Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Horma

Horma

(Hôrmà) [Natokana Haringana].

Tanàna iray tany amin’ny ilany atsimon’ny faritanin’i Joda. (1Ta 4:30) Nisy toerana hafa koa angamba nantsoina hoe Horma, ary mety ho faritra ny iray taminy.

Tsy nety nanafika an’i Kanana ny Israelita tamin’ny voalohany, rehefa niverina tany Kadesy izy 12 lahy mpitsikilo. (No 13:26) Nomelohin’i Jehovah àry izy ireo satria nikomy sady tsy nanam-pinoana. Tapa-kevitra ny hanafika izy ireo taorian’izay, nefa tsy nasain’i Jehovah hanao izany. “Nifoha maraina izy ireo” mba hankany amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah. Voalaza fa nitady “hiakatra teo an-tampon-tendrombohitra” izy ireo. (No 14:40) Nilaza izy ireo fa hiakatra tany amin’ilay toerana nolazain’i Jehovah. Mety tsy ho tendrombohitra iray manokana io toerana io, fa ny “faritra be tendrombohitra misy ny Amorita”, ary izay ihany koa no nilazan’i Mosesy azy io rehefa namerina nitantara ny zava-nisy izy. (De 1:19-21, 41-43) Tsy voalaza hoe tonga hatraiza izy ireo tamin’izay. Tsy voafaritra koa raha tao anatin’ny iray andro no nitrangan’izany, na tsia. Toa tao anatin’ny fotoana fohifohy ihany anefa ilay izy, araka ny tantara voasoratra.

Voalaza fa nivoaka hifanandrina tamin’ny Israelita ny Amalekita sy ny Kananita. (“Amorita” no ampiasaina ao amin’ny De 1:44 hilazana ny mponina tao Kanana tamin’ny ankapobeny; ampit. Ge 48:22; Js 24:15.) Resin’izy ireo ny Israelita, ka naparitany “hatrany Horma.” (No 14:45) Naparitaka “tany Seira ka hatrany Horma” izy ireo, hoy ny Deoteronomia 1:44. I Seira no faritanin’ny Edomita tamin’izany, ary toa hatrany amin’ny Lohasaha Falehan-driakan’i Araba ka hatrany Negeba ny faritra nanjakan’izy ireo. (Ampit. No 20:14, 16; Js 11:17.) Resy ny Israelita ka niverina tany Kadesy.​—De 1:45, 46.

Nanatona an’i Kanana indray ny Israelita rehefa avy nirenireny tany an-tany efitra. Tonga hanafika azy ireo anefa ilay Kananita mpanjakan’i Arada. (Jereo ARADA No. 2.) Tsy fantatsika koa hoe tonga hatraiza tany atsimo izy vao nihaona sy niady tamin’ny Israelita. Resin’ny Israelita anefa ilay mpanjaka, rehefa avy nivoady tamin’i Jehovah izy ireo. “Naringan’izy ireo” ny tanànan’ilay mpanjaka, ary nantsoiny hoe “Horma” ilay toerana. (No 21:1-3; jereo ZAVATRA VOATOKANA.) Efa nampiasa an’io anarana io i Mosesy tany aloha, tamin’izy nitantara momba ny nandresen’ny Kananita ny Israely. Angamba izy tamin’izay nieritreritra ny hampiasa azy io indray any aoriana, sy hampahafantatra ny fiavian’io anarana io. (No 14:45) Tsy nipetraka tao amin’io faritra io anefa ny Israelita fa nihodidina an’i Edoma ary nivily nianavaratra, ka tonga tao Kanana tamin’ny farany rehefa avy niampita an’i Jordana teo avaratry ny Ranomasina Maty.​—No 21:4; 22:1.

Anisan’ireo mpanjaka 31 resin’i Josoa ny “mpanjakan’i Horma” sy ny mpanjakan’i Arada, ary tononina mifanarakaraka izy ireo ao amin’ny Josoa 12:14. Mety tsy ho ilay fandresena azon’ny Israely tamin’i Mosesy mbola velona sy tamin’i Josoa mbola mpitari-tafika ireo fandresena ireo, satria voalaza fa fandresena azon’ny Israely taorian’ny niampitany an’i Jordana sy nidirany tao Kanana. (Js 12:7, 8) Tsy voatantara amin’ny an-tsipiriany io fandresena azon’i Josoa io, nefa mety ho anisan’ireo voaresaka ao amin’ny Josoa 10:40-42. Nety ho niverina nipetraka tao amin’io faritra io àry ny Kananita rehefa niala tao ny Israelita mba hihodidina an’i Edoma. Voalaza fa resin’i Josoa ny mpanjakan’i Horma, fa tsy voalaza kosa raha nipetraka tao amin’ny tanànan’i Horma ny Israelita avy eo, na tsia.​—Ampitahao amin’ny tanànan’i Gazera resahin’ny Js 12:12; Mpts 1:29.

Nisy “tanàna teny an-tsisin’ny tanin’ny fokon’ny taranak’i Joda, tandrifin’ny sisin-tanin’i Edoma any atsimo”, ary anisan’ireny i Horma. (Js 15:21, 30) Nomena ho an’ny fokon’i Simeona anefa io tanàna tao amin’ny faritanin’i Joda io. (Js 19:1, 2, 4; ampit. 16:9.) Voalaza fotsiny hoe resin’i Josoa ny mpanjakan’i Horma, fa tsy voaresaka kosa hoe resy koa ilay tanàna. Nivondrona àry ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona tatỳ aoriana mba “hamely ny Kananita nonina tany Zefata. Dia naringany tanteraka ilay tanàna, ka nantsoina hoe Horma.” (Mpts 1:17) Mety ho famerenana na fanamafisana fotsiny no niantsoan’izy ireo an’ilay tanàna hoe Horma, fa efa anarany talohan’izay izany. Misy mihevitra fa mety ho ilay faritany na ilay faritra manontolo, fa tsy ny tanànan’i Zefata fotsiny, no natao hoe Horma tamin’ny andron’i Mosesy. Raha izany no izy, dia ilay faritany manontolo no voatokana haringana, fa tsy voalaza fotsiny ny fotoana hahatongavan’izany na rahoviana na rahoviana.​—Ampitahao amin’izay voalazan’ny Fanazavana ny Testamenta Taloha, nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch, 1973, Boky II, Josoa, Mpitsara, Rota, p. 256; jereo ZEFATA.

Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Horma. Maro ny soso-kevitra naroso momba izany, saingy toerana lavitra be, tany amin’ny 60 km mahery any avaratr’i Kadesi-barnea daholo izy ireny, ka toa tsy mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly. Voalazan’ny Baiboly mantsy fa avy tao Kadesi-barnea ny Israelita no niainga vao “maraina” (No 14:40), ary naparitaka hatrany Horma izy ireo rehefa resy, ka azo inoana fa nandositra niverina tany Kadesy.

Marina fa tanànan’ny taranak’i Simeona i Horma tamin’ny andron’i Davida. Anisan’ny tanàna nandosiran’i Davida sy tanàna nandefasany fanomezana koa anefa izy io, tatỳ aoriana.​—1Sa 30:26-31; 1Ta 4:24, 28-31.