Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hosea, Bokin’i

Hosea, Bokin’i

Boky ao amin’ny Soratra Hebreo nosoratan’i “Hosea zanak’i Bery.” (Ho 1:1) Mifanitsy amin’ny fifandraisan’i Hosea sy ny vadiny ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely. (Toko 1-3) Asongadin’ilay boky fa tsy ankasitrahan’i Jehovah ny manao fombafomba fotsiny rehefa manompo azy (6:6), ary mamindra fo sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana Izy.​—2:19; 11:1-4; 14:4.

Fotoana sy toerana nanoratana azy. Nanomboka naminany i Hosea rehefa i Ozia no mpanjaka tany Joda (829-778 T.K.) ary i Jeroboama II kosa no tany Israely (t. 844-804 T.K.), izany hoe talohan’ny 804 T.K., izay mety ho taona farany nitondran’i Jeroboama. (Ho 1:1) Mbola naminany i Hosea tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, izay nanomboka nitondra tamin’ny 745 T.K. tany ho any. Naminany 59 taona àry izy, fara fahakeliny, satria nisy fotoana izy naminany tamin’ny andron’i Jeroboama II sy Hezekia. Nanambara izy hoe horavana i Samaria. (13:16) Rava izy io tamin’ny 740 T.K., ka tsy maintsy ho nolazain’i Hosea izany raha tamin’izay vao vitany ilay boky. Nosoratana tany amin’ny faritr’i Samaria àry ilay boky, ary vita teo anelanelan’ny 745 sy 740 T.K.

Zava-nitranga. Natao indrindra ho an’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra (nantsoina koa hoe Efraima, satria i Efraima no foko lehibe indrindra) ny bokin’i Hosea. Nanan-karena ny firenen’Israely tamin’i Hosea nanomboka naminany tamin’ny andron’i Jeroboama Mpanjaka. Nanda ny fahalalana an’Andriamanitra anefa ny vahoaka. (Ho 4:6) Nandatsa-dra izy ireo, nangalatra, nijangajanga, nanitsakitsa-bady, ary nivavaka tamin’i Bala sy ireo zanak’omby. (2:8, 13; 4:2, 13, 14; 10:5) Nihanahantra ilay firenena rehefa maty i Jeroboama Mpanjaka. Nanjaka ny korontana ary nisy namono ireo mpanjaka. (2Mp 14:29–15:30) Izany no niainan’i Hosea mpaminany. Farany, resin’ny Asyrianina i Samaria tamin’ny 740 T.K., ka rava ny fanjakan’ny foko folo.​—2Mp 17:6.

Vady aman-janak’i Hosea. Nanaraka ny baikon’i Jehovah i Hosea ka naka “vady izay hijangajanga.” ‘Nahazo zanaky ny fijangajangany’ àry izy. (Ho 1:2) Tsy mpivaro-tena na vehivavy naloto fitondran-tena efa niteraka zazasary akory ilay nalainy ho vady. Hanitsakitsaka azy kosa ilay vadiny, ary hiteraka amin’ny lehilahy hafa. Nalainy ho vady i Gomera, ka “nitera-dahy taminy.” Nantsoina hoe Jezirela ilay zaza. (1:3, 4) Niteraka vavikely nantsoina hoe Lo-rohama i Gomera tatỳ aoriana, ary avy eo lahikely nantsoina hoe Lo-amy. Tamin’izy nanitsakitsa-bady no niteraka an’ireo satria tsy milaza ny Baiboly hoe zanak’i Hosea izy ireo. (1:6, 8, 9) Midika hoe “Tsy Namindrana Fo [Izy]” ny hoe Lo-rohama, ary hoe “Tsy Oloko” ny hoe “Lo-amy.” Midika izany fa tsy nankasitrahan’i Jehovah ny Israely nikomy. Ny anaran’ilay lahimatoa hoe “Jezirela” kosa midika hoe “Hamafy Voa Andriamanitra.” Mifanitsy amin’izy io ireo olona nankasitrahan’Andriamanitra izay haveriny ao amin’ilay tany.​—2:21-23.

Toa nandao an’i Hosea i Gomera taorian’ny niterahany an’ireo zaza ireo, ka nanaraka an’ireo lehilahiny. Tsy voalaza anefa hoe nisaraka taminy i Hosea. Nilaozan’ireo lehilahiny izy tatỳ aoriana ka lasa nahantra, matoa ilay mpaminany nividy azy toy ny nividy mpanompo ary nampody azy indray. (Ho 3:1-3) Mifanitsy amin’ny fifandraisan’i Hosea sy Gomera ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israely. Nivadika taminy izy ireo ka toy ny hoe nanitsakitsa-bady. Vonona ny handray azy ireo indray anefa Izy rehefa nibebaka izy ireo.​—2:16, 19, 20; 3:1-5.

Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa fahitana na nofy fotsiny ilay fanambadian’i Hosea, fa tsy tena izy. Tsy nilaza izany anefa ilay mpaminany. Misy indray mihevitra fa fanoharana fotsiny ilay izy. Tsy nampiasa fanoharana na teny an’ohatra anefa i Hosea tamin’izay. Tena nanambady an’i Gomera kosa izy, ary tena nampody azy. Raha tsy izany, dia tsy hisy dikany ny nampiharana an’ilay faminaniana tamin’ny Israely. Tsy nanitatra i Hosea. Mifanitsy kosa amin’ny fanambadian’i Hosea ny zava-nitranga tamin’ny firenen’Israely: Nofidin’i Jehovah ilay firenena, nefa nivadika taminy ka toy ny hoe nanitsakitsa-bady, ary nibebaka ka niverina taminy indray.

Fomba fanoratra. Nampiasa fehezanteny fohy i Hosea. Vetivety koa dia niova ny hevitra noresahiny, indraindray. Mampita fihetseham-po lalina sy hevitra mafonja ireo anatra mafy, fampitandremana, fampirisihana, ary fitalahoana hibebaka. Nampiasa sarin-teny tena tsara koa izy.​—Ho 4:16; 5:13, 14; 6:3, 4; 7:4-8, 11, 12; 8:7; 9:10; 10:1, 7, 11-13; 11:3, 4; 13:3, 7, 8, 15; 14:5-7.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Ny bokin’i Hosea no voalohany amin’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baiboly malagasy sy ny dika mitovy amin’ny Soratra Hebreo fahiny ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nilaza i Jérôme fa fizarana tao amin’ireo boky masina jiosy ilay hoe Bokin’ny Mpaminany Roa Ambin’ny Folo. Tsy maintsy tao ny Hosea mba ho feno 12 ilay izy. Nanao lisitra nisy an’ireo boky ireo koa i Méliton tamin’ny taonjato faharoa sy Origène ary ny hafa.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’ny hevitra raketin’ny boky hafa ny voalazan’ilay boky. (Ampitahao, ohatra, ny Ho 6:1 sy De 32:39; Ho 13:6 sy De 8:11-14; 32:15, 18.) Voalaza ao koa izay notantarain’ny boky hafa, toy ny tantaran’i Jakoba. (Ho 12:2-4, 12; Ge 25:26; 32:24-29; 29:18-28; 31:38-41) Resahiny koa hoe nafahana avy tany Ejipta ny firenen’Israely (Ho 2:15; 11:1; 12:13), nanompo an’i Balan’i Peora (Ho 9:10; No 25), ary nangataka mpanjaka olombelona (Ho 13:10, 11; 1Sa 8:4, 5, 19-22).

Naverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Naka teny indroa tao amin’ny Hosea 6:6 i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Famindram-po no sitrako fa tsy sorona.” (Mt 9:13; 12:7) Naveriny tamin’izy nanameloka an’i Jerosalema (Lk 23:30) ny teny ao amin’ny Hosea 10:8, izay miverina ao amin’ny Apokalypsy 6:16 koa. Noresahin’i Paoly sy Petera ny voalazan’ny Hosea 1:10 sy 2:23. (Ro 9:25, 26; 1Pe 2:10) Ny Hosea 13:14 (LXX) kosa no naverin’i Paoly rehefa niresaka momba ny fitsanganan’ny maty izy. Hoy izy: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”​—1Ko 15:55; ampitahao koa Hosea 14:2 sy Hebreo 13:15.

Faminaniana tanteraka. Tanteraka ilay faminaniana hoe ho rava i Samaria (Ho 13:16), ary hilaozan’ireo namany (toy ny vehivavy ilaozan’ireo lehilahiny) ny Israely. (8:7-10) Tsy nisy nanampy tokoa i Samaria rehefa noravana, sy rehefa nentina ho babo tany Asyria ireo mponina tao tamin’ny 740 T.K.​—2Mp 17:3-6.

Naminany i Hosea fa handefasan’Andriamanitra afo ireo tanànan’i Joda. (Ho 8:14) “Niakatra hamely an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda” tokoa i Sankeriba mpanjakan’i Asyria “ka naka an’ireny”, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia. (2Mp 18:13) Nilaza koa anefa i Hosea fa hovonjen’i Jehovah ny Joda. (Ho 1:7) Nitranga izany rehefa nataon’i Jehovah tsy nahomby ny fanafihan’i Sankeriba an’i Jerosalema, satria naripaky ny anjeliny tao anatin’ny indray alina monja ny miaramila asyrianina 185 000. (2Mp 19:34, 35) Mbola nisy “afo” nahamay kokoa anefa rehefa noravan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda, tamin’ny 607 T.K.​—2Ta 36:19; Je 34:6, 7.

Nangonina ny sisa tamin’ny mponin’i Joda sy Israely ka nody avy tany an-tsesitany tany Babylonia tamin’ny 537 T.K. Tanteraka àry ny faminanian’i Hosea hoe haverina any amin’ny taniny izy ireo. (Ho 1:10, 11; 2:14-23; 3:5; 11:8-11; 13:14; 14:1-8; Ezr 3:1-3) Namerina ny voalazan’ny Hosea 1:10 sy 2:23 i Paoly, ka nanasongadina fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ireo “fanaky ny famindram-po” Andriamanitra. Naka teny tao amin’ireo koa i Petera. Tanteraka amin’ny sisa voahosotra koa àry ireo faminaniana ireo, satria mamindra fo amin’izy ireo sy manangona azy Andriamanitra.​—Ro 9:22-26; 1Pe 2:10.

Naminany momba ny Mesia koa i Hosea. Nampiharin’i Matio tamin’i Jesosy zaza ny Hosea 11:1 (“nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako”), tamin’izy nentina tany Ejipta, ary avy eo nentina niverina tany Israely.​—Mt 2:14, 15.

[Efajoro, pejy 1172]

HEVITRA MISONGADINA: HOSEA

Faminaniana natao indrindra ho an’ny Israely (fanjakana tany avaratra, na Efraima) nanasongadina ny famindram-pon’i Jehovah

Nosoratan’i Hosea taorian’ny 745 T.K., taloha kelin’ny nanaovan’ny Asyrianina sesitany ny Israely

Hoatran’ny fifandraisan’i Hosea mivady ny fifandraisan’i Jehovah sy ny Israely (1:1–3:5)

Nasaina naka vady i Hosea nefa nanitsakitsaka azy ravehivavy; nivadika tamin’i Jehovah koa ny Israely

Niteraka an’i Jezirela (lahikely) i Hosea sy Gomera. Nanitsakitsaka an’i Hosea i Gomera ka niteraka an’i Lo-rohama (“Tsy Namindrana Fo [Izy]”) sy Lo-amy (“Tsy Oloko”); tsy hamindran’i Jehovah fo intsony àry ny Israely nivadika taminy ka holaviny

Nomelohin’Andriamanitra ny Israely rehefa nanompo an’i Bala; nifandray taminy indray anefa ka notahiny, araka ilay anarana hoe Jezirela (“Hamafy Voa Andriamanitra”)

Nasaina nampody ny vadiny i Hosea; nanaiky izy nefa nofeperany ilay vadiny tsy hijangajanga; nivadika koa ny Israely, nefa vonona handray azy ireo i Jehovah rehefa niverina taminy izy ireo

Fanamelohana ny Israely (sy Joda) noho izy ireo nivadika tamin’i Jehovah (4:1–13:16)

Tsy nahalala an’Andriamanitra ny olona satria nanambaka, namono olona, nangalatra, nanitsakitsa-bady, ary nanompo sampy ka toy ny hoe nivaro-tena; hatao ampamoaka

Nanompo sampy ny Israely, naloto fitondran-tena, ary nitady fanampiana tamin’ny firenena nifandrafy (Ejipta sy Asyria) fa tsy niantehitra tamin’i Jehovah; ho lao ilay tany ary hoentina ho babo any Asyria ireo sisa tsy maty

Fiangaviana hiverina amin’i Jehovah (14:1-9)

Mangataha famelana amin’i Jehovah, ary manolora ny vokatry ny molotra, dia ny vantotr’ombilahy fiderana; aza miantehitra amin’ny firenen-kafa sy ny soavaly fitondra miady

Hositranina ny Israely rehefa miverina amin’i Jehovah, ho sitrapony ny ho tia azy ireo, ary hahazo fitahiana be dia be izy ireo