonak’i Genesareta.
2. Mety ho izy ihany ilay tanàna atao hoe Helkata, teo amin’ny sisin-tanin’i Asera izay nomena ny Gersonita anisan’ny fokon’i Levy.—Js 19:25; 21:31, 33; 1Ta 6:74, 75; jereo HELKATA.