Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Horonam-boky Hoditra

Horonam-boky Hoditra

Hoditra ondry, osy, na zanak’omby nokarakaraina mba hasiana soratra. Efa ela no nampiasana hoditra toy izany, fahiny. Hoditra, ohatra, ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia natao dika mitovy tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. Ny taratasy papyrus avy any Ejipta indray no nampiasaina be tatỳ aoriana. Tsy navelan’ny mpanjakan’i Ejipta naondrana anefa izy io tamin’ny 190 T.K. tany ho any, hoy i Pline, ka nanamboatra horonam-boky hoditra ny tany Pergamosy. Efa nisy nahay nikarakara hoditra mba ho azo anoratana ambadika sy ambadika, fa angamba natao niely kokoa fotsiny ilay izy. Nateza noho ny horonan-taratasy papyrus mora vidy kokoa ny horonam-boky hoditra.

Nasain’ny apostoly Paoly nentin’i Timoty tany aminy ireo “horonam-boky, indrindra fa ny horonam-boky hoditra.” (2Ti 4:13) Tsy nolazainy hoe inona no resahin’ireo horonam-boky ireo, nefa mety ho ampahany amin’ny Soratra Hebreo tiany hianarana tao am-ponja tany Roma izy ireo. Horonan-taratasy papyrus angamba ny sasany, matoa izy niteny hoe “indrindra fa ny horonam-boky hoditra.”

Matetika ny Romanina fahiny no nanoratra teo amin’ny takela-kazo nohosorana savoka, fa teo amin’ny hoditra na horonam-boky hoditra kosa tatỳ aoriana. Tsy natao haharitra anefa ny soratra teo amin’ireny. Membranae (lat.; “hoditra”) no anaran’ireny horonam-boky hoditra ireny. Ny mifanitsy amin’io no nampiasain’i Paoly tamin’ilay hoe “horonam-boky, indrindra fa ny horonam-boky hoditra [gr.: membranas].” Misy mpivaofy teny àry milaza hoe horonam-bokin’ny Soratra Hebreo sy fanamarihana na taratasy fanampiny no nangatahiny. Hoy ny Baibolin’i Moffatt: “Ireo bokiko, indrindra fa ny naotiko.” Hoy kosa Ny Baiboly Anglisy Vaovao: “Ireo boky, indrindra fa ny kahieko rehetra.” Tsy fantatra anefa raha kahie na naoty na horonana ireo “horonam-boky hoditra.”

Hodi-biby malefaka. Hoditra ondry, osy, na zanak’omby ny horonam-boky hoditra, izay somary marokoroko. Lasa nisy koa ny hoditra malefaka sy malama kokoa tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra. Hoditra zanak’omby na zanak’osy na hoditra zanak’omby sy zanak’ondry maty teo am-piterahana no nanaovana azy ireny. Nosasana ilay hoditra, nalam-bolo, nohenjanina tamin-javatra, nosasana sy nolamaina indray, norarahana vovoka tsaoka, ary nokosehina tamin’ny vatonakoho. Lasa manify sy malama ary somary fotsy ilay izy ka nanaovana boky sarobidy. Rehefa nisy ny fanontam-pirinty vao nampiasaina ny taratasy, izay tsara sy mora vidy kokoa. Natao tamin’ny hodi-biby malefaka ny Baiboly sora-tanana malaza toy ny Sinaiticus sy Vaticanus No. 1209 (samy tamin’ny taonjato fahefatra) ary ny Alexandrinus (taonjato fahadimy).