Horonita
(Horonìta) [An’i Beti-horona na Horonaima].
Teny ilazana ny fiavian’i Sanbala, iray tamin’ireo lehilahy nanohitra ny asa nataon’i Nehemia. (Ne 2:10, 19) Misy manam-pahaizana mihevitra an’i Sanbala ho avy any Horonaima, any Moaba (Is 15:5; Je 48:3), ary toa mitombina izany satria tononina miaraka amin’i Tobia Amonita sy Gasema Arabo izy. Milaza anefa ny ankamaroan’ny olona fa midika hoe teratany na mponina tany Beti-horona ny hoe “Horonita.” Tamin’ny voalohany, dia tao amin’ny faritany nomena an’i Efraima i Beti-horona Ambony sy Beti-horona Ambany.—Js 16:1, 3, 5.