Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hosa

Hosa

(Hòsa).

1. Merarita mpiandry ny vavahadin’ny tranolay nametrahan’i Davida ny Vata misy ny fifanekena. (1Ta 16:1, 37, 38) Anisan’ilay fizarana niambina ny Vavahady Saleketa tany andrefan’ny toerana masina izy sy ny zanany lahy.​—1Ta 26:10-19.

2. Mety ho zanaka “naterak’i” Ezera avy amin’ny fokon’i Joda, na tanàna “naoriny.” (1Ta 4:1, 4) Raha tanàna i Hosa, dia mety ho avy any i Sibekay, lehilahy maherin’i Davida, izay toa nantsoina koa hoe Mebonay. (1Ta 27:11; ampit. 2Sa 23:27; 1Ta 11:29.) Misy milaza fa i Hosana, tanàna any amin’ny 6 km eo ho eo any andrefan’i Betlehema, i Hosa.

3. Tanàna tao amin’ny anjara tanin’i Asera, mety ho tany akaikin’i Tyro. Izay ihany no fantatra momba azy io.​—Js 19:24, 29, 30.