Hosea
(Hôseà) [fanafohezana ny hoe Hosaia].
1. Iray tamin’ireo 12 lahy nirahin’i Mosesy tamin’ny 1512 T.K. mba hijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Zanak’i Nona avy amin’ny fokon’i Efraima izy. Tian’i Mosesy kokoa anefa ny niantso azy hoe Josoa, izay midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” (No 13:8, 16) Iesos (Jesosy) no anarany ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Izy no nandimby an’i Mosesy.—Js 1:1.
2. Andriana teo amin’ny fokon’i Efraima, tamin’ny andro nanjakan’i Davida. Zanak’i Azazia izy.—1Ta 27:20, 22.
3. Mpaminany hebreo sady nanoratra ny bokin’i Hosea. Ny hany voalaza momba an’io mpaminanin’i Jehovah io dia hoe zanakalahin’i Bery izy. Tamin’i Hosea naminany, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy sy fahavalo T.K., dia ireto avy ny mpanjakan’ny Joda: I Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia. I Jeroboama II (zanak’i Joasy) kosa no mpanjakan’ny Israely tamin’izany. (Ho 1:1) Ireto avy ny mpaminany tamin’ny androny: I Amosa, Isaia, ary Mika.—Am 1:1; Is 1:1; Mi 1:1.
Mpaminany (sady angamba mponina) tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra i Hosea. Io fanjakana io no tena voaresaka betsaka ao amin’ny bokiny. In-15 monja mantsy no hita ao ny anaran’i Joda, ary tsy hita ao mihitsy ny anaran’i Jerosalema renivohiny. In-44 kosa no hita ao ny anaran’i Israely, im-37 i Efraima (foko lehibe tany Israely), ary in-6 i Samaria renivohitry ny fanjakana tany avaratra. Tany amin’ny fanjakana tany avaratra na teo amin’ny sisin-taniny ny ankamaroan’ireo toerana hafa resahin’ilay boky.—Ho 1:4, 5; 5:1, 8; 6:8, 9; 10:5, 8, 15; 12:11; 14:6, 7.
Toa ireo mpanjakan’ny Joda anefa no tena nasongadin’i Hosea. Notononiny daholo mantsy ireo mpanjaka efatra nitondra tany nandritra ny fotoana nanompoany. Iray monja kosa ny mpanjakan’ny Israely noresahiny, dia ilay teo amin’ny fitondrana tamin’izy vao nanomboka naminany. (Ho 1:1) Tsy midika anefa izany hoe avy tany Joda na teraka tany ilay mpaminany. Toa nitovy hevitra tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra hafa fotsiny izy hoe ireo taranak’i Davida izay nanjaka tao Joda no nanan-jo ara-dalàna hitondra ny vahoakan’Andriamanitra, fa ny fanjakan’ny Israely tany avaratra kosa nikomy tamin’ny taranak’i Davida sy nivadi-pinoana. Mora fantatra ny fotoana naminanian’i Hosea, satria notanisainy ireo mpanjakan’ny Joda sy ny mpanjakan’ny Israely nitondra tamin’izany.
4. Mpanjaka farany teo amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, izay nifarana tamin’ny 740 T.K. Zanak’i Elaha izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, saingy tsy toa an’ireo mpanjaka talohany. (2Mp 17:1, 2) Tsy tarana-mpanjaka izy sady tsy nohosoran’Andriamanitra ho mpanjaka, fa nikomy tamin’i Peka Mpanjaka sady namono azy, ka izay no nahazoany ny seza fiandrianana. Milaza ny 2 Mpanjaka 15:30 fa namono an’i Peka i Hosea, ka “nanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jotama.” Nandritra ny 16 taona monja anefa i Jotama no mpanjakan’ny Joda. (2Mp 15:32, 33; 2Ta 27:1, 8) Ilay faha-20 taona àry dia mety ho nisaina nanomboka tamin’ny nanjakan’i Jotama ka hatramin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ahaza mpandimby an’i Jotama.—Jereo JOTAMA No. 3.
Toa tsy tena nekena ho mpanjakan’ny Israely anefa i Hosea, raha tsy tatỳ aoriana. Milaza ny 2 Mpanjaka 17:1 fa tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Ahaza i Hosea no “lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria”, ary ‘sivy taona no nanjakany.’ Toa tamin’izay izy vao nahavita nifehy tanteraka an’i Samaria. Nanohana azy angamba ny Asyrianina, satria milaza ny tantaran’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina fa izy no nametraka an’i Hosea teo amin’ny seza fiandrianana.—Jereo tabilao “Taona Manan-tantara Tamin’ny Andron’ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely” ao amin’ny lahatsoratra FANISAN-TAONA.
Nanery an’i Hosea handoa hetra i Salmanesera Faha-5, mpandimby an’i Tiglato-pilesera III. Tsy ela anefa, dia nandefa iraka mba hitady fanampiana tany amin’i So mpanjakan’i Ejipta i Hosea, ary tsy nandoa hetra tamin’ny Asyrianina intsony. Fantatr’i Salmanesera Faha-5 io fikomian’i Hosea io, ka nampidiriny am-ponja izy, ary nataony fahirano i Samaria. Resy ilay tanàna tamin’ny 740 T.K., taorian’ny fahirano naharitra telo taona. Natao sesitany koa ny mponina tao, ary nifarana hatreo ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely.—2Mp 17:3-6.
5. Anisan’ny lohandohany teo amin’ny vahoaka. Nanaiky an’ilay soso-kevitry ny Levita tamin’ilay fianianana natao tamin’ny andron’i Nehemia ny taranany na izy mihitsy.—Ne 9:5, 38; 10:1, 14, 23.