Hosama
(Hôsàma).
1. Teratany avy any amin’ny tanin’ny Temanita, ary nanjaka tao Edoma nandimby an’i Jobaba. (Ge 36:31, 34, 35; 1Ta 1:45, 46) Nanjaka izy “talohan’ny nisian’ny mpanjaka teo amin’ny zanak’Israely.”—1Ta 1:43.
2. [Mety ho fanafohezana ny anarana hoe Jehosama, izay midika hoe “I Jehovah dia Nandre (Nihaino)”]. Iray amin’ireo fito lahy naterak’i Joiakina Mpanjaka (Jekonia) tamin’izy babo tany Babylona.—1Ta 3:17, 18.