Hosay
(Hosay) [mety ho fanafohezana ny hoe Hasabia, midika hoe “Nanisy Vidiny (Nanisy Fiheverana) i Jehovah”].
Arkita naman’i Davida Mpanjaka, izay tsy nivadika taminy fa nanao izay hampandamòka ny fikomian’i Absaloma. (1Ta 27:33) Tamin’i Davida nandositra, dia nitsena azy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Hosay. Rovitra ny akanjo lava nanaovan’i Hosay tamin’izay ary nihosim-bovoka ny lohany. Nasain’i Davida niverina tany an-tanàna izy ka mody hiseho ho mpanohana an’i Absaloma sy hanao izay hampandamòka ny torohevitr’i Ahitofela, ary hampita ny vaovao amin’ny alalan’i Zadoka sy Abiatara mpisorona. Nataon’i Hosay avokoa izany. (2Sa 15:30, 32-37) Niahiahy azy aloha i Absaloma, saingy vitan’i Hosay ny naka ny fony. (2Sa 16:16-19) Rehefa nanontanian’i Absaloma momba izay paikady tsara indrindra izy, dia hevitra nifanohitra tamin’ny an’i Ahitofela no natorony, amin’izay i Davida hanam-potoana handaminana an’ireo olona niaraka taminy. Ny hamelezana tampoka mantsy no soso-kevitr’i Ahitofela. Nataon’i Hosay toy ny hoe tsara kokoa noho ny an’i Ahitofela anefa ny hevitra narosony. Avy eo, dia nampahafantariny an’ireo mpisorona izany rehetra izany. (2Sa 17:1-16) Tena araka izay nangatahin’i Davida tamin’Andriamanitra no nitranga, satria nampandamòka ny torohevitr’i Ahitofela ny an’i Hosay. ‘Nampiditra loza tamin’i Absaloma i Jehovah.’—2Sa 15:31; 17:14; jereo NAMANA (Naman’ny mpanjaka).