Hora
(Hòra).
1. Taranak’i Joda ary zanakalahin’i Kaleba sy Efrata. Dadaben’i Bezalila, ilay mpanao asa tanana, i Hora. Nisy taranak’i Hora angamba nanorim-ponenana tao Betlehema. (Ek 31:2; 35:30; 38:22; 1Ta 2:19, 20, 50, 51, 54; 4:1-4; 2Ta 1:5) Azo inoana fa izy ihany i Hora No. 2.
2. Mpiara-miasa akaiky tamin’i Mosesy sy Arona. Rehefa notafihin’ny Amalekita, ohatra, ny Israelita, taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia niara-niakatra tamin’i Mosesy sy Arona teny an-tampon-kavoana i Hora, ary nanohana ny tanan’i Mosesy foana izy sy Arona ka tsy niala raha tsy efa nataon’i Jehovah resin’ny Israelita ny Amalekita. (Ek 17:8-13) I Hora sy Arona no niandraikitra ny tao an-toby rehefa nankany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy sy Josoa, tsy ela taorian’izay, mba handray ny tohin’ny Lalàna. (Ek 24:12-14) Azo inoana fa izy ihany ilay Hora (No. 1), dadaben’i Bezalila mpanao asa tanana nanorina ny tranolay masina. Nilaza i Josèphe fa vadin’i Miriama i Hora. Tsy miresaka momba izany anefa ny Baiboly.—Rakitry ny Ela Jiosy, III, 54 (ii, 4).
3. Mpanjakan’ny Midianina i Hora, ary anisan’ireo mpanjaka dimy teo ambany fifehezan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, talohan’ny nandresen’ny Israelita an’i Sihona, rehefa kely sisa dia hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. (Js 13:15, 16, 21; No 21:21-24) Taorian’izay, dia toa niray dina tamin’i Balaka mpanjakan’i Moaba i Hora sy ny mpanjaka midianita efatra, mba hanohitra ny Israely. (No 22:1-7) Nasain’i Jehovah niady tamin’ny Midianita ny Israelita, tatỳ aoriana, ka novonoin’ny Israelita i Hora sy ireo mpanjaka midianita efatra niray dina taminy ary i Balama mpaminany matimatin-karena.—No 31:1-8.
4. Rain’ilay lehibem-paritra mpamatsy sakafo an’i Solomona Mpanjaka sy izay tao an-dapany. Niandraikitra ny faritra be tendrombohitr’i Efraima io zanak’i Hora io.—1Mp 4:7, 8.
5. Rain’i Refaia. Nanampy an’i Nehemia mba hanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Refaia zanak’i Hora.—Ne 3:9.
[6, 7: Heb.: Hôr hahar, “Hora Ilay Tendrombohitra”]
6. Ilay tendrombohitra tsy lavitra an’i Mosera, eo amin’ny sisin-tanin’i Edoma. Teo amin’io tendrombohitra io i Arona no maty taloha kelin’ny hidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niakatra an’ilay tendrombohitra teo imason’ny vahoakan’Israely i Arona sy Mosesy ary Eleazara zanakalahin’i Arona. Nesorin’i Mosesy ny akanjo naha mpisorona an’i Arona, rehefa teo an-tampon-tendrombohitra izy ireo, ary nampanaoviny an’i Eleazara. Maty i Arona taorian’izay, ary azo inoana fa nalevin’i Mosesy sy Eleazara teny.—No 20:22-29; De 32:50; ampit. De 10:6.
Nilaza i Josèphe mpahay tantara fa anisan’ireo tendrombohitra avo nanodidina an’ilay tanàna edomita atao hoe Petra ny Tendrombohitra Hora. (Rakitry ny Ela Jiosy, IV, 82, 83 [iv, 7]) Voalazan’ny lovantsofina fa i Jebel Harona (midika hoe “Tendrombohitr’i Arona”) no Tendrombohitra Hora. Tendrombohitra vatovary somary mena i Jebel Harona, ary misy tendrony roa. Mirefy 1460 m eo ho eo ny haavony ary any amin’ny 5 km latsaka, any andrefana atsimoandrefan’i Petra, izy io. Toa tsy mitombina anefa ny hoe i Jebel Harona no Tendrombohitra Hora. Milaza mantsy ny Baiboly fa avy tany Kadesy (Kadesi-barnea) ny Israelita no nankany amin’ny Tendrombohitra Hora “teo amin’ny sisin-tanin’i Edoma.” (No 33:37-39, 41) Tsy eo amin’ny sisin-tanin’i Edoma anefa i Jebel Harona, fa ao Edoma mihitsy. Tsy maintsy ho nitsofoka tao Edoma àry ny Israely raha te ho tonga tany Jebel Harona. Tsy afaka nanao izany anefa izy ireo, satria efa tsy navela handalo an’i Edoma. (No 20:14-22; De 2:5-8) Mihevitra àry ny manam-pahaizana maro fa ilay tendrombohitra mitokana sy mideza atao hoe Jebel Madorah (Hara Zina [Hora Ha Hara]) no azo inoana kokoa ho ny Tendrombohitra Hora. Any amin’ny 40 km eo ho eo any atsimoandrefan’ny Ranomasina Maty io tendrombohitra fotsy io, ary any amin’ny 60 km eo ho eo any atsinanana avaratratsinanan’i Kadesy.
7. Tendrombohitra teo amin’ny sisin-tanin’i Kanana, tany avaratra. (No 34:7, 8) Tsy tena fantatra ny momba azy io. Misy manam-pahaizana mihevitra fa ny Tendrombohitra Hermona io Tendrombohitra Hora (Heb.: Hôr hahar) io. Misy kosa mihevitra fa mety ho ny Tandavan-tendrombohitra Libanona manontolo izy io, na tendrony avo iray amin’ilay tandavan-tendrombohitra.